Miblaogy mikasika an'i India, NRIs, Bokkywood sy ny Cricket An-dranomandry

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2006)

Sasany amin'ireo zavatra jerentsika ao anatin'ity fanaovana bango tokana ity ny mpanangona blaogy vaovao, ohatrinona ny mividy trano ao Bangalore, ny NRI, ny Bollywood Anglisy, ny cricket an-dranomandry.

Nisy mpanangona blaogy iray vaovao tao India niaraka tamin'ny feo hafa. Tapaka ny rohy , fa tato no nahitàna azy ary nantsoina hoe Blog Bharti.

Vao navoaka vao haingana ny Tatitra momba ny Fivoaran'ny Olombelona (HDR) ho an'ny taona 2006. Manana famintinana tsara mikasika an'i India sy ny tatitra HDR i Alex Thomas ary manontany tena raha toa ka mba misy dikany ny sasany amin'ireo sosokevitra. Manoratra izy, ”Nilazaina im-betsaka ireo vahoaka Indiana fa mampihena ny fahantrany i India ary efa ambanin'ny 30% izany. Marina izany. Am-pahatsiarovana lalandava fa farafahakeliny, mila karama 2000 rupee isambolana ny fianakaviana iray mba hiainana tsara”

Ity misy fomba fijery hafa mikasika ny fiainana ao India ary ireo fanamby amin'ny fividianana trano. Manontany tena amin'ny fomba fividianan'ny olona trano ao Bangalore i Anita Bora. Hitany fa tsy manam-bola amin'izany izy. Fantatrao ve hoe ohatrinona ny iray metatra tora-droa ao amin'ity tanàna ity? 3.000 Rs, izay mitovy amin'ny 75$ eo.

Inona no zava-manjo an'ireo NRI na Indiana Tsy Mponina maharitra rehefa miverina ao India manao fitsidihana fohy ry zareo? Manodidina ny resaka hanina ny tontolo manontolon-dry zareo. Nanana lahatsoratra goavana i GV Krishnan tao amin'ny Desicritics, nitondra ny lohateny hoe: Mandalo Ao Amin'ny Kibony Ny Làlana Mankany Amin'ny Poketrambolan'ireo NRI, (tapaka ny rohy).

Efa miresaka ny NRI ihany, ity no zavatra lazain'i Brajesh avy ao amin'ny Scaling New Heights mikasika ny zavatra azony tao Amerika: fanajana mitovy ho an'ny asa rehetra ao Etazonia.

Mikisaka avy any amin'ny NRI mankany amin'ny Anglisy sy Indlish isika.

Antso Robo… tadidinao naheno izany fehezanteny izany tamin'ny fifidianana antenantenam-potoana Amerikana izay vao vita vao haingana eh? Manana fanazavana mikasika ny hoe inona izany “antso robo” izany ny Grandmastales ary vakiteny nahaliana izany (saingy indrisy fa tapaka koa ny rohy nankany).

Indlish. Hainao ve hoe inona izany Indlish izany? Eny ary, vakio ny lahatsoratry ny Plus Ultra mikasika izany. Fanoroana: misy idiran'ny Anglisy ilay izy.

Bollywood. Manana jery todika fohy mikasika ny sarimihetsika Indiana vaovao iray novokarina roa herinandro izay ny Route 79.

Nanana lahatsoratra tena nahaliana be mikasika ny Cricket An-dranomamy tao Estonia, niaraka tamin'ny sary i Huzaifa. Mba iza ary no nieritreritra ny cricket an-dranomandry?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.