- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Adihevitra momba ny fifanarahana nokleary India-Etazonia

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Atsimo, Etazonia, India, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2008)

Nandritra ny volana vitsy lasa izay dia nisy adihevitra mafana tao India momba ny fifanarahana nokleary nataony tamin'i Etazonia [1]. Vahaolana iray nanaovan'ny Praiminisitra Manmohan Singh [2] fandresen-dahatra mafy izany ary niezaka ny hahazo fifanarahana ara-politika. Raha ny marina, dia nilaza ireo mpandinika sy ny mpanara-maso sasany fa vonona amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka nasionaly Atoa. Singh, raha ilaina izany.

Tsy mankasitraka ny fifanarahana nokleary miaraka amin'i Etazonia ny antoko ankavia [3] tarihan'i Kamarady Prakash Karat, izay mpikambana ao amin'ny firaisambe lehibe an'ny governemanta ankehitriny. The Indian Political Blog [4] nanoratra hoe:

And then, suddenly, like a Jack in the Box suddenly popping out, the Congress and the Prime Minister appear to have outsmarted the Left.

Where does this leave the Left ? It has an alltime high of 59 MP’s, but Kerala is famous for changing its political mind quickly, and the Left suffered some major reversals in West Bengal local elections, thus ensuring that early next elections could see a much reduced Left MP count. Even now, it could almost seem like that they are no longer relevant.

Ary avy eo, tampoka, tahaka ny fipoiran'i Jack tao anaty boaty, toa nisintaka ny Ankavia ny Kongresy sy ny praiminisitra.

Aiza no hiafaran'ny Ankavia amin'izany? Manana solombavambahoaka maherin'ny 59 izy, saingy malaza noho ny fanovàna haingana ny toe-tsainy ara-politika i Kerala, ary nijaly fivadihana lehibe tamin'ny  fifidianana teo an-toerana tany Bengal Andrefana ny Ankavia, izay ahafahana nampihena be ny isan'ny solombavambahoaka Ankavia amin'ny fifidianana manaraka. Na dia ankehitriny aza, dia toa tsy misy dikany intsony izy ireo.

Tamin'iny herinandro lasa iny, afaka nahazo vato sy fanohanana ilaina ny governemanta na dia teo aza ny fanoherana nataon'ny antoko ankavia.

Manana hafatra mafonja i Touchbase [5] izay manala sarona ny fifanarahana Nokleary nifanaovan'i Etazonia sy India nanomboka tamin'ny fifanarahana 123 ka hatramin'ny fanoheran'ny antoko mpanohitra ankavia Indiana ny fifanarahana. Hoy izy nanoratra:

So the deal contains many loopholes when it comes to national security. But at the same time helps to satisfy India's growing need for power. So its going to be a tough time for this minority government to finalise a decision regarding the deal.

Araka izany dia ahitana zavatra banga maromaro momba ny fiarovam-pirenena ny fifanarahana. Saingy koa manampy amin'ny fanomezana fahafaham-po ny fitomboan'ny filàna angovo ao India. Noho izany, dia ho fotoan-tsarotra ho an'ity governemanta vitsy an'isa ity ny mandray fanapahan-kevitra farany momba ny fifanarahana.

Prof. T. T. Ram Mohan ao amin'ny Big Picture [6] manoratra fa ny fifanarahana nokleary India-Etazonia dia novaina ho fitsapana ny fitiavan-tanindrazana. Nanohy naneho hevitra roa mifanohitra momba ny fifanarahana nokleary izy ary namintina hoe:

Chellaney is right. This deal is about a strategic alliance ith the US to counter the rise of China, it is merely being presented as an energy proposition for political and diplomatic reasons. The real worth of the strategic alliance lies in the transfer of a whole range of advanced dual-use technologies- these technologies cannot be transferred unless India's status as a nuclear power changes.

Marina ny an'i Chellaney. Ity fifanarahana ity dia momba ny fiarahana ara-paikady (stratejika) miaraka amin'i Etazonia mba hanohitra ny fandrosoan'i Shina, naseho fotsiny ho tolo-kevitra momba ny angovo ho an'ny antony ara-politika sy ara-diplaomatika izany. Ny tena lanjan'ny  fiaraha-miasa stratejika dia ny famindrana ny teknolojia avo lenta isan-karazany  – ireo teknolojia ireo dia tsy azo afindra raha tsy miova ny satan'i India momba ny hery nokleary.

Misy ireo dingana maromaro sasany alohan'ny hankatoavan'ny Kongresy Amerikana ity fifanarahana ity. Ireto dingana ireto dia ahitana ny fahazoana fankatoavana avy amin'ny Masoivoho Iraisam-pirenena momba ny Angovo Atomika sy ny Vondrona Mpamatsy Nokleary.