- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hitanjaka ny Vovonambe Sosialy Iraisam-pirenena

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2006)

Herinandro mialoha ny fisokafan'ny World Social Forum andiany Fahenina [1] (Vovonambe Sosialy Iraisam-pirenena), tsy dia miraharaha loatra ilay hetsika ny tontolon'ny bilaogy Venezoeliana.

Ny bilaogy Aporrea [2] mpomba ny fitondrana irery ihany no weblog mamoaka vaovao momba ny WSF isan'andro. Fitaterana ny voalazan'ny masoivoho mpampiely vavaom-panjakana, ABN, [3] ny ankamaroan'ireo lahatsoratra ireo. Mandritra izany fotoana izany, mandrakotra ireo vaovao momba ny Alternative Social Forum [4](Vovonambe Sôsialy Solony) (rohy maty) ny bilaogy tsy refesi-mandidy, Colectivo La Libertad [5], io hetsika io izay hotanterahin'ireo fiaraha-mientana tsy refesi-mandidy ao Venezoela amin'ny herinandro hanatanterahana ny WSF mihitsy. Manoratra momba ny fandaharam-potoan'ny WSF sy ny Alternative Forum ny Reste@dos.

Fihetsehampo iraisan'ireo bilaogera Venezoeliana ny fahatsapàna fa mety tsy haneho tsara ny fanahy nisy tao Porto Alegre [6] ity andiany fahenin'ny WSF ity satria heverina fa hifehy ireo toerana rehetra hanaovana ny Vovonambe ireo mpiasan'ny tafika sy ireo mpiambina filoham-pirenena. Noho izany, hita ho mety kokoa ho an'ny vahoaka mitsinjo ny fiarahamonina ity hetsika Solony ity mba hizaràna hevitra tsy ilàna “fianianana tsy hamadika” ny filoha Venezoeliana [7].

Ny hetsika mifandraika amin'ny WSF mba hany mahasarika ireo bilaogera Venezoeliana dia ny fanasàna misokatra handray anjara anatinà fijoroan'olona marobe miboridana halain'i Spencer Tunick [8] sary. Bilaogera Venezoeliana roa amby folo fara-fahakeliny no nianiana fa ho avy.

Tenifototra: Foro Social Mundial [9] World Social Forum [10]