- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andrana bilaogin-dahatsary avy any Accra

Sokajy: Ghana, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ity ny androko faharoa tao amin'ny cybercafe BusyInternet [1] tao Accra, Ghana, ary nanandrana ny famintinana lahatsary aho mba hahitako raha azoko atao ny mamolavola ny halehibe mety handefasana sy hitrohana lahatsary. Miadana kokoa noho ny any Etazonia ny fifandraisana eto, noho izany dia mila mitandrina tsara ny amin'ny halehiben'ny angondrakitra alefako aho .

Ireto misy dika miisa roa tamin'ny lahatsary sasany tao amin'ny BusyInternet, ny iray ambany fifandraisana ary niaraka tamin'ny fifandraisana antonony ny iray hafa. Manodidina ny 600k ny dika ambany fifandraisana , ary 1,3 mega kosa ilay miaraka amin'ny fifandraisana antonony . (Ho an'ireo izay mitazona ny isa, mihoatra ny 30 megabytes ny dika tsy voafintina amin'ity horonan-tsary maharitra 40 segondra ity – izay tsy ilaina loatra eto Afrika Andrefana.)

Na izany na tsy izany, ireto ny vokatra. Kitiho ny rohy mifanaraka amin'izany mba hanandramana ny dika tsirairay.

BusyInternet Video Blog Test [2]

Lahatsary BusyInternet :
Low bandwidth clip [3]
Medium bandwidth clip [2]

PlayPlay [2]