- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Aziatika Atsimo miresaka momba ny loka Nobel-n'ny fandriampahalemana azon'i Obama

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, India, Pakistana, Sri Lanka, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2009)

Image credit http://www.flickr.com/photos/marcn/2174935053/ used under a creative commons license [1]

Sary nampiasaina araka ny lisansa creative commons http://www.flickr.com/photos/marcn/2174935053/ 

Ny Filohan'i Etazonia Barack Obama nahazo ny loka Nobel lehibe ho an'ny fandriampahalemana androany. Araka ny filazan'ny komitin'ny Nobel [2], nahazo izany izy noho ny “ezaka niavaka nataony hanamafisana ny diplaomasia iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny samy vahoaka”.

Fahagagana ho an'ny olona maro eto amin'izao tontolo izao izany. Eo amin'ny teoria, ity loka ity dia tokony homena ny olona na ny fikambanana niditra tamin'ny famahana ny ady mitam-piadiana nitarazoka. Saingy nisy ny fiavahana sasany tany aloha ary iray tamin'izy ireo i Obama hatramin'ny nanombohany ny asa maha-filoha azy raha notendrena tamin'ny volana febroary izy.

Mamintina [3] ny fanehoan-kevitra sasany avy amin'izao tontolo izao ny New York Times. Andeha hojerentsika ny fomba nanehoan'ireo bilaogera avy ao Azia Atsimo ny hevitr'izy ireo momba ny vaovao.

Avy any Bangladesh, misalasa i An Ordinary Citizen [4], manasokajy ny loka toy ny aloha loatra.

We appreciate his effort for peace which he just initiates and we have to wait for the result.
Isn’t it a bit premature for him to get the prize? We are not sure how it will affect his mindset.

Mankasitraka ny ezaka nataony ho an'ny fandriampahalemana izay vao natombony izahay ary mbola tsy maintsy miandry ny valiny isika.
Moa ve tsy aloha loatra ho azy ny nahazo ny loka? Tsy azontsika antoka ny fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fisainany.

Bilaogera Indiana Churumuri [5] manana fanontaniana tsotra:

Does Obama deserve The Prize? Has he done anything to warrant it? Does giving it to so young a man, in the infancy of his Presidency, devalue all those who worked long and hard to earn it? Or does it not matter at all, because the Nobel is such a political prize anyway (as anybody who has read Irving Wallace’s [6] The Prize will know), given to Yasser Arafat and Menachem Begin?

Mendrika an'io loka io ve i Obama? Nanao zavatra hanamarinana izany ve izy? Manome izany ho an'ny tanora mbola herotrerony, amin'ny fahazazany amin'ny Fiadidiana ny Prezidansa, manambany ireo niasa ela sy mafy mba hahazoana izany? Sa tsy misy dikany izany, satria ny loka Nobel dia toy ny loka ara-politika ihany koa (araka ny fantatry ny rehetra izay efa namaky ny Loka Irving Wallace [6]), nomena an'i Yasser Arafat sy Menachem Begin?

Mbola avy any India ihany, mpanohana an'i Obama i Zooni [7], nefa gaga ihany izy:

Ok before u get it wrong i am certainly not an Obama hater … i love him seriously, i had made a post congratulating him on his presidential win, but what the hell he won for what, he was 2
weeks in office when he was nominated (nominations ended on feb 1st). I guess obama won the nobel peace prize for great campaigning!

Eny; alohany tsy hahadiso anao, dia tsy mpankahala an'i Obama velively aho… tena tiako izy, nanao lahatsoratra nidera azy aho noho ny fandreseny ho filoham-pirenena, saingy inona ity zavatra azony ity, vao niasa 2 herinandro izy raha notendrena (nifarana tamin'ny 1 febroary ny fanendrena). Heveriko fa nahazo ny loka nobel-n'ny fandriampahalemana i Obama noho ny fampielezan-keviny goavana!

