- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Fipoahana baomba tany Delhi – 2005

Sokajy: Azia Atsimo, India, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisy ny fipoahana baomba [1] voalaza tao amin'ny tanàndehiben'i New Delhi ny herinandro talohan'ny fetibe goavana indrindra tany India – Deepawali [2] sy Eid [3] . Nitranga tao amin'ny faritra be mpiantsena indrindra ity fipoahana baomba ity. Hoy ny River's Blue Elephants izay tany amin'ny iray tamin'ireo toerana minitra vitsy monja talohan'ny fipoahana [4]

We bought stuff for ourselves, gifts for people, had lunch there and left just minutes before an explosion killed twenty people on the spot and injured many more. I don't know what to think.

Nividy zavatra ho anay izahay, fanomezana ho an'ny olona, ​​nisakafo tao ary nandao ny toerana minitra vitsy monja talohan'ny fipoahana izay nahafatesana olona miisa roapolo teo tao an-toerana ary naharatrana olona maro hafa. Tsy hitako izay hambara.

Manana ny sarin'ny sasantsasany tamin'ny fipoahana [5] ny Sepia Mutiny, ary nanome rohy mankany amin'ny Fampitam-baovao mahazatra . Nanana vaovao momba ny laharan'ny finday hiantsoana vonjy sy ireo hopitaly [6] izay nitondrana ireo naratra i Peter. Hoy ny mpianatra Indoneziana iray ao Delhi [7] raha nanoratra -

One staff whose home near the blast took place said that he's heard a very strong voices which he thought of a firework [considering Diwali celebration that is the fireworks party, just two days away]

Nilaza  ny olona iray izay mipetraka eo akaikin'ny toerana nisy ilay fipoahana fa naheno feo mafy izy izay noheveriny fa afomanga [araka ny hita fa ahitana ny fetin'ny afomanga ny fankalazana ny Diwali izay roa andro lasa izay]

Ny teorian'ny firaisana tsikombakomba [8], ny hatairana [9] ary ny fizotran'ny fipoahana [10] tao Delhi. Nitantara ny fanehoan-kevitr'ireo [11] bilaogy Indiana sy ireo bilaogera ny DesiPundit . Tena hetsika nivadika nampalahelo tokoa izany. Nivavaka ho an'ireo izay niharan'ity asa fampihorohoroana ity izahay.