- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antso Ho An'ny Fisoratana anarana: Vovonana An-tampony amin'ny Fifaninanana ao Etazonia

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2005)

Salama daholo oh,

Te-hanambara ny fanokafana ofisialy ny Vovonana An-tampony amin'ny Fifaninanana ao Etazonia aho. Hetsika ofisialy iray amin'ny Fihaonana An-tampony Maneran-tany mikasika ny Orinasan'ny Fampahalalambaovao [1] (WSIS), hisy any aminà firenena mihoatra ny 150 manerana izao tontolo izao ilay Fifaninanana An-tampony [2]. Miasa toy ny mpandrindra amin'ilay fifaninanana ao Etazonia aho.

Mitady firotsahana ho an'ireo tranonkala tsara indrindra avy ao Etazonia ao amin'ireto sokajy manaraka ireto izahay:

e-varotra
e-kolotsaina
e-fialamboly
e-governemanta
e-fahasalamana
e-fampiatiana
e-fianarana
e-siantsa

Namory ekipanà mpilatsaka an-tsitrapo mihoatra ny roa ambin'ny folo aho, mahasolo tena andianà fahafehezana manokana ny resaka votoaty amin'ny aterineto. Hanadihady ireo filatsahana ireo izahay ary hisafidy mpandresy iray isaky ny sokajy; avy eo hisolo tena an'i Etazonia mandritra ilay fifaninanana manerantany ilay mpandresy.

Tsy maintsy apetraka alohan'ny amin'ny 30 Mey 2005 ireo firotsahana rehetra. Hambara amin'ny 1 Jolay 2005 ireo mpandresy.

Iangaviana ianao tsy hisalasala hizara ilay ROHY ary hanaparitaka fanasana ho an'ireo mpiara-miasa aminao mba handefa tranonkala ho an'ilay fifaninanana. Mba hahitana ilay fifaninanana WSA ao amin'ny firenenao, tsidio ny www.wsis-award.org [3].-

Andy Carvin, Digital Divide Network