Azia Atsimo: Maneho hevitra momba ny sariitatra Danoà mampiadihevitra

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2006)

Niteraka andian-dahatsoratra tao India ny adihevitra vao haingana momba ireo sariitatra hita fa maniratsira ny silamo. Pickled Politics manome fanamarihana vitsivitsy ary mamintina ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny bilaogy samihafa. The Predicate indray manana famintinana tsara dia tsara momba ny toe-javatra rehetra ary milaza hoe:

The Islamic radical extremists have escalated this issue, literally begging for a backlash and public outcry. Had they just politely asked for an apology, they would have probably gotten it and the issue would have ended there. With bomb threats and boycotting Danish goods and fatwas and other potentially violent means, they have pushed people to respond. Now, many more images of Mohammed will show up, public will be more defiant (as people just love to demolish sacred cows).

Nanitatra ity olana ity ireo ekstremista Islamika hiringiriny, mangataka ara-bakiteny valifaty sy tabatabam-bahoaka. Raha nangataka fialan-tsiny fotsiny ry zareo, dia mety ho azon'izy ireo izany ary mety ho tapitra teo ny olana. Noho ny fandrahonana baomba sy fanaovana ankivy ny entana Danoà sy ny fatwas ary ny fomba hafa mahery setra, dia nanosika ny olona hamaly izy ireo. Amin'izao fotoana izao dia maro ireo sarin'i Mohammed hiseho, hihenjana kokoa ny vahoaka (tahaka ny fitiavan'ny olona hanimbazimba ny ombivavy masina).

Mumbai Girl mijery ireo ady sasany mikasika ny olana.

The conflict between the right to freedom of speech and the harm that it may cause will always exist as it always has. But the contradictions between the two need to be resolved through dialogue about what it means to have a right, to exercise it and to be offended by it, not by adopting defiant postures as several European newspapers have done, or violence and intolerance as some Muslims have done.

Ny fifandirana eo amin'ny zo ho an'ny fahalalaham-pitenenana sy ny voka-dratsy aterak'izany dia mbola hisy hatrany hatrany tahaka ny efa nisy nahazatra. Saingy ny fifanoherana eo amin'ireo roa ireo dia mila vahana amin'ny alalan'ny fifanakalozan-kevitra momba ny dikan'ny hoe manana zo, mampihatra izany ary ho tafintohina amin'izany, fa tsy amin'ny fampiharana fihetsika mihantsy tahaka ny nataon'ny gazety Eoropeana marobe, na herisetra sy tsy fandeferana tahaka ny nataon'ny Miozolomana.

Atanu Dey ao amin'ny Deesha manipika ny safidin'ny olona iray ho tafintohina

My advice to anyone who is offended by the lawful expression of free speech is simple: don’t watch, hear, or read whatever it is you find offensive. Nobody is forcing you to read or watch you find offensive. Reach for the remote and switch the channel. If you cannot find the channel you want, start your own channel. Or newspaper. Or whatever. But for the sake of sanity, keep your sensibilities to yourself if you find free expression offensive.

Ny torohevitro ho an'izay rehetra tezitra tamin'ny fanehoan-kevitra ara-dalàna momba ny fahalalaham-pitenenana dia tsotra: aza mijery, mandre, na mamaky na inona na inona izay hitanao fa manafintohina. Tsy misy olona manery anao hamaky na hijery izay hitanao fa manafintohina. Alaivo ny fibaikolavitra ary vonoy ny fahitalavitra. Raha tsy afaka mahita ny fantsona tianao jerena ianao dia alefaso  ny fantsonao manokana. Na gazety. Na inona na inona. Fa noho ny fahadiovam-pitondrantena, tandremo ny fihetseham-ponao raha mahita ny fahalalam-pitenenana manafintohina ianao.

Haydur.dot.com nilaza hoe:

Why is Al-Jazeera allowed to broadcast beheadings and a European newspaper being slammed around the globe for showing soom sense of humor? I don't see any Muslims protesting against Al-Jazeera by showing all those bloody tapes and tarnishing the image of their religion? Is it because they want their religion to be feared, just like they've been raised to fear God Almighty…

Nahoana no navela hamoaka ny fanapahan-doha ny Al-Jazeera kanefa voatsikeran'izao tontolo izao ny gazety Eoropeana noho ny fampisehoana karazana hatsikana? Tsy mahita silamo manohitra ny Al-Jazeera aho amin'ny fampisehoana ireo sary feno rà sy fandotoana ny endrky ny fivavahan'izy ireo? Satria tian'izy ireo hatahorana ve ny fivavahany, tahaka ny nampianarana azy ireo mba hatahotra an'Andriamanitra Tsitoha

Fanehoan-kevitra maro kokoa no hita ao amin'ny Hardly Innovative. Sadiq manamarika fa ny fandraisan'ny Silamo momba ny mpaminany amin'ny fivavahana rehetra dia midika fa tsy tokony ho zimbazimbaina ny mpaminany. Hoy i Mezba:

I believe this is a fantastic opportunity for the Arab world. Cancel the boycott. Announce that any European visiting an Arab country will get a free tourist visa, and can live with an Arab family. Start with the Danes. The Arabs are famous for their hospitality, and many locals will line up to have an European family stay with them.

Mino aho fa fahafahana mahafinaritra ho an'ny tontolo Arabo izany. Foano ny fanaovana ankivy. Lazao fa ny fitsidihan'ny Eoropeana any amin'ny firenena Arabo dia hahazo visa fizahan-tany malalaka, ary afaka miaina miaraka amin'ny fianakaviana Arabo. Atombohy amin'ny Danoà. Malaza amin'ny fitiavany mandray vahiny ny Arabo, ary maro ny mponina hilahatra handray fianakaviana Eoropeana mijanona miaraka amin'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.