Pakistana: Bilaogin'ny Adala

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2005)

Tompokolahy sy Tompokovavy, tongasoa eto amin'ny fehin'ny lahatsoratry ny bilaogy Pakistaney amin'ity herinandro ity. Efa azonareo an-tsaina tsara angamba fa tsy moramora ny manangona ireo lahatsoratra azo antoka (mahaliana) hovakianareo. Voatery mitety vohikala maro feno resaka poakaty izay vao mahatsinjo zavatra iray mahaliana. Mety haharitra volana maro ny dingana rehetra. Raha ny marina fanitaran-dresaka izany, ora iray monja eo ho eo fotsiny no ilaina saingy minoa ahy fa tsy mahafinaritra izany. “Excruciating Browsing (EB)” (Fikarohana Mangidy) no iantsoako izany.

Paikady marim-pototra novokarin'ny mpanomponareo taorian'ny taona maro nitetezany ny aterineto ny EB. Tsy natao ho an'ireo mpikaroka tsy za-draharaha ao anaty aterineto io fomba fiasa io ary mety hiafara amin'ny faharatrana ara-batana raha tsy arahana an-tsakany sy andavany. Ny atao amin'io paikady EB io dia ny famoahana efijery 8, ary avy eo, mijery vohikala maro miaraka. Sady mamita izany rehetra izany no mihinana “chips” Tortilla iray fonosana lehibe, mikendry tsara mba tsy hisy potiny hilatsaka anelanelan'ireo malalaka kely manasaraka ny bokotry ny milina fanoratana. Tapitra ny fikarohana rehefa laninao ny fonosanà Extra Cheesy Doritos iray.

Tsy hiandry ela intsony fa atolotro anao ny vokatry ny EB nataoko farany:

Mahaliana ny fampitahan'i Windmill an'i Lahore amin'ny tanàna tiany indrindra (rohy maty); manoratra momba ny fanabeazana mitodika amin'ny fanomezana mari-pankasitrahana (rohy maty) i Meandering; manome fehin'ny vaovao manohitra ny Islam (rohy maty) i Opinionated Voice; Mankalaza ny tsingerintaona nahaterahan'ilay nanangana ny Vohitry ny Saribakoly i Thatta Kedona; mimenomenona amin'ny Fihetsiky ny Tanora i Politically Incorrect; mandinika ny vidin'ny fitaovany i Random Thoughts; manolotra ireo fambaran'ny fiankinandoha amin'ny aterineto i Hasan Mubarak; milaza ny zavatra araka izay misy (rohy maty) i Venial Sin; Manolotra ny Sasintenin'ilay bokiny hivoaka tsy ho ela kosa i Anwaar Hussain (Fountainhead), namako malalako ao anaty aterineto; ary farany, manatanteraka ny fandraisany anjara ara-bola voalohany amin'ny famatsiambola fanampiana ataon'ny TCF ho an'ireo niharan'ny horohorontany tao Pakistana ny Help-Pakistan.com (rohy maty) (hetsipanentanana anaty aterineto natsangan'ny Teeth Maestro).

Hanao veloma anareo rehetra aho aloha, satria mila mitsóka ireo potika hanina hiala ny milina fanoratako.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.