Malezia: Orinasa roa voatonona ao amin'ny antontan-taratasy Wikileaks tafaporitsaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2010)

Ny famoahan'ny Wikileaks ny “telegrama diplaomatika” Amerikana mahakasika ireo orinasa Maleziana roa izay voalaza fa nandray anjara tamin'ny tambajotra fehezin'i Iran mba hividianana teknolojia balafomanga avy any Shina ‘saingy tsy niteraka resabe teo amin'ireo olom-pirenena, fa niteraka fifantohana bebe kokoa amin'ny raharaha anatiny.

Na izany aza, bilaogera Melvin Mah nanome ny ampahany tamin'ny antontan-taratasy Wikileaks izay miresaka an'i Malezia.

In December 2009, we shared with you information regarding attempts by the Malaysia-based firm Electronics Component Limited (ECL) to buy TRS-500 gyroscopes from the Chinese firm VibTel Industrial Co. Inc.

We now want to provide you with additional information indicating that ECL is part of a network of Iranian-controlled front companies that includes the Iranian firm Shahin Sefid Esta and the Malaysia-based front company Skylife Worldwide Sdn Bhd.

This network procures sensitive goods on behalf of a number of Iranian entities of proliferation concern, including the Shahid Hemmat Industrial Group (SHIG), which is Iran's primary developer of liquid propellant ballistic missiles, and Heavy Metal Industries, a front company for the tactical missile developer Ya Mahdi Industries.

Tamin'ny volana desambra 2009, nizara vaovao taminareo momba ny fikasan'ny orinasa Electronics Component Limited (ECL) ao Malezia hividy gyroscopes TRY-500 avy amin'ny orinasa Shinoa VibTel Industrial Co. Inc izahay..

Te hanome anao vaovao fanampiny izahay ankehitriny, izay milaza fa ny ECL dia tafiditra ao anatin'ny tambajotran'ireo orinasa fehezin'ny Iraniana izay ahitana ny orinasa fanaraha-maso Shahin Sefid Esta Iraniana sy ny orinasa fanaraha-maso ao Malezia, Skylife Worldwide Sdn Bhd ao Malezia.

Manangona entana saro-pady amin'ny anaran'ny sampana Iraniana maromaro mampiahiahy io tambajotra io, anisan'izany ny Sampana Shahid Hemmat Industrial (SHIG), izay mpamorona balafomanga Iraniana voalohany, ary ny Heavy Metal Industries, orinasa fanaraha-maso  misahana ny famoronana balafomanga taktika Ya Mahdi Industries.

Saika manohana ny governemanta avokoa ny fitantarana momba izany ataon'ny fampahalalam-baovao mahazatra, tahaka ny gazety mpivoaka isan'andro be mpamaky The Star izay mitatitra fa manara-maso ireo orinasa roa ireo ny Minisiteran'ny Atitany ary nahita azy ireo fa tsy mandrahona ny fiarovam-pirenena. .

Hishammuddin also said his ministry had been given full cooperation and spoken to the directors of the two companies.

“If they are identified as a threat, they will not be here any more.

“What’s most important is that they are under our radar and we can safely say there is no relation to any terrorism-related activities,” he added.

Nilaza ihany koa i Hishammuddin fa nomena fiaraha-miasa feno ny minisitera ary niresaka tamin'ireo talen'ny orinasa roa.

“Raha heverina ho toy ny loza mitatao izy ireo, dia tsy ho eto intsony.

“Ny tena manan-danja dia hoe eo ambanin'ny radarantsika ry zareo ary afaka milaza tsara isika fa tsy misy ny fifandraisana amin'ny hetsika mifandraika amin'ny fampihorohoroana”, hoy izy nanampy.

Tao amin'ny Twitter, ny fikarohana ny ‘‘Wikileaks Malaysia’ dia nahitana valim-pikarohana avy amin'ireo mpisera Twitter mizara lahatsoratra momba ny valintenin'ny governemanta Maleziana momba ity olana ity, ny lahatsoratra niely indrindra navoakan'ny vaovao dia ny iray izay nanizingizinan'ny governemanta Maleziana fa tsy atahorana ireo orinasa roa tonta ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.