- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Obama hanao lahateny ao Maraoka?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2008)

Nitatitra [1] momba ny fanentanana nataon'ireo Maraokana mba hamporisika ny Filoha-Voafidy Barack Obama hanao ny lahateniny voalohany ivelany any Maraoka ilay bilaogera Alzeriana-Amerikana The Moor Next Door. Hoy ilay bilaogera:

This clever Moroccan site [2] — Obama to Speak in Morocco — is marketing that country as the best candidate for Obama’s proposed Islamic world speech. They’ve even drafted my post on the issue to their cause [3]. Note that I have no realtionship [sic] with “Obama to Speak in Morocco,” whatsoever, and operate this blog and write on my own behalf and no one else’s, and recieve no financial or material gifts or compensation from any individual or organization.

Ity tranonkala Maraokanina [2] marani-tsaina ity — Obama mba hiresaka any Maraoka — dia manao dokambarotra ity firenena ity ho toy ny kandidà tsara indrindra ho an'ny kabary Islamika manerantany nataon'i Obama. Namolavola ny hafatro momba io lohahevitra io mihitsy aza izy ireo [3]. Mariho fa tsy manana fifandraisana [sic] amin'i “Obama hiresaka any Maraoka aho”, na inona na inona, ary mampiasa ity bilaogy ity sy manoratra amin'ny anaran'ny tenako manokana sy tsy misy olon-kafa, ary tsy mahazo fanomezana ara-bola na ara-pitaovana na tambiny avy amin'ny olona na fikambanana.

Ao amin'ny sehatra fanehoan-kevitra ao amin'ny bilaoginy, Tidinit mamaly hoe:

Interesting. Have not read your post on Obama, but I will now, because of its implications for our “waring” countries. Don’t worry if you are accused to take side. We know you are not and you are giving us some food for thought on issues pertaining to the region. I appreciated very well your past posts on Turkey and the new OPEC gas consortium. Among others, of course: Ya Khattou, Al Majlissi and your excellent post that I responded to. That is why I m checking almost every morning or night. Keep it up. We need you and you are opening our eyes on some key issues no one is talking about.

Mahaliana. Tsy namaky ny lahatsoratrao momba an'i Obama, fa hamaky aho ankehitriny, noho ny fiantraikany amin'ny firenentsika “an'ady”. Aza manahy raha voampanga ho mitanila ianao. Fantatray fa tsy manao izany ianao ary manome anay sakafo sasany ho fisaintsainana momba ny olana mifandraika amin'ny faritra ianao. Tena nankasitraka ny lahatsoratra navoakanao taloha momba an'i Torkia aho ary ny consortium gazy OPEP vaovao. Ankoatra izay, mazava ho azy: Ya Khattou, Al Majlissi sy ny lahatsoratrao mahafinaritra novaliako. Izany no antony hijereko saika isaky ny maraina na alina. Tohizo fa tsara. Mila anao izahay ary manokatra ny masonay amin'ny olana fototra sasany tsy resahin'ny olona ianao.

Ny fangatahana ho an'i Obama mba hiresaka any Maraoka dia niainga  [4]tamin'ny The Moroccan American Board, fikambanana ao Washington, D.C.

Ireto manaraka ireto ny resaka lehibe tamin'ny fanentanana:

Here is why It should be Morocco

What do you call an Arab, Muslim and African country which was the first to recognize the United States independence?

Kingdom of Morocco

What do you call a moderate, tolerating, peaceful country which is the strongest ally to the United States in the region?

Kingdom Of Morocco.

What do you call Obama's first speech in Morocco after his inauguration?

A historical moment.

Izao no antony tokony hoe any Maraoka izany

Inona no iantsonao ny firenena Arabo, Silamo ary Afrikana izay voalohany nanaiky ny fahaleovan-tena Amerikana?

Fanjakan'i Maraoka

Ahoana no iantsonao ny firenena mahalala onony, mandefitra, milamina izay mpiara-miasa akaiky indrindra amin'i Etazonia ao amin'ny faritra?

Fanjakan'i Maraoka.

Ahoana no iantsoanao ny lahatenin'i Obama voalohany any Maraoka aorian'ny anokanana azy?

Fotoana manan-tantara.

 

Na dia ny fotoana ihany aza no hilaza, hatramin'izao dia nahomby ny fampielezan-kevitra; nampanasonia ny ben'ny tanànan'i Washington D.C Adrien Fenty mihitsy aza [5] ireo mpanao fanangonan-tsonia mba hanohana izany tamin'ny fetin'ny andro nahaterahany:

Among the invitees and contributors were Washington Moroccan Club members and friends-of-the-mayor that chatted with the mayor and informed him of the ongoing campaign to entice President elect Barack Obama to make his first foreign policy speech from Morocco. Mayor of Washington, Adrien Fenty, said ” it is a good Idea, Morocco is an ideal location for that speech” In a subsequent encounter with Jan and Phil Fenty, the mayor’s proud parents who were on hand for the mayor's 38th birthday bash. They run their Fleet Feet running shoe store in Washington for over 24 years, while Jan Fenty , the mayor's mother, worked as a DC public school teacher. His father, Phil Fenty, informed the Moroccan Community members present that his own grandfather is from Morocco. the Group members were startled by this unexpected piece of information and promptly admitted the mayor and his family to the Moroccan American community since the mayor's own great grand father was Moroccan and celebrated the event with a well deserved glass of fresh mineral water.

Anisan'ireo nasaina sy mpandray anjara ireo mpikambana tao amin'ny Washington Maroccan Club sy ny naman'ny ben'ny tanàna izay ni-karajia tamin'ny ben'ny tanàna ary nampahafantatra azy ny fanentanana hisarika ny filoha voafidy Barack Obama hanao ny lahateniny voalohany momba ny politika ivelany avy any Maraoka. Ny ben'ny tanànan'i Washington, Adrien Fenty, dia nilaza fa “hevitra tsara izany, Maraoka no toerana tsara indrindra ho amin'izany lahateny izany” Tamin'ny fihaonana nanaraka tamin'i Jan sy i Phil Fenty, ireo ray aman-dreny mirehareha amin'ny ben'ny tanàna izay tonga tamin'ny fety tsingerintaona faha-38 taonan'ny ben'ny tanàna. Izy ireo no mitantana ny magazay fivarotana kiraro fihazakazahana Fleet Feet ao Washington nandritra ny 24 taona, ary i Jan Fenty kosa, renin'ny ben'ny tanàna, dia niasa ho mpampianatra sekolim-panjakana DC. Nampandre ny mpikambana ao amin'ny Fiarahamonina Maraokana ny rainy, Phil Fenty fa teratany Maraokana ny raibeny. Gaga ireo mpikambana ao amin'ny Vondrona tamin'izany vaovao tsy nampoizina izany ary nanaiky avy hatrany ny ben'ny tanàna sy ny fianakaviany tao amin'ny fiarahamonina Amerikana Maraokana satria Maraokana ny rain'ny raiben'ny ben'ny tanàna ary nankalaza ny hetsika tamin'ny veran-drano mineraly mendrika sy mangatsiatsiaka.