- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny ‘Diwaniya’ ao Koety

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Ramadan Kareem (Ramadany Sambatra) ho an'ny rehetra. Mihetsiketsika i Koety mandritra ny Ramadany amin'ny fivoahana alina miaraka amin'ny fianakaviana sy ny namana mitsidika ireo diwaniyas [1] (toerana fivoriana natokana ho an'ny lehilahy), sy ireo fivoriam-pianakaviana hafa mahatonga anay tsy hanam-potoana amin'ireo olana ara-pôlitika sy maneran-tany.

Noho izany, tsy nipoitra mihitsy tanatin'ireo diwaniyas ny olana momba ny famadihan'i Koety ho ara-dalàna ny fifandraisany amin'Israely [2]. Tsy voaresaka mihitsy izany na mandritra ny fitsidihan'ireo mpikambana anatin'ny Parlemanta aza, tsy mba ho fahalalam-pomba fa toa tsy dia mivaky loha ny amin'io olana io mihitsy ny vahoaka.

Lohahevitra iray mafana resahina foana manodidina ny Ramadany ireo fandaharana amin'ny fahitalavitra. Manontany i Such as Stallion hoe inona no mafana, ary inona no tsia [3]? Kanefa toa misy fifanarahana manao hoe ataovy ratsy ny fandaharana, fa ataovy tsara kosa ny dokambarotra. Mangataka fanembatsembanana ny fandaharana Gergeegan [4] ao amin'ny fahitalavitra MBC1 i Q sy i Zaydoun ary i Bo Jaij. Izay nahatonga an'i MadM2000 hamerina hanoratra bilaogy mihitsy [5] (rohy maty).

Mizara amintsika ny fihetsehampony marina momba ny Ramadany [6] ihany koa i Ayya, sy ny antony mahatonga azy io ho iray amin'ireo volan'ny fiatsarambelatsihy lehibe indrindra ao anatin'ny alimanàka Silamo.

Nanatanteraka ny Fihaonan'ireo bilaogera ao Koety [7] andiany faha-10 ihany koa izahay.