- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vaovao Avy Amin'ny Tontolon'ny Blaogy Sinoa

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2005)

Fitsidihan'i Bush: Tamin'ny 20 Desambra, nitsidika an'i Shina i George W. Bush, filohan'i Etazonia, ay nihaona tamin'ireo Sinoa mpitarika, niresaka mikasika ny olana toy ny fahalalahan'ny ara-barotra sy ny finoana. Namoaka lahatsoratra tao amin'ny blaoginy mikasika an'i Bush izay nomeny lohateny hoe ”Ny Tanana Feno Volo an'i Bush [1]” (amin'ny teny ZH) ny mpanao gazety Sinoa iray izay nandray anjara tamin'ilay fetibe fandraisana tao amin'ny fiangonana iray ary nandika [2] ilay lahatsoratra ny ESWN [2]. Namerina nanadihady ity fitsidihana ity ihany koa i Danwei [3] ary nanao bango tokana mikasika ireo tantara avy amin'ny haino aman-jery ofisialy.

HuYaobang: fankalazana ny faha-100 taonan'i Huyaobang ny 20 Desambra, ilay filohan'ny antoko kaominista (CPC)  tao Shina taloha tany antenantenan'ny andian-taona 1980 tany, izay nampifandraisina matetika tamin'ilay Hetsi-panoherana Tao Tiananmen tamin'ny 1989 [4]ka noho izany, lohahevitra ho an'ny fanivanana ny haino aman-jery. Nisafidy ny hikarakara fotoana fahatsiarovana ofisialy natao ho azy ny CPC. Dingana tsara mankany amin'ny fivoarana ara-politika no fahitan'ny ankamaroan'ny olona izany..

Sarintany Podcast: Nametraka sarintanin'ny podcaster Sinoa tamin'ny alalan'ny fitaovana Google Maps API ny Podlook [5], ilay tranonkala lehibe indrindra ho an'ny lahatahirin'ny podcast [6](tapaka ny rohy) ao Shina. Raha toa ka mpanao podcast ianao, mba manorata anarana ho an'ny firotsahana ho mpikambana ao amin'ilay tranonkala ary avy eo afaka manolotra ny toerana misy anao ianao mba hahafahan'ny rehetra mahita hoe aiza ianao. Ary koa, an-dàlana ny fifaninanana antsoina hoe ”Ny Podcast Sinoa Tsara Indrindra ny taona 2005 [7]”. Ny Desambra  no manomboka ny fifidianana azy ireo.

Fanambadian'ny Tontolon'ny Blaogy: Nitatitra i Welleway [8] (amin'ny teny ZH) fa nahita fa hivady ny blaogera roa taorian'ny nihaonany sy nahababo ny andaniny sy ny ankilany tao amin'ny MSN Space. Tao anatin'ilay fanasana, nanasa ireo hafa mba handray anjara amin'ity antsoina hoe ”Lanonanan'ny Fanambadian'ny tontolon'ny Blaogy” ity ilay lehilahy mpampakatra.

Mpandresy Tamin'ny Loka DW Weblaog: [9] Ny ”Otra mampiasa ronono” no mpandresy tamin'ilay Fanaovana gazety am-blaogy Sinoa tsara indrindra, blaogy nosoratan'ny mpanao gazety malaza Wangxiaofeng. Mampifangaro ny esoeso sy ny fampialàna voly ny ankamaroan'ny fiangaly fanoratany.

Blogger Hack: Webleon is now writing a series of life-hacking posts [10](in ZH), instructing on how to use the popular blog hosting service Blogger, [11] powered by Google. However its Blogspot domain is still blocked in China in many parts of China.

Torohevitra Blaogera: Manoratra andiana lahatsoratra torohevitra amin'ny fiainana (amin'ny teny ZH) i Webleon ankehitriny, mampianatra ny fomba fampiasana ilay tolotra fampiantranoana blaogy Blogger [11], vokarin'ny Google. Na izany aza, mbola voasakana ao Shina any amin'ny faritra maro ao Shina foana ny sehatra Blogspot-ny.