- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: 20 taonan'ny sarimihetsika sy sarimiaina “El Mate” maimaim-poana any an-tsekoly

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fanabeazana, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2008)

Escuela de cine el Mate
Nandritra ny 20 taona mahery, ankizy sy zatovo Arzantiniana an-jatony maro no nianatra momba ny fanaovana horonantsarimihetsika sy sarimiaina izay tafiditra ao anatin'ny fandaharana Taller de Cine El Mate [1], ary ahafahan'ireo ankizy avy ao amin'ny kaominina Vicente López ao Buenos Aires mandray anjara sy mitrandraka ny dingana fanaovana filma maimaim-poana.

Nanomboka ny asan'izy ireo tamin'ny atrikasa maimaim-poana “El Mate” tao amin'ny Trano Ara-kolontsaina Vicente López i Irene Blei sy i Lucía Cano, izay nianatra fampianarana sy famokarana horonantsary, ary nanolo-tena hampianatra ny ankizy ny fomba fanatontosana filma sy fampiasana kamera ary ny famoronana mba hanatontosan'izy ireo ny horonantsarin'izy ireo manokana. Ny governemanta ao an-toerana no mandoa ny saram-pampianaran'ny sekoly toy ny karama, ny herinaratra, ny finday ary ny faktioran'ny gazy; mba hividianana fitaovana sy zavatra enti-miasa antenain'izy ireo amin'ny fanomezana, hetsika fanangonam-bola ary ny fivarotana DVDn'ny sarimihetsika fohy nataon'izy ireo efa nahazo loka.

Tamin'ny volana oktobra lasa teo, nahazo ny loka El Drako ny Escuela de Cine el Mate nandritra ny Fetiben'ny Sarimihetsika sy Lahatsary Amerikana Latina Buenos Aires [2], noho ny horonantsary fanadihadiana sy ny tetikasan'izy ireo “With our fingers, an online Blog (amin'ny rantsantananay, bilaogy antserasera)”, tetikasa ahitana ankizy maherin'ny 2000 avy amin'ny sekolim-panjakana samihafa ao amin'ny faritra izay namorona marika amin'ny fiainan'izy ireo andavanandro, mampiseho ny rantsantanan'izy ireo sy ny tanan'izy ireo amin'ny endrika samihafa.

Ny lahatsary fohy “Con los Dedos” [3]dia mampiseho ny dingana nodiavin'ny ankizy, manao an-tsary ny hevitr'izy ireo, manamboatra fitaovana ary avy eo maka izay sary ilaina. Ny marika rehetra, ny sary sy ny horonantsary dia azo jerena ao amin'ny bilaogin'ny atrikasa Con los Dedos [4]. Nanontany an'i Irene Blei ny fomba nahavitan'izy ireo nampandeha ity sekoly misokatra maimaim-poana ity nandritra ny 20 taona mahery aho:

Llevar adelante esta actividad siendo gratuita ha sido más que difícil, pero no imposible. Fue cuestión de evaluar y hacer consecuentemente, y tal vez tiene mucho que ver con la tolerancia o la flexibilidad. En primer lugar, porque hubo una premisa de partida con respecto a trabajar con lo que hay a disposición alegría y dedicación.
Esto quiere decir: se usa lo que se tiene: súper 8, VHS, un clon de PC Pentium 1 … y cuando hay mejores posibilidades por supuesto también se aprovechan.

Tena sarotra, fa tsy hoe tsy vita ny fihazonana ity asa ity ho maimaim-poana. Resaka fanombanana ary avy eo manao zavatra mifanaraka amin'izany, ary angamba misy ny zavatra maro natao tamin'ny fandeferana sy ny fahalefahana. Tamin'ny voalohany, dia nisy ny fiheverana fa hiasa amin'ny zavatra rehetra anananay tamim-pifaliana sy fanoloran-tena izahay.
Midika izany fa: mampiasa izay anananay izahay: super 8, VHS, PC tsotra Pentium 1… ary mazava ho azy, rehefa manana ny fepetra [ho an'ny fitaovana tsara kokoa] izahay dia manararaotra izany.

ElMate [5]

“Under the Same Moon” dia sarimiaina fohy ahitana fifanakalozan-kevitra malalaka [5]. Milaza ny tantaran'ny vondrona mpinamana izay napetraka tamin'ny lavaka samihafa, ary ny filàn'izy ireo ho afaka sy ny fonjan'izy ireo tsirairay avy, fampahatsiahivana mampitolagaga ny Ady Maloto niainana tao Arzantina [6]. Raha mijery hatramin'ny farany ianao dia hahita sary misy ny dingana nampiasain’ ireo ankizy maka sary sy manatontosa ny sarimihetsika. Tsindrio ny sary raha te-hijery ny lahatsary ianao.

Nampiditra lahatsary maherin'ny 114 tao amin'ny Youtube ny Taller de Cine El Mate [7], izay vokatra sarimiaina sy vokatra azo avy amin'ny hetsika tena izy, izay noforonina, novokarina, nalaina sy navoakan'ireo mpianatra. Nanao fanadihadiana ihany koa izy ireo tamin'ny lasa, toy ny filma nivoaka tamin'ny taona 1988 momba ny sekoly  [8]saingy ny ankamaroan'ny ezak'izy ireo dia natao mba hamporisihana ny fahaiza-mamorona sy ny famoronan-javatra eo amin'ireo mpandray anjara, fahaizana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny sehatra hafa eo amin'ny fiainan'izy ireo. Samy hafa, fa tsy tantara fotsiny ny horonatsarin'izy ireo, fa fahaizana ampiasaina hanatanterahana izany koa. Jereo ny sarimiaina nataon'izy ireo momba ny extra terrestre [9], ny sarimiaina fohy zon'ny ankizy [10] manohitra ny fanararaotana, ary ny sarimiaina natao sary an-tanana momba ny fomban-drazana eo an-toerana miaraka amin'ny namana mpiara-misotro [10].