Avy any Pakistana, somary masiaka tamin'ny fanehoan-keviny [8] ny bilaogy Temporal at Baithak:

This may well turn out to be the watershed year in the decline of Nobel Prizes. What were the committee members eating or smoking?

President Obama may well deserve this award in years to come. But not at this time. He has just begun his strive and is yet to leave a mark on world peace.

Mety ho taona lehibe ho an'ny fitotongan'ny loka Nobel izany. Fa inona no nohanina sy nofohan'ireo mpikambana ao amin'ny komity?

Mety ho mendrika an'io loka io mandritra ny taona maro ny filoha Obama. Saingy tsy amin'izao fotoana izao. Vao nanomboka ny ezaka nataony izy ary tsy maintsy hamela marika amin'ny fandriampahalemana manerantany.

Ny blaogy Sri Lankey Indi.ca mihevitra fa [9] fa ity loka ity dia mety mandratra an'i Obama ao amin'ny fireneny:

I think Obama is definitely the coolest person walking the face of the earth today. However, I don’t think he’s done what he’s set out to do yet. The Nobel might theoretically help him, but it can also hurt domestically.

Heveriko fa i Obama no tena olona mahafinaritra indrindra hita amin'ny tarehiny eto an-tany. Na izany aza, tsy mieritreritra aho fa nahavita izay napetrany fa ho ataony izy. Ny Nobel dia mety hanampy azy ara-pitaovana, saingy mety hitera-doza ao an-toerana koa.

Sahirana ireo bilaogera madinika manerana izao tontolo izao androany tamin'ny fanehoana ny fahagagan'izy ireo rehefa avy nandre ny vaovao. Ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpisera Twitter avy ao Azia Atsimo:

@vijaysankaran: [10] Nobel Peace Prize is now like the Bharat Ratna [11]… it’s about who you are, not what you did-)

@tantanoo [12]: So Bush declares war, Obama lobbies peace and wins Nobel Peace prize. Nice algorithm I say.

santhemant [13]: “president of USA Obama gets Nobel Peace prize for active in WAR at so many places..supporting Pakistan and Ignoring democracies like India.

saniakhan [14]: dunno if I can support President Obama's win of the Nobel Peace Prize with the drones in #Pakistan still going on.

YusufKhan [15]: Guantanamo still open, drone bombings on Pakistan continue, the war in Iraq/Afghanistan still on, and Obama wins the Nobel Peace Prize. Yay.

@TinyToots [16]: I also want Nobel Peace Prize. Everyday I refrain from doing violence to so many people. Why is nobody nominating me?

@OldmonkMGM [17]: Pick the odd man out: The Dalai Lama, Mother Teresa, Martin Luther King, Barack Obama.

@vijaysankaran: [10] Ny Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana dia tahaka ny Bharat Ratna  [11]ankehitriny… mikasika ny hoe iza ianao, fa tsy izay nataonao-)

@tantanoo [12]: Nihantsy ady i Bush, mandresy lahatra ho an'ny fandriampahalemana i Obama ary nahazo ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana. Algorithm mahafinaritra hoy aho.

santhemant [13]: “Nahazo ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana ny filoha Amerikana, Obama noho izy mavitrika amin'ny ADY any amin'ny toerana marobe..manohana an'i Pakistan ary tsy miraharaha ny demaokrasia tahaka an'i India.

saniakhan [14]: tsy fantatro raha manohana ny fahazoan'ny filoha Obama ny Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana miaraka amin'ny drôna mbola mitohy ao #Pakistan aho.

YusufKhan [15]: Mbola misokatra i Guantanamo, mitohy ny fandarohana baomba amin'ny draona an'i Pakistan, mbola mitohy ny ady any Iraka/Afganistana, ary nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana i Obama. Yay.

@TinyToots [16]: Te-hahazo ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana aho. Isan'andro aho mitsahatra tsy hanao herisetra ho an'ny olona maro. Nahoana no manendry ahy ny olona?

@OldmonkMGM [17]: Fidio ny manivaka: Dalai Lama, Mamera Teresa, Martin Luther King, Barack Obama.