- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: #HashtagDebates (adihevitra momba ny tenifototra) sy Fanavaozàna

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Martsa 2011

Tao Makan [1] no natao ny #HashtagDebates [2] andiany faharoa nokarakarain'ny 7iber [3], tao Amman, tamin'ny harivan'ny 7 martsa. Mandray anjara amin'ny fanatevenana ny adihevitry ny daholobe teny anaty tambajotra sy ivelan'ny tambajotra, tamin'ny alalan'ireo fandaharana sy hetsika marobe ny 7iber, [3] media jordaniana tsy miankina, mifantoka amin'ireo tanora.

[4]

Avy amin'ny andian-tsarin'ny @7iber
[5]

Nanangona an'ireo feo izay niresaka mikasika ny maha-teratany sy ireo fanavaozana ao Jordania ny #HashtagDebates iny alina iny. Ireto ny bitsika vitsivitsy avy amin'ilay fihaonana:

@tarawnah [6]:
Mpiteny voalohany: @Linashannak manontany raha toa ny olana mikasika ny “fisafidianana tanindrazana” ka fialantsiny iray amin'ny tsy fisiana fanavaozana ao Jordania #reformjo? #hashtagdebates #JO

@Lina18 [7]
Mpiteny @jawadabbassi: ny andribe an'ny demokrasia dia rafitra iray fanarahamaso sy fampifandanjàna

Jawad Abbasi: tsy niasa hisian'ny demokrasia ireo antoko tamin'ny taona 50, fa niasa handrodana kosa ny fitondrana.

mpiteny @sufianobeidat: Mila manapa-kevitra ny fanjakana, didy jadona demokratika ve sa tena didy jadona tsotra izao?

@reemalmasri [8]: mpiteny @linashannak manontany hoe “nahoana aho no takian'ny governemanta handray ireo andraikitro ara-tsosialy sy amin'ny maha-olompirenena, fa tsy ireo zoko ara-politika?

@lama_b [9]
Ho an'ny @jawadabbasi,  tsy manana demokrasia ny tontolo Arabo saingy tsy mpitondra fotsiny ihany no nahatonga izany. Diso ihany koa ny fiarahamonina.

Mpiteny @sufianobeidat: sakana iray goavana tsy hisian'ny fanavaozana ao Jordania ny tsy fisiana fanarahamaso sahaza avy amin'ny fitsaràna

@7iber [10]

أنا بشعر أنو الأردن دولة بوليسية، و بعدنا بنخاف نحكي و ننتقد بالشارع، و صار الكل بدو يطلع برة “
Ny tsapako dia Fanjakana Polisy i Jordania, matahotra foana isika ny hiresaka sy hitsikera eny an-dalambe ary te-hivoaka any ivelany avokoa ny rehetra.

@JawazSafar [11]: tsy maintsy hatsaraina ny fifandraisana misy eo amin'ny Fanjakana sy ny governemanta ary ny vahoaka

@reemalmasri [12]:

اي اردني واعي لا يرى ان الأردن مقسوم الى اردني و فلسطيني و لكن فقراء و أغنياء ، من يستطيع دفع الضرائب و من لا
Izay Jordaniana tonga saina dia tsy mahita an'i Jordania voazara ho Jordaniana / Palestiniana, fa raha ny marina dia mahantra sy mpanankarena, ireo izay afaka mandoa hetra sy ireo izay tsy afaka.

@tarawnah [13]: Fitanisàna fa “dingana 10 any aoriantsika ny governemanta” tena marina, tena mitovy raha resaka faritra

@razano [14]: mikasika ny mri-pamantarana, nahoana ny Jordaniana iray no afaka sady ho Amerikana no Libaney ary Palestiniana?

@7iber [15]

دستور 52 بحرم التفرقة بين الأردنيي الأصل و الأردنيين من أصل فلسطيني
Raràn'ny lalàmpanorenana tamin'ny taona 1952 ny fanavakavahana eo amin'ireo teratany Jordaniana sy ireo teratany Palestiniana.

@Lama_B [16]

مدونة من اربد: الحوار نخبوي ولا يمت بصلة بمشاكل الاردنيين في المحافظات الذين يهمهم لقمة العيش فقط وليس الهوية الاردنية
blaogera avy ao Irbid (tanàna ao avaratr'i Jordania): Mpanavakavaka saranga ny adihevitra ary tsy miresaka ny olan'ireo Jordaniana any amin'ireo fari-piadidiana sahirana mitady sakafo ho eo an-databatra fa tsy izay maha-Jordaniana.

@7iber: [17]

@rimasaifi: يجب أن ننقل الحوار إلى أبعد من عمان الغربية
Tokony ahisantsika ivelan'i Amman andrefana ny fifanakalozan-kevitra

@moalQaq [18]

احد الحاضرين: مادة التاريخ في مدارس الوزاره هي غسيل مخ وتحتاج لتغيير جذري
Iray amin'ireo mpandray anjara: ny fandaharam-pampianarana ny tantara any amin'ireo sekolim-panjakana dia ahitana fanasàna atidoha ary mila fanovàna ifotony.

@BilalAbuzeid [19]
Zavatra heno sy resahintsika ny fangaharahana, saingy tsy misy mampihatra azy akory … mahamenatra.

@DanaZkat [20]
Ny hevitro dia izao, na misy aza ny fanavaozana ara-politika, hisy foana ao  #Jo sy any ivelany ireo fanamby ara-toekarena

@AhedAlAdwan [21]
Mitovy hevitra aminareo i @DanaZkat, mbola betsaka ny miandry antsika, ny hanoanana sy ny toekarena, ny fitoviana, ny maripamantarana, ny fiainana ara-politika mifototra amin'ireo antoko, fifidianana…

Mba ho fanampim-panazavana misimisy kokoa, azafady araho ny fikarohana Twitter #HashtagDebates, tsiriho ity pejy nokarakarain'ny Meedan ity [22], sy ny fifanakalozan-kevitra ao amin'ny 7iber.com [2].