- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Tokony hofoanan'ny sekoly ve ny fanadinana?

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tanora

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2010)

Volana vitsy lasa izay,  nanambara ny mety hisian'ny  [1]fitsapam-pahaizana eny an-tsekoly ny Praiminisitra lefitra sady Minisitry ny Fampianarana ao Malezia, Muhyiddin Yassin, mba hanoloana ny fomba mifantoka amin'ny fanadinana ankehitriny amin'ny alàlan'ny fanafoanana ny UPSR (Fanadinana eny amin'ny Sekoly fanabeazana fototra) sy ny PMR (Sertifikàn'ny fampianarana fototra).

Natsangana ny komity mba handinika sy hanadihady ny fahombiazan'ireo fitsapana roa ireo ary nambara vao haingana fa hitazona ny fanadinana UPSR sy hanova ny fanadinana PMR ho fitsapam-pahaizana eny an-tsekoly ny governemanta. Na dia izany aza, nilaza i Muhyiddin fa tsy hampiharina avy hatrany [2] ny fanovana:

“We reckon that it will take six years for such a major transformation to really work because it in­­volves changes in syllabus and books as well as training for teachers so that they are not so examination-oriented,” he said, adding that the pilot project for school-based assessment had been carried out at some 550 schools since 2008.

“Manaiky izahay fa mila enin-taona ny fanovana lehibe toy izany mba tena hahomby satria mitaky fiovana ao amin'ny fandaharam-pianarana sy ny boky ary koa fampiofanana ny mpampianatra mba tsy hifantoka loatra amin'ny fanadinana izy ireo”, hoy izy, ary nilaza koa izy fa efa tontosaina eny amin'ny sekoly miisa 550 ny fitsapam-pahaizana eny an-tsekoly hatramin'ny taona 2008.

Manohana ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny Bilaogin'i Clon [3] :

My personal point of view is that first of all, it is a good news. The students will not be burdened just to study for their exam and pay hundred and hundred of ringgits for their tuition fees every month! Although we may not know the outcome or result of this decision but I hope that this would not decrease the quality of our future generation. Actually, the reason we are studying now is not solely for the examination but it's the purpose of learning. So what for learning the subjects we don't need in future?

Ny fomba fijeriko manokana dia voalohany indrindra, vaovao mahafaly izany. Tsy voatery hianatra fotsiny ho an'ny fanadinana azy ireo sy handoa an'hetsiny ringgits ho an'ny saram-pianarany isam-bolana ny mpianatra! Na dia mety tsy fantatsika aza ny vokatr'izany na ny vokatr'io fanapahan-kevitra io, dia manantena aho fa tsy hampihena ny kalitaon'ny taranaka ho avy izany. Raha ny marina, ny antony hianarantsika dia tsy ho an'ny fandinihana fotsiny ihany fa ho an'ny tanjon'ny fianarana. Koa inona no hianarana taranja tsy ilaintsika amin'ny ho avy?

Roystance's Point of View [4] provides a different viewpoint:

For your information, by having the examination life of Malaysian student, it could keep them aware with the future challenge. We do not need to seek for majority vote because it is obvious that the exam hold a very big responsibility for our nation.The consequence of scrapping exams for the whole country at one go is a highly risky move.

Ho fampahafantarana anao, amin'ny fananana fiainam-panadinana ho an'ny mpianatra Maleziana, afaka mampahafantatra azy ireo ny fanamby ho avy izany. Tsy mila mikatsaka latsa-bato maro an'isa isika satria miharihary fa manana andraikitra goavana ho an'ny firenentsika ny fanadinana. Tena mampidi-doza ho an'ny firenena iray manontolo ny voka-dratsin'ny fanafoanana fanadinana.

Manome fomba fijery sy hevitra momba ny fampianaram-panjakana sy ny tsy miankina any Malezia, sy mizara ny eritreriny momba ity raharaha ity ireo mpamaky ny Education in Malaysia [5]:

Anonymous said… I believe Malaysian youngters are as potential as their counterparts in our parts of the world. Hence, please don't pamper them by let them studying less. Else, in the future, when they grow up, our students who grown up to be scholars cannot compete with other scholars from advanced countries.

Passionate About Blogging said… Children have different gifts, talents, inclinations. I don't think PMR or UPSR is bad for the children. The problem has always been the stress put on their young shoulders by their parents’ expectations. Learning should be fun, it should be a discovery, not a burden or a shame.

