- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India, Pakistana: Nosokafana Mba Hanampiana Ireo Tra-boina Tamin'ny Horohorontany Ny Sisintany ao Kashmir

Sokajy: Azia Atsimo, India, Pakistana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Hetsika iray tsy mbola fahita, neken'i India sy i Pakistana androany maraina ny hanokatra ilay sisintany tena voaarona miaramila sesehena sady ifandroritana be ao amin'ny faritr'i Kashmir mba ho an'ny fanampiana. Hosokafana any aminà fiampitàna 5 ny LOC (Line of Control na Làlana Fanarahamaso ). Niarahaba ilay fifanarahana nifanaovan'i Pakistana sy India ihany koa i Rashid Khalikov, mpandrindra ny maha-olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana tao amin'ilay faritra nisehoan'ny horohorontany, niantso izany ho toy ny ‘dingana tsara ao anatin'ity toedraharaha mampivarahontsana ity”. Hanome fahafahana hampivelatra ny fanampiana amin'ny maha-olombelona izany ho any an'ireo olona voakasika any amin'ireo tanàna lavitra manamorona akaiky ny Lalana Fanarahamaso.

Manomboka amin'ny 7 Novambra ny fanokafana ireo sisintany. Afaka mizotra amin'ny lalana roa ireo entana fanampiana ary atolotra ireo manampahefana eny an-toerana ao amin'ireo fihaonan-dalana, hoy ilay fanambarana iraisana. Hahazo alalana handingana izany an-tongotra ny olontsotra, izay ny fianakaviana voasarak'ilay sisintany no mahazo ny laharampahamehana.

Hitovy amin'ireo napetraka tany am-piandohan'ity taona ity ireo dingana mba hiampitàna ilay sisintany rehefa novelomina indray ilay tolotra fitateram-bahoaka ara-tantara izay mampifandray ireo renivohitra roa an'i Kashmir [1], Muzaffarabad [2] sy Srinagar [3]. Tsy maintsy hangataka fahazoandalana avy amin'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta any amin'ny andaniny roa tonta ireo olona maniry ny hiampita mba hanamarinana ny maha-izy azy marina.

Homena alalana ao amin'ireo tanàna an-tsisintany Indo-Pakistaney, Nauseri-Teethwal, Chakothi-Uri, Hajipur-Uri, Rawalakot-Poonch, ary any Tattapani-Mendhar ireo fiampitàna dimy.

Loharano: China Post [4] avy amin'ny Fanampiana Amin'ny Horohorontany ao Azia Atsimo [5]