- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#QanoonSabKayLiye: Hetsika amin'ny media sosialy mampiroborobo ny fanentanana momba ny lalàna ao Pakistan

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
[1]

Fandikan-dalàna ny fanerena olona hiasa tsy amin'ny sitrapony, azo saziana an-tranomaizina izay mety haharitra hatramin'ny 5 taona, na onitra na izy roa mitambatra. (Fizarana 374 (1) ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana Pakistan). Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Camp Insaaf.

Laharana farany  [2]amin'ny sokajy rafi-pitsarana sivily i Pakistan. Milaza ny fikarohana momba ny Tetikasa Ara-pitsarana Manerantany [3] 2017 notontosaina tamin'ny fiarahamiasa amin'i Gallup Pakistan fa tena ambany loatra ny fitokisana ny rafi-pitsarana eo amin'ireo Pakistaney ary tsy mahavita mandamina na dia sombiny amin'ny fifandirana kely izay tokony ho voavaha ny rafi-pitsarana tohanan'ny fanjakana. Na dia izany aza, mikendry ny hanova ny toe-draharaha amin'ny fampitomboana ny fahaizana momba ny lalàna ao Pakistana ny fanentanana amin'ny media sosialy mampiseho ny tenirohy #QanoonSabKayLiye [4] (Lalàna ho an'ny rehetra) .

Natomboky ny Insaaf Camp, [5] fikambanana mikarakara atrikasa momba ny fanentanana mikasika ny lalàna sy ireo toby eny ifotony ny fanentanana. Tetikasan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa, ​​Courting the Law [6] izay vavahadin-tserasera mikasika ny toro-lalana momba ny lalàna izany. Raha ny marina dia andianà lahatsoratra Facebook sy Twitter manazava ny zo sy ny adidin'ny olom-pirenena ao amin'ny Lalàmpanorenan'i Pakistana ny fanentanana #QanoonSabKayLiye [7]. Tafiditra ao anatin'ny fanentanana ny lalàna mifandraika amin'ny fanambadiana, ny fanorisorenana ara-nofo, ny fifamoivoizana, ny kolikoly sns.

Manomboka fanentanana amin'ny media sosialy ny Insaaf Camp, #QanoonSabKayLiye [8], natao hampianatra ny vahoaka ny lalàna mikasika ny zon'izy ireo ao Pakistan. Handrakotra sehatra lelibe amin'ny lalàna tahaka ny heloka bevava, ny fianakaviana, ny fananana ireo andian-dahatsoratra, ary ireo sehatra hafa manan-danja eo amin'ny andavan'androm-piainanao amin'ny fomba tsotra tsy mitaky fahaizana lalàna vao hahatakarana azy. Mba hanombohana izany, eo amin'ny Andininy faha-8 amin'ny lalàmpanorenan'i Pakistan 1973, tsy afaka manao lalàna tsy mifanaraka amin'ny zo fototra (And 8-28) ahitana ny lalàmpanorenana ny governemanta. Hazavaina amin'ny lahatsoratra manaraka ireo zo ireo.

Fandikan-dalàna ny fanomezana porofo sandoka fanahy iniana amin'ny dingana ara-pitsarana, azo saziana an-tranomaizina mety haharitra hatramin'ny 7 taona ary koa onitra. (Fizarana 193 amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana  Pakistana)

Farhan Shafi; mpiara-manorina ny Toby Insaaf. Nahazoana alalanat.

Niresaka tamin'i Farhan Shafi [15], mpiara-manorina ny Toby Insaaf momba ny fanentanan'izy ireo #QanoonSabKayLiye [4] ny Global voices. Hoy i Shafi:

Our aim is to increase access to justice and spread legal awareness in Pakistan and to disseminate legal knowledge. Our idea was to post about law in a way a common person can easily understand. We wanted them to know what obligations they have under law and what rights are to be protected by the state. For this purpose, we post both in Urdu and English to avoid any language barriers.

Ny tanjonay dia ny hampitombo ny fahazoana ny rariny sy hanaparitaka fanentanana momba ny lalàna ao Pakistana ary hampiely fahalalana ny lalàna. Ny hevitray dia ny handefa lahatsoratra momba ny lalàna amin'ny fomba mora takarin'olon-tsotra. Tianay izy ireo hahafantatra ny adidin'izy ireo amin'ny lalàna sy ny zo izay tokony arovan'ny fanjakana. Ho an'ity tanjona ity, dia mandefa amin'ny teny Urdu sy amin'ny teny Anglisy izahay mba hialana amin'ny sakana rehetra.

Hoy koa izy:

We want our posts to reach more people in rural areas and we have been successful in that, so far. Urban developed cities like Lahore, Islamabad, Quetta, Peshawar and Karachi only form 29% of our following – this puts 71% of people following our page in lesser developed cities and rural areas. With more than a million people reached, we feel confident that we are reaching our intended audience.

Tianay hipaka any amin'ny olona maro any amin'ny faritra ambanivohitra ny lahatsoratray ary nahomby tamin'izany izahay hatramin'izao. Tsy misy afa-tsy 29% amin'ny mpanaraka anay ihany no avy any an-tanàn-dehibe mandroso toa an'i Lahore, Islamabad, Quetta, Peshawar ary Karachi, ka avy amin'ny tanàna madinika sy faritra ambanivohitra ny 71% ny olona manaraka ny pejinay. Amin'ny fahatrarana olona maherin'ny iray tapitrisa, matoky izahay fa hahatratra ny isan'ny mpihaino kendrenay.

Rehefa nanontaniana momba ny fanehoan-kevitra voaray mahakasika ny fanentanana, dia nanambara i Shafi hoe:

The response has been far higher than what we had expected. Our posts are on average being actively engaged by almost 1,800 people each time we post. A lot of people, mostly women, have reached out to us with their legal queries and issues via private messaging. We have tried to accommodate them as far as possible right now but due to this response, we have sped up the launch of our upcoming projects which will be dedicated towards answering legal queries for free and connecting those who require legal help with relevant lawyers and organisations.

Avo lavitra tsy araka ny nantenainay ny valinteny. Nampiasain'ireo olona efa ho 1800 am-pivitrihana ny lahatsoratray isaky ny mandefa lahatsoratra izahay. Olona marobe, vehivavy ny ankamaroany no efa natoninay tamin'ny alalan'ny hafatra manokana mba hangataka toro-hevitra momba ny lalàna. Niezaka ny hanangona azy ireo araka izay azo atao izahay amin'izao fotoana izao, saingy noho ity valinteny ity, dia nohafainganinay ny fanombohana tetikasa vaovao izay natao hamaliana ireo fangatahana momba ny lalàna maimaim-poana ary mampifandray ireo izay mila fanampiana ara-pitsarana amin'ireo mpisolovava sy fikambanana azo antoka .

Nahazo tsikera ihany koa anefa ny fanentanana:

Some feedback we have received has been concerns on the lack of enforcement of the laws we post. While solving this completely will take time, we aim to launch other social media campaigns which will be aimed at enforcement of laws and providing justice to victims. We will raise awareness on instances of human rights abuses in Pakistan and bring them to the notice of the relevant authorities. We will also post a follow up when action is taken to ensure that society is aware of laws being actively enforced.

Ny fanehoan-kevitra sasany azonay dia ahiahy mikasika ny tsy fahampian'ny fampiharana ny lalàna alefanay. Na dia mandany fotoana aza ny famahana izany, dia mikasa ny hanangana fanentanana hafa amin'ny media sosialy izahay izay mikendry ny hampihatra lalàna sy hanome rariny ireo niharam-boina. Hanaitra ny sain'ny olona momba ny tranga fanitsakitsahana ny zon'olombelona any Pakistana izahay ary hitondra izany any amin'ny manam-pahefana mahefa. Hanolotra fanampim-panazavana ihany koa izahay rehefa misy fepetra raisina mba hahazoana antoka fa mahafantatra ny lalàna izay ampiharina matetika ny fiarahamonina:

Na dia izany aza, manantena hieli-patrana ny tetikasa:

This campaign is a part of a much larger effort. We require a lot of effort and we invite volunteers as we know that actions like these can go a long way when done by many.

Ity fanentanana ity dia anisan'ny ezaka lehibe kokoa. Mitaky ezaka be dia be izahay ary manasa ireo mpirotsaka an-tsitrapo satria fantatray fa ny hetsika tahaka izao dia afaka mandeha lavitra rehefa olona maro no miara-mifarimbona.