Aifa said… The exams shouldn't be abolished instead why don't they just sat and re-modified or upgrade it. What I notice that the children in schools nowadays become more robotic and their purpose of going is not to learn anymore but to get straight A's. I'm not saying that getting A's is a bad thing but they're just kids. Parents, communities and politicians are putting too much expectations on kids to succeed.

Nisy nilaza hoe: … Mino aho fa mahavita azy tahaka ireo namany manerana izao tontolo izao ny tanora Maleziana. Noho izany, aza tsinontsinoavina izy ireo amin'ny famelana azy ireo tsy dia hianatra firy. Raha tsy izany, amin'ny ho avy, rehefa lehibe izy ireo, dia tsy afaka mifaninana amin'ny manam-pahaizana hafa avy amin'ny firenena mandroso ireo mpianatra izay lasa manam-pahaizana ireo.

Passionate About Blogging nilaza hoe … Samy manana fanomezam-pahasoavana, talenta, fironana ny ankizy. Tsy mihevitra aho fa ratsy ny PMR na ny UPSR. Ny olana dia ny adin-tsaina hatrany apetraky ny fanantenan'ny ray aman-dreniny amin'ireo tanora. Tokony ho fahafinaretana ny mianatra, tokony ho fahitana zava-baovao, fa tsy enta-mavesatra na mahamenatra.

Hoy i Aifa … Tsy tokony esorina ny fanadinana fa maninona raha apetrak'izy ireo fotsiny na hahitsy na hatsaraina izany. Ny zavatra tsikaritro dia lasa raboto kokoa ny ankizy any an-tsekoly amin'izao fotoana ary ny tanjon'izy ireo mandeha mianatra dia tsy ny hianatra intsony fa mba hahazo A [ny naoty ambony indrindra]. Tsy milaza aho hoe zavatra ratsy ny fahazoana A, saingy mbola ankizy ireo. Mametraka fanantenana be loatra amin'ireo ankizy mba hahomby ny ray aman-dreny, ny vondrom-piarahamonina ary ny mpanao politika:

Nanararaotra naneho hevitra momba ity olana ity tao anatin'ny tarehintsoratra 140 ihany koa ireo mpisera Twitter Maleziana:

@ecachan [6]: I'll become the Minister of Education and I'll make sure PMR and UPSR will stay! LOLOL

@britksy [7]: #nomorepmr? JOKE. Even as a student I would want to sit for PMR. Or else, from UPSR, everyone will slack until SPM year.

@manmohanjit [8]: The gov wants to abolish UPSR and PMR, good decision. It's about time.

@DonovanFoong [9]: now only one to abolish PMr and UpsR ! argh

@ctaudreylim [10]: Why abolish? REVAMP! Argh!

@suebahrin [11]: yes. Gov retain UPSR but goin 2 make it harder. PMR replaced w school based xm

@Farveen [12]: Hoyehh..less stress for the kids!

@jannahtesl [13]: School Based Assessment VS A Sijil [certificate] I Can Never Use for Work Application?

@ecachan [6]: Ho lasa minisitry ny fampianarana aho ary hanome antoka fa hijanona ny PMR sy UPSR1! TPT

@britksy [7]: #nomorepmr? VAZIVAZY. Na dia mpianatra (ambony) aza, te hanala ny fanadinana PMR aho. Raha tsy izany, avy amin'ny UPSR, tsy hahomby ny tsirairay mandra-pahatongan'ny taona SPM.

@manmohanjit [8]: Tian'ny governemanta hofoanana ny UPSR sy PMR, fanapahan-kevitra tsara. Fotoana fotsiny sisa.

@DonovanFoong [9]: ankehitriny, iray ihany mba hanafoana ny PMr sy UpsR ! argh

@ctaudreylim [10]: Nahoana no foanana? HAVAOZINA! Argh!

@suebahrin [11]: eny. Hotazonin'ny governemanta ny UPSR saingy hanao izany ho sarotra kokoa. PMR soloin'ny fanadinana eny an-tsekoly

@Farveen [12]: Oueehh..mihena ny adin-tsaina ho an'ny ankizy!

@jannahtesl [13]: Fitsapam-pahaizana eny an-tsekoly sa Sijil [sertifikà] A tsy azoko ampiasaina hitadiavana asa?

Avy amin'ny pejy Flickr'ny CLF [14] ny hajian-tsary nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity