- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Antompisian'ny Bilaogy

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahaatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2006)

Hatramin'ny nisian'ny fiarahamonina… tsia, tsy marina loatra izany. Hatramin'ny nisian'ny fidirana aterineto, mpampiasa aterineto an-tapitrisany no narary nitebiteby mikasika ny tena antompisian'ny bilaogy. Mety nanome valinteny tena tsotra manoloana ity fanontaniana ity ilay filozofa Danoà malaza, Soren Kierkegaard, “Ahoana faty koa no hahalalako izany, efa dimapolo amby zato taona aho izao no maty!” Saingy afaka mitsatoka aho, fa raha mbola velona izy androany, mety niteny hoe, “Tsy maintsy mitady ny marina, dia izay marina amiko, aho. . . ary làlana iray mitondra mankany ny fanoratana bilaogy”, na io na “Mbay tany!”

Raha ny fijeriko manokana, antony dimy lehibe no mahatonga ny olona hanoratra bilaogy. Ary atolotra eto ambany izy ireo, tsy midika laharampahamehana ny filaharany:

1-Hiraketany ny isa-minitra (amin'ny fiainany andavanandro)
B-Hamoahany ny hasorenany (momba ny toeram-piasana, ny governemanta, na ny gazety)
Fahatelo-Hitaterana ny marina (ho solon'ny zavatra hasehon'ny media tranainy)
iv- Hitahirizana lisitra (an'ireo angona CD-ny manokana)
ary Farany-Hanoratana ny rehetra tsy tafiditra anatin'ireto teboka eto ambony ireto.

Raha ny antompisian'ity lahatsoratra ity kosa, mitondra aminareo ny tahirin-drohy kely nefa manan-danja nivoaka tamin'ity herinandro ity, izay mampiseho anareo ny zavatra voalaza anatin'ny tontolon'ny bilaogy Pakistaney…

Mizàka ny tebitebiny amin'ny antompisiany [1] (rohy maty) manokana i Windmill; Manome ny antsipirian'ny fitsidihany ny Lapan'i Mohatta [2](rohy maty) i Meanderings; Manolotra ny valinteniny feno hatezerana [3] manoloana ny Daroka baomba nataon'ny CIA tao Pakistana i Suspect Paki; mametra-panontaniana ny filàna Andriamanitra [4] i Journey; manome ny antsipirian'ny zavatra iainana ao Garam Chasma [5] (pejy voafafa) i Lightwithin; ary farany, maneho ny heviny amin'ireo fanambadiana tato ho ato [6] (rohy maty) i Napoleon Blown Apart.

Izay no vita tamin'ity herinandro ity. Lasa hikaroka ny asa soratr'i Sigmund Freud aho, izay nahatsapa ihany koa fa ny antony mahatonga ny olona hanoratra bilaogy dia satria mampahatsiahy azy ireo ny firaisana ara-nofo izany. Tsy mahagaga io, satria tokoa somary vetaveta tsy ampy dona i Sigmund…