India : Ry Zatovolahy isany, hatsarao ao amin’ny Facebook ny hodi-tavanao

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Sary Bhatnaturally

Niteraka adihevitra tao India ny fampiasa Facebook vaovao iray. Ity fampiasa Facebook ity izay avy amin’ny marika Vaseline, karazana vokatra fikojakojana tarehy isankarazany avy amin’ny orinasa iraisampirenena Unilever, no ahafahan’ireo mpisera manazava ny volon-kodin’ny sariny ao amin’ny Facebook. Tsy vao voalohany izao no niadian-kevitra ny faniriana hanova ny ‘’endrika ho mazava’’ tao amin’ny tontolon’ny bilaogy Indiana. Na izany aza,  nanolotra fihenam-bidin'ny vokatra natokana ho an’ny lehilahy, izay tena mbola vaovao tokoa ity fampiasa izay resahana eto ity. Natokana ho an’ny mpanjifa vehivavy ihany ny ankamaroan’ireo vokatra ho an’ny fanovana ‘’endrika ho mazava’’ tao amin’ny tsena Indiana . Hoy i Le Sigh hoe :

Ce qui me frappe le plus dans cette publicité est le fait qu'elle s'adresse à l'envie des hommes d'avoir une peau claire, pas à celle des femmes. ça me stupéfie complètement, sur le plan anthropologique; les femmes sont celles qui représentent la culture, pas les hommes. D'une certaine façon, ces publicités sont certainement progressistes, dans le sens où elles incluent les hommes dans le discours sur le “teint clair”.

Ny firesahany ny fanirian’ny lehilahy hananana endrika mazava fa tsy ho an’ny vehivavy no tena nanaitra ahy indrindra tamin’ity dokambarotra ity ; tena nanitikitika ahy tanteraka izany teo amin’ny lafiny antropolojika, ny vehivavy tsinona no maneho ilay kolontsaina fa tsy ny lehilahy. Azo antoka fa liam-pandrosoana tokoa ireo dokambarotra ireo amin’ny lafiny iray, rehefa ampidiriny ao anaty resany ireo lehilahy amin'ny resaka ‘’mazava endrika’’.

Raha namaly ny Le Sigh, nanome antony vitsivitsy mahatonga ireo orinasa mpanamboatra menaka manazava hoditra hikendry ny lehilahy ny fanehoan-kevitra avy amin’i Sneha, izay miasa ho an’ny sampan-draharahan’ny dokambarotra iray.

Les hommes en milieu urbain en Inde aujourd'hui attachent beaucoup plus d'importance à leur apparence qu'avant. Aujourd'hui, que ce soit sur le lieu de travail ou à l'extérieur, les homme sont en contact plus fréquent avec des femmes qui gagnent autant qu'eux et ont le même statut professionnel. De plus, comme de plus en plus de relations se construisent en dehors du système des mariages arrangés, et que garçon et filles se fréquentent avant le mariage, les hommes commencent à ressentir une pression toujours plus grande autour de leur apparence et de la nécessité d'apparaitre séduisants à ces femmes…Le teint clair est une obsession de toujours en Inde et dans nos rencontres de consommateurs et en entretiens avec les hommes consommateurs, quand nous demandons ce qu'ils changeraient s'ils le pouvaient,  il ressort que ce serait la couleur de leur peau.

Manome lanja bebe kokoa ny bikany amin’izao fotoana izao noho ny teo aloha, ny lehilahy any andrenivohitra any India. Ankehitriny, na any amin’ny toeram-piasana na any ivelany dia matetika mifandray amin’ny vehivavy izay mandray karama mitovy amin’izy ireo sy mitovy amin’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa ireo lehilahy. Ankoatra izany, satria mihabetsaka hatrany ny fifandraisana ivelan’ny rafitry ny fanambadiana amboarina, ary mifanerasera mialoha ny fanambadiana ny ankizilahy sy ny ankizivavy, dia mahatsiaro tsy mahazo aina hatrany manodidina ny bikany ireo lehilahy ary liana amin’ny fisehoana ho manintona kokoa manoloana ireo vehivavy ireo… Matetika iriana fatratra any India ny fananana hodi-tava mazava kokoa ary ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny resadresaka hifanaovana amin’ireo lehilahy rehefa manontany izay ireo ny zavatra tiany hovaina amin'ny tenany dia fantatra fa ny lokon’ny volon-kodiny izany.

Miresaka momba ny fanavakavaham-bolonkoditra tsy tsikaritra kanefa misy any India i Sunhail ao amin’ny bilaogy Rantings of a Homesick Lunatic, izay ahitana fa efa tena lalimpaka tanteraka any amin’ny ankamaroan’ireo vondrona sosialy ny faniriana hanana endrika mazava. Miseho amin’ny endrika samihafa izany faniriana izany.

On en voit des manifestations assez évidentes dans l'industrie cinématographique, et au sud, les filles doivent avoir des teints de lait pour pouvoir décrocher des rôles aux côtés des “superstars”, qui sont parfois complètement à l'opposé sur le spectre des couleurs de peau, mais bon, là, il s'agit plus de sexisme que de racisme. Il est devenu assez évident pour moi que les boulots devant la caméra pour la télévision et les médias vont presque toujours aux candidat(e)s qui ont la peau la plus claire.

Tsikaritra mazava ao amin’ny indostrian’ny sarimihetsika izany, ary any Atsimo, tsy maintsy manana endriky ny ronono, ireo tovovavy mba ahafahany mandray ny anjara miaraka amin’ireo ‘’olo-malaza’’, izay matetika mifanohitra tanteraka amin’ny taratry ny volon-kodiny indraindray, nefa, eny e, fanavakavahana ara-pananahana kokoa no misy eto noho ny fanavakavaham-bolonkoditra. Somary mazava ho ahy fa matetika no misafidy mandrakariva ireo kandidà izay manana volon-koditra mazava kokoa ny asa manoloana ny fakantsary amin’ny fahitalavitra sy ny fampitam-baovao.

Nanamafy i Freshbrew fa ny lafiny tena nampiady hevitra indrindra tamin’ny paikadin’ny haivarotra momba ity vokatra ity dia tsy ny fiezahana hivarotra loatra ny ‘’endrika mazava’’ fa ny fikendreny ireo lehilahy, ary noho izany antony izany no nahatonga ireo mpanjifa nahatsikaritra izany. Mihevitra i Bhatnaturally fa mety tsy ilaina angamba ny miampanga ny mpanamboatra ny vokatra, ary mifantoka bebe kokoa amin’ny vokatra sy ny fampiasa Facebook ny natiora’ nomerika’ amin’ilay fanentanana.

Les gens accusent les marques comme celle-ci de renforcer l'idée qu'un teint clair est plus désirable, plus beau, et que cela cause du tort à la société. L'argument opposé, que ces marques ne font qu'exploiter un besoin existant (depuis bien avant que ces produits soient mêmes conçus et qu'on en fasse la publicité), n'est jamais entendu.

Manameloka ny marika tahaka izao ny olona amin’ny fanamafisana ny hevitra fa mahasarika kokoa ny endrika mazava, tsara tarehy kokoa, ary izany dia manimba ny fiarahamonina. Mbola tsy re mihitsy ny hevitra mifanohitra amin’izany fa mitrandraka fotsiny ny vokatra efa misy ireo marika ireo (hatramin’ny ela talohan’ny namokarana ireo vokatra ireo ary efa natao ny dokambarotra).

Hita ao amin’ny fanehoan-kevitra maro ao amin’ny bilaogy ihany koa ny hevitra mitovy amin’izany, izay ahitana ireo mpisera aterineto mihevitra fa manamarika fanavakavaham-bolonkoditra ho an’ireo izay tsy mahafantatra ny tontolo ara-kolontsaina Indiana ny safidy hanana volon-koditra mazava. Nanamarika izany teo ambanin’ny lahatsoratry ny mpikaroka Amerikana Danah Boyd i Gautam Ramdurai.

La levée de boucliers en Occident est intéressante, et prend sa source dans une certaine ignorance. La question en jeu est la perception de la beauté et non de la race. De toute évidence, beaucoup de ceux qui ont commenté sur ce sujet n'ont aucune idée de l'idéal de beauté en Inde, et donc, cette application à l'air forcément “raciste”. Il y a des gens en Inde qui pensent que cette application (et ce produit) sont méprisables – mais pour des raisons très différentes.  Je peux vous trouver des tas d'exemples en Occident autour de la même questions, comme les cabines d'UVA pour bronzer, l'obsession de la minceur, etc – mais aucun d'entre eux ne peut expliquer même de loin la complexité de ce problème. Cela me surprend, qu'en tant qu'habitants du nouveau monde “plat” de l'ère numérique, nous n'ôtions toujours pas nos lentilles protectrices quand nous examinons les événements sociaux-culturels dans d'autres parties de la planète.

Mahaliana ny tabataba any Andrefana, ary maka ny fakany ao anatin’ny tsy fahalalana. Ny  fomba fijery momba ny hatsaran-tarehy fa tsy ny firazanana no olana – Mazava ho azy fa maro tamin’ireo izay nandray anjara tamin’ity lohahevitra ity no tsy mahalala ny tena atao hoe hatsaran-tarehy lavorary any India, ary noho izany, toa tena “manavakava-bolonkoditra” tokoa ity fampiasa ity. Nisy ireo olona tao India no nihevitra fa tena ratsy ity fampiasa ( sy ity vokatra ity)- fa noho ny antony tena hafa- Afaka manome ohatra maro avy any Andrefana manodidina io fanontaniana io ihany aho, toy ny efitra UVA hananana hoditra azon’ny masoandro, ny faniriana fatratra ny te hahia, etsetra…saingy tsy misy amin’izy ireo no afaka manazava ny fahasarotan’ity olana ity. Mahagaga ahy izany fa amin’ny maha mponina ao amin’ny tontolon’ny ‘fisaka” vaovao amin’ny vanimpotoana nomerika, dia tsy mbola manala ny solomasontsika fiarovana isika rehefa mandinika ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-tsosialy any amin’ny faritra hafa amin’izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.