- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misy zavatra ampahibemaso bebe kokoa noho nyTwitter ve?

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Ny Tetezana - The Bridge

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2014)

Squawking Twitter birds [1]

Lehilahy iray mikainkona noho ny tahotra ireo vondrona voron'ny twitter. Avy amin'i Pete Simon tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Inona ny fitsipika amin'ny famoahana sioka tsy nahazoana alalana? Amin'ireo mpiserasera an-