- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh: Vaovao Maresaka anatin'ny Bilaogy

Sokajy: Bangladesh, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2006)

Ireo zava-nitranga farany maneran-tany tanatin'ireo bilaogy ao Bangladesh:

1) Fankalazàna: Mamoaka sary kanto vitsivitsy ahitàna an'i Swarashwathi (Andriamanibavin'ny Fahalalàna) tamin'ny Puja 2006 i Sanjoy [1] ary manontany tena hoe iza no manan-danja kokoa: ny vola sa ny fahalalàna?

2) Fihaonana: Notanterahina tao Dhaka ny Sabotsy 04 Febroary 2006 teo ny Fihaonana voalohan'ireo Bilaogera ao Bangladesh. Manodidina ny roapolo teo ireo bilaogera nivondrona hizara ny fijeriny sy hifankahalala tany an-tranon'i Maqsood, bilaogera malaza ihany koa eo amin'ny sehatry ny Rock. Manana ny antsipiriany amin'izany ny “The third world view [2]” sy ny “Rajputro [3]” (rohy maty).

3) Tsy fitoviana: Manao [4] (rohy maty) fampitahàna mahaliana i Shafiur: ny Filoha Tale Jeneralin'ny Wal-Mart sy ny mpiasa iray ao amin'ny mpamatsy azy (orinasa mpanamboatra akanjo) ao Bangladesh.

4) Fanadihadiana: Mandefa [5] (rohy maty) rohy mankany aminà tatitra fanadihadiana momba ny antony nanaisorana ny fahazoandàlan'ilay fantsona malaza mampiasa zanabolana, Ekushey TV, sy ny tsy fahafahany mamerina ny asany intsony, ny ‘Unheard Voices’.

5) Vohitry ny nofy: Mitady [6] ny paradisa i Sadiq.

6) Fandeferana: Tezitra [7] amin'ny havendranan'ireo Silamo sasany maneho fihetsehampo diso tafahoatra manoloana ilay raharaha Sariitatr'i Mahomeet nataon'ny Gazety Danoà i Shappir.

7) Vondrompiarahamonina: Mitonon-tena ho bilaogy vohikala voalohany indrindra ao Bangladesh, sy Bangladeshi manerana izao tontolo izao ny Deshiblog [8] (rohy maty). Tsidio izany.

8) Fandinihana: Mamoaka [9] fandinihana iray mampihomehy i Naser: Ny lafy Tsara sy Ratsy amin'ireo Tantara Mitohy amin'ny teny Bangla anaty fantsona fahitalavitra.

9) Fanoratana bilaogy amin'ny teny Bangla: Miteraka sakoroka ao Bangladesh ilay fitaovana manaitaitra, ‘Bandh Bhanger Awaz’ [10]sy ny mpanangom-baovaony.  Efa nisarika bilaogera nisoratra anarana manodidina ny 450 isa eo izy ireo ary efa nahatratra 27000 ny mpitsidika ny pejy anatin'ny iray andro. Eo amin'ny 60 eo ireo lahatsoratra mivoaka isanandro ary maro ireo fanehoankevitra mamelona hatrany ilay vohikala.

Efa nisedra olana teo amin'ny fanehoankevitra maro misesy sy ny fomba hamerana ireo lahatsoratra tsy tiana ireo mpamokatra rindrambaiko [11] (rohy maty). Saingy tian-dry zareo ferana araka izay azony ny fandrindràna ny vohikala mba hijereny ny famolavolan'ny fahalalahana miteny sy ny fahamalinan'ny tsirairay vondrompiarahamonim-bilaogera iray.

Mamoaka [12] fanehoankevitra momba ny ‘Bandh Bhanger Awaz’ [10] i Adda.