India: Fipoahana baomba tany Delhi – 2005

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisy ny fipoahana baomba voalaza tao amin'ny tanàndehiben'i New Delhi ny herinandro talohan'ny fetibe goavana indrindra tany India – Deepawali sy Eid . Nitranga tao amin'ny faritra be mpiantsena indrindra ity fipoahana baomba ity. Hoy ny River's Blue Elephants izay tany amin'ny iray tamin'ireo toerana minitra vitsy monja talohan'ny fipoahana

We bought stuff for ourselves, gifts for people, had lunch there and left just minutes before an explosion killed twenty people on the spot and injured many more. I don't know what to think.

Nividy zavatra ho anay izahay, fanomezana ho an'ny olona, ​​nisakafo tao ary nandao ny toerana minitra vitsy monja talohan'ny fipoahana izay nahafatesana olona miisa roapolo teo tao an-toerana ary naharatrana olona maro hafa. Tsy hitako izay hambara.

Manana ny sarin'ny sasantsasany tamin'ny fipoahana ny Sepia Mutiny, ary nanome rohy mankany amin'ny Fampitam-baovao mahazatra . Nanana vaovao momba ny laharan'ny finday hiantsoana vonjy sy ireo hopitaly izay nitondrana ireo naratra i Peter. Hoy ny mpianatra Indoneziana iray ao Delhi raha nanoratra -

One staff whose home near the blast took place said that he's heard a very strong voices which he thought of a firework [considering Diwali celebration that is the fireworks party, just two days away]

Nilaza  ny olona iray izay mipetraka eo akaikin'ny toerana nisy ilay fipoahana fa naheno feo mafy izy izay noheveriny fa afomanga [araka ny hita fa ahitana ny fetin'ny afomanga ny fankalazana ny Diwali izay roa andro lasa izay]

Ny teorian'ny firaisana tsikombakomba, ny hatairana ary ny fizotran'ny fipoahana tao Delhi. Nitantara ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogy Indiana sy ireo bilaogera ny DesiPundit . Tena hetsika nivadika nampalahelo tokoa izany. Nivavaka ho an'ireo izay niharan'ity asa fampihorohoroana ity izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.