- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Karatra mandiso fanantenana

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Voina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2010)

[1]

Ny governoran'i Punjab, Salmaan Taseer mizara karatra Watan ho an'ireo tra-boina tamin'ny tondra-drano. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr Salmaan Taseer. CC BY-NC-SA 

Noresahana betsaka ny tantaran'ny tsy fahaizana mitantana [2] ireo fanomezana nangonina ho fanampiana ireo tra-boinan'ny tondra-drano tany Pakistana. Tsy izay ihany, fa nampametra-panontaniana ihany koa ny fomba fizarana ireo fanampiana sy ny fampiasana ireo vola tamin'ny tanjona hafa. Iray tamin'ireo hetsika mampiady hevitra toy izany ny  programa  “Watan Cards [3]” (ara-bakiteny hoe karatra nasionaly na kara-pirenena), izay amoahana sy hanomezana karatra elektronika mandeha amin'ny VISA ho an'ireo tra-boina tamin'ny tondra-drano. Mety ho tsotra dia tsotra ny vahaolana, nefa be dia be ny fahasarotana sy ny olana tafiditra tamin'izany.

Tsy ny fampiasana ihany, fa nahasosotra ihany koa ny famoahana ireo karatra ireo. Taha Kehar ao amin'ny Pak Tea House nanoratra hoe [4]:

In the month of October, there have been various controversies surrounding the issuance of Watan Cards. It has become exceedingly difficult to acquire a Watan Card. Mob tendencies have intensified as a result of which the constabularies have been forced to take extreme action. The events that led to the death of one man when police personnel issued a baton-charge in the Shehr Sultan region of South Punjab, exemplifies the extremities of such a reaction.

Ny volana Oktobra, nisy adihevitra samihafa manodidina ny famoahana ny Karatra Watan. Nanjary sarotra be ny nahazo karatra Watan. Nihamafy ny fironan'ny vahoaka, ka nahatonga ny zandary tsy maintsy nandray fepetra henjana. Maneho ny fihoara-pefy ny fihetsika toy izany ny zava-nitranga izay nitarika fahafatesana lehilahy iray tamin'ny namoahan'ny polisy kibay tao amin'ny faritra Sheh Sultan any Punjab Atsimo.

Ary mba hanampiana trotraka ny toe-draharaha, nisy ny tatitra momba ny fivarotana karatra Watan, araka ny nampahafantaran'i [5] Tazeen tao amin'ny bilaogy The Pak Spectator:

Sources in Nadra said a careful examination of the ATM transaction through Watan Cards showed that in several cases, cash was withdrawn from ATM machines in big cities which were far away from the districts of persons to whom the cards were issued.

The sources said a large number of Watan Cards were sold and the government had started a high-level probe into the matter. There were reports that many people sold their Watan Cards for Rs 25,000 to Rs 30,000 in Rahimyar Khan, Muzaffargarh, Jacobabad and other interior Sindh districts.

Nilaza ny loharanom-baovao ao Nadra fa nampiseho ny fanadihadiana malina momba ny fifampitam-bola ATM (milina fakàna vola) tamin'ny alalan'ny karatra Watan fa amin'ny tranga marobe, nalaina tao amin'ny milina fakàna vola ao an-tanàn-dehibe izay lavitry ny distrikan'ireo olona namoahana ny karatra ny vola.

Nilaza ny loharanom-baovao fa nisy karatra marobe namidy ary nanomboka fanadihadiana lalina momba ny raharaha ny governemanta. Nisy ny tatitra fa olona maro no nivarotra ny karatra Watan azy ireo tamin'ny vidiny 25000 Rs hatramin'ny 30,000 Rs tao Rahimyar Khan, Muzaffargarh, Jacobabad sy ireo distrika anatiny ao Sindh.

Ankoatra izany, nisy ny tatitra sy ny resabe tao amin'ny media sosialy momba ny fanakanan'ny governemanta provinsialy ny karatra Watan mba ho ampiasaina amin'ny tanjona tian'izy ireo manokana. Marvi Sirmed, mpanoratra, nandrisika [6] ny hanaovana fanadihadiana araka ny tokony ho izy:

I invite some of the holy anchors/reporters to investigate why Punjab MNAs are trying to block Watan Cards, like they did with BISP [7] forms?

Manasa ny sasany amin'ireo mpitati-baovao sy mpanadihady aho mba hanadihady ny antony mahatonga ny Punjab MNA miezaka manakana ny karatra Watan, toy ny nataon'izy ireo tamin'ny endrika BISP [7]?

Toa ireo mpiray ombon'antoka nandray anjara no mahazo tombotsoa tamin'ny ankamaroan'ireo tetikasa natomboka ho an'ny niharan'ny tondra-drano. Raha heverintsika fa hevitra tsara ny famoahana ny karatra Watan azo amin'ny ATM, mandeha amin'ny VISA ho an'ny olona tra-boinan'ny tondra-drano, izay tsy manana fidirana akory amin'ny milina ATM, dia tena marina fa ratsy ny fitantanana izany.

Ny tena zava-dratsy dia lehibe ny fahadisoam-panantenana teo amin'ireo niharan'ny tondra-drano izay mahatonga azy ireo hanao zavatra fotsiny ho an'ny sakafo sy ny fanampiana entana.