Sahara Andrefana: Adihevitra mikasika ny sarintanin'i McDonald

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka desambra 2008)

Niatrika adihevitra ny sampan'ny McDonald Maraokana tamin'ny herinandro lasa taorian'ny namoahany kilalaon'ankizy “Happy Meal” izay ahitana sarintanin'i Maraoka. Ny sisintany eo amin'ny sarintany dia manasaraka an'i Sahara Andrefana amin'i Maraoka; Faritany ifandiran'i Maraoka sy ny Front Polisario tohanan'ny Alzeriana i Sahara Andrefana. Nifarana ny disadisa tamin'ny Sampana Maraokana namoaka fialantsiny ho an'ny olom-pirenena ao Maraoka.

Na dia mangina momba ny olana aza ny bilaogera Maraokana, naneho hevitra momba ity tantara ity ny tontolon'ny bilaogy Saharaoy tandrefana sy ny namany. Nanoratra momba ny fialan-tsiny i Nick Brooks, izay mifantoka indrindra ao amin'ny faritra ny bilaoginy Sand and Dust:

I guess this is understandable – small considerations such as respect for international law and UN resolutions, and squeamishness about territorial aggression, occupation of neighbouring territories, and widespread human rights abuses obviously take a back seat when it comes to the important business of selling burgers and making lots of money.

Mieritreritra aho fa mora takarina izany -mitazona toerana farany ny fiheverana kely toy ny fanajana ny lalàna iraisam-pirenena sy ny fanapaha-kevitry ny Firenena Mikambana, ary ny fialantsiny momba ny herisetra an-tanindrazana, ny fibodoana ireo faritany manodidina ary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona amin'ny ankapobeny raha mikasika ny fandraharahana lehibe amin'ny fivarotana hamburgers sy ny fahazoana vola be.

Goufia, bilaogera am-pielezana monina ao Canada, miantso ny hanaovana ankivy ny McDonald miaraka amin'ireo bilaogera hafa:

We learned from the press (01.12.08) that McDonalds Moroccan subsidiary has withdrawn some ‘Happy Meal’ toys including a map with the legally recognized borders between Western Sahara (WS) and Morocco, pretending to replace them with other toys with a map including WS inside Moroccan borders. This would mean a clear violation of International Law.As you are surely aware, WS is a Non-Self-Governing Territory as declared by the UN, militarily invaded and occupied by force by Morocco, whose sovereignty is recognized neither by UN nor by any country in the world. Morocco systematically violates human rights of Saharawi citizens, refusing to accept several UN resolutions and preventing their right to self-determination. This attitude of McDonalds Moroccan subsidiary discredits McDonalds image and reputation.We urge McDonalds to take the necessary actions to ensure that their Moroccan subsidiary respects and does not violate International Law on behalf of McDonalds…

Fantatray tamin'ny gazety (01.12.08) fa nanaisotra ny sasany tamin'ireo kilalao “Happy Meal” ny sampan'ny McDonalds Maraokana, ka anisan'izany ny kilalao sarintany ahitana ireo sisintany ankatoavina ara-dalàna ao Sahara Andrefana (SA) sy Maraoka, mihevitra ny hanolo azy ireo amin'ny kilalao hafa miaraka amin'ny sarintany ahitana an'i SA ao anatin'ny sisintany Maraokana. Midika izany fa fanitsakitsahana mazava ny Lalàna Iraisam-pirenena. Araka ny efa fantatrao, Faritany tsy mizaka tena i SA araka ny nambaran'ny Firenena Mikambana, feno tafika Maraokana sy bodoin'i Maraoka an-keriny izy, izay tsy ankatoavin'ny Firenena Mikambana na ny firenena manerantany ny fiandrianany ao. Manitsakitsaka tanteraka ny zon'olombelona Saharawi i Maraoka, mandà tsy hankatoa ireo fanapahan-kevitra maromaro avy amin'ny Firenena Mikambana ary manakana ny zon'izy ireo (SA) mba hahaleotena. Manimba ny endrika sy ny lazan'ny McDonalds ity fihetsiky ny sampan'ny McDonalds Maraokana ity. Mandrisika ny McDonalds izahay mba handray ny fepetra ilaina hiantohana fa manaja sy tsy manitsakitsaka ny lalàna iraisam-pirenena amin'ny anaran'ny McDonalds ny sampany Maraokana …

Azo jerena ao amin'ny bilaogin'i Sahara Resiste ny lahatsoratra amin'ny teny frantsay sy espaniola momba ny fanaovana ankivy. Azo jerena ato kosa ny sarintanin'ny Firenena Mikambana misy an'i Maraoka sy i Sahara Andrefana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.