- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambodza: Fimailo tsy maintsy ampiasaina ary famoretana manoloana ny fivarotantena

Sokajy: Kambodza, Myanmar (Birmania), Thailandy, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sendikà, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

sexworkers present on blip.tv(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2008)

Nampiasa ny Aterineto mba hampahafantarana ny toe-piainany sy ny ady atrehany hitakiana ny zony ireo kambodziana mpivarotena. Any Kambodza, mety ho miendrika hevitra tsara ilay lalàna manery ny fampiasàna 100% ny fimailo mandritra ny firaisana ara-nofo miaraka amin'ny mpanjifa, nefa nanohintohina an'ireo tokony ho narovany ny nampiasàna azy, ho toy ny fitaovana hanagadrana azy ireo : porofon'ny maha-mpivarotena ny fananana fimailo any amin'ny tena.

Nalefa any amin'ny ”foibe fanarenana” ireo mpivarotena voasambotra, izay tsy inona akory fa fonja ihany; izay hanidiana ireo vehivavy anaty efitrano iombonana tsy misy toerana fivoahana na rano mandeha, izay tsy anomezana azy ireo rano madio na sakafo, izay idarohana azy ireo sy anolanana azy, ary toerana izay handavana ny fitsaboana amin'ny VIH ho an'ireo mitondra ny otrikaretina.

Nanao andiana fanadihadiana maro mikasika ireo vokatry ny fandaharanasa fampiasana ny fimailo 100% ny Tambajotran'ireo Mpivarotena ao Azia sy Pasifika, araka ny fomba fijerin'ireo mpivarotena avy amin'ny firenena maro, toa an'i Kambodza, Tailandy ary Myanmar (Birmania). Azo atao koa ny mijery lahatsary nampiakarina tao amin'ny fantson'izy ireo. Manolotra fandaharana ihany koa ao amin'ny Blip.tv ireo Mpivarotena, indrindra ny lahatsary (etsy ambany) izay manazava ny vokatry ny fandaharanasa fampiasana 100% ny fimailo , miaraka amin'ny tafatafa fanadihadiana ireo vehivavy voasambotra ka nalefa tany amin'ny ”foibe fanarenana” izay tsy misy fampiofanana na iray aza, ary mikasika ny mahatonga ny fandaharanasa toy izany izay mampifandray ny fampiasana ny fimailo amin'ny fivarotantena tsy hahataona ny vahoaka mba hiaro ny tenany amin'ny VIH sy ireo aretina maro hafa azo mifindra amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo (MST) . Nandritra ny Fivoriana Iraisam-pirenena momba ny SIda natao tany Meksika tamin'ny fiandohan'ny volana Aogositra 2008, nahazo loka noho ny hetsika nataony hiadiana amin'ny VIH sy ny SIDA ny Tambajotran'ireo Mpivarotena ao Azia sy Pasifika, ary ho an'ny Zon'olombelona. Natsangana tamin'ny 1994 ity Tambajotra ity ary miasa miaraka amin'ireo mpivarotena mba hiarovana ny fahasalamany sy ny zony miaraka amin'ny fikambanana maro hafa toy ny Empower Thailand, Sweetly Japan, Pink Triangle Malaysia, Scarlet Alliance Australia ary ny Sonagachi.

Mitondra ny lohateny hoe Eo anelanelan'ny Tigra sy ny Voay [1] ity lahatsary [amin'ny teny anglisy] ity :