Obama sy India

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2008)

Ny fifidianana an'i Barack Obama no zava-nitranga be mpijery indrindra tany India. Toa i Obama no safidy ho Filoha ho an'ny bilaogera maro any India. Ity misy sombiny vetivety momba ireo fanehoan-kevitra voalohany avy amin'ireo bilaogera any India momba ny dika ara-tantara tamin'ny fifidianana an'i Obama. Mahaliana fa ny lohahevitra fototra tamin'ny lahatsoratra bilaogy sasany dia momba ny fomba sy ny fotoana hipoiran'izay mitovy amin'i Obama ao India? Tsy ao Amerika ihany no ilaina ny fanovana, fa koa any India araka ny hafatra avy amin'ireo bilaogera.

Kakisi's World mampiseho ny fihetseham-po sy ny fomba namoronana ny tantara mikasika ny fifidianana an'i Obama ho filoha faha-44 ao Etazonia. Manoratra ilay bilaogera fa mila an'i Obama i India:

“Barack Obama as President of the United States is a small step for humankind, a giant leap for America. All nations of the world take interest in the American elections, for America is not just a country but an idea, a dream. Only country that surpasses that dream is India for the idea of India is far more ambitious than people anywhere else would possibly imagine.”

“Barack Obama amin'ny maha Filoham-pirenena Amerikana dia dingana kely ho an'ny zanak'olombelona, ​​ary dingana goavana ho an'i Amerika. Ny firenena rehetra eran'izao tontolo izao dia liana amin'ny fifidianana Amerikana, satria tsy firenena fotsiny i Amerika fa hevitra, nofinofy. india no hany firenena nandresy izany nofy izany satria ny hevitr'i India dia be vinavina kokoa araka ny mety ho azon'ny olona na aiza na aiza saintsainina.”

Randeep Ramesh avy amin'ny ‘Asian Musings’ manoratra momba ny ‘‘Nasionalista Obama‘ ao India, hoy izy:

“Like the rest of the world, India woke up this morning agog at Obama's victory. His speech as President-elect was relayed live on every one of the three dozen local language news channels this morning displacing the usual blizzard of crime, stock market and cricket statistics.”

“Tahaka ny firenena rehetra, nifoha androany maraina taitra tamin'ny fandresen'i Obama i India. Nalefa mivantana tamin'ny iray tamin'ireo fantsom-baovao am-polony eo an-toerana ny lahateniny amin'ny maha filoha voafidy azy androany maraina, nanafoana ny fandaharana  mahazatra, ny tsenam-bola sy ny antontanisa cricket “.

Notohizan'i Randeep tamin'ny fanehoan-kevitra mitantara sy mampitaha ny demokrasia eo amin'i India sy Etazonia. Manamafy ny zava-misy izy fa tsy mitovy amin'ny endrika Indiana ny endrika demokrasia Amerikana. Hoy koa izy:

“There is a presumption that democracies are all built the same…In India this is not true. People have yet to break the boundaries of gender and social-standing in India and are unable largely to choose a life for themselves. The reality is that identity – be it caste, class, race or religion – is central to the character of India's public life. It matters where you come from and who your father was in way that Americans would find bizarre.

Democracy in India is too immature to produce a President Obama. Although the country has had a Muslim nuclear scientist as president, a Sikh economist as prime minister and a Roman Catholic woman as leader of the biggest party these are merely outcomes of patronage.”

“Misy ny fiheverana fa mitovy daholo ny demokrasia … Tsy marina izany any India. Mbola tsy maintsy mandrava ny sisintanin'ny maha-lahy sy ny vavy sy ny zava-misy ara-tsosialy ao aminy i India ary tsy afaka mifidy fiainana iray ho an'ny tenany. Ny zava-misy dia izany maha-izy azy izany, na izany firazanana, saranga, kilasy na fivavahana – izay manjaka amin'ny toetran'ny fiainam-bahoaka ao India. Manandanja lehibe ny fiavianao sy izay rainao ka mety ho hitan'ny Amerikana ho hafahafa.

Tsy mbola masaka hamoaka Filoha Obama ny demokrasia ao India. Na dia manana mpahay siansa nokleary Miozolomana, manana mpahay toekarena Sikh ho praiminisitra ary vehivavy Katolika romana mpitarika antoko lehibe indrindra aza ny firenena, dia tranga maningana avy amin'ny fiahian'olona ambony ihany ireo”.
:

Rashmi Bansal ao amin'ny Youth Curry mamoaka lahatsoratra mahaliana momba ny dikan'ny fandresen'i Obama ary manontany tena hoe rahoviana i India vao hahazo ny Obama_ny:

“And here in India one has to wonder when we will see an ‘Obama’ who will help us rise above our differences. And lead us into ‘change we can believe in'…

Not in 2009… but someday for sure.”

“Ary eto India, tsy maintsy manontany tena isika hoe rahoviana isika no hahita Obama iray izay hanampy antsika handresy ny fahasamihafantsika. Ary hitarika antsika amin'ny ‘fiovana azontsika inoana’ …

Tsy amin'ny taona 2009 … fa indray andro any azo antoka. “

Ao India i Appopt ao amin'ny Daily Kos ary mizara ny eritreriny momba ny tazo Obama ao India sy ny faniriany hiverina any Etazonia ho an'ny fifidianana ihany:

“I actually cried a little during Obama's speech. ….I got a little choked up during McCain's speech as well. Both made me realize that, while I enjoy traveling and seeing the world, I really do love the U.S. of A. And for a few minutes, I was tempted to email my old bosses to see if they'd take me back.”

“Nitomany kely aho nandritra ny kabarin'i Obama …. tohina kely aho nandritra ny lahatenin'i McCain ihany koa. Samy nahatonga ahy hahatsapa ny roa tonta fa raha mankafy mitety firenena sy mahita izao tontolo izao aho, dia tena tiako i Etazonia. Ary nandritra ny minitra vitsivitsy, dia nalaim-panahy handefa mailaka ho an'ireo lehibeko taloha aho mba hahalala raha mbola te-handray ahy izy ireo. “

Nikarakara fihaonana sakafo maraina (noho ny fahasamihafan'ny ora misy eo amin'i India sy Etazonia) mba hijery ny valim-pifidianana ny Democrats Abroad ahitana ireo mpila ravinahitra Amerikana ao Bangalore. Robin King ao amin'ny Bits From Bangalore mizara sary sasantsasany ary manoratra hoe:

“Here in India they are worried about protectionism with respect to outsourcing, but overall there is great hope of a more enlightened and less boorish role for US in the world.”

“Eto India dia miahiahy momba ny fiarovana ny tsena anatin'ny firenena manaja ireo fanomezana asa ny any ivelany isika, saingy amin'ny ankapobeny, misy ny fanantenana lehibe amin'ny anjara toeran'i Etazonia mitari-dalana kokoa ho amin'ny fahazavana sy tsy masiaka kokoa eto amin'izao tontolo izao.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.