- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

/ Pakistana: Fialofana ho an'ireo tra-boina noho ny horohorontany

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Mitondra ny anarana hoe ”Tranolay Ho an'ny Horohorontany,” natomboka ny hetsika fisantarana iray nandritra ireo roa herinandro farany teo mba hanangonana fanampiana ara-bola ary hanaparitaka azy ireny haingana indrindra mba hividianana sy hizarana tranolay any Pakistana amin'ny alalan'ireo tambajotra fitsinjaràna mahomby. Tranolay natokana ho an'ireo tanàna kely tsy nisy masoivoho mpanao fanampiana nanampy, noho ny haben'ilay loza sy ny fahasarotan'ny làlana, ary izay atorian'ny olona amin'ny maripàna ambanin'ny aotra, manao tafo lanitra rehefa alina sady tsy misy fialofana.

Tanterahan'ny vondrona mpinamana vitsivitsy manerana an'i Pakistana, Etazonia sy Royaume-Uni ity hetsika fisantarana ity. Ahitana tanora matihanina sy mpianatra nahazo diplaoma ambony, nandrakitra ny fivoarany tamin'ny fomba tsotra ity vondrona ity tao amin'ny blaogy TentDrive [1]

Mifantoka amin'izao ilay vondrona -
1) Manangona sy manaparitaka ireo fanampiana, indrindra ireo fanampiana ara-bola avy any Etazonia mankao Pakistana
2) Mitady làlana tena mety hahazoana entana avo kalitao, indrindra fa tranolay
3) Mahita sy mametraka tambajotra fanapariahana mahomby ary miantoka ny fanarahamaso

Napetraky'ilay vondrona ny paikady misy takelaka telo hanangonana famatsiam-bola sy hanatratrarana ireo olona voakasika no sady mividy ihany koa karazana tranolay maro hita ao Pakistana. Bebe kokoa mikasika ny paikadin-dry zareo eto [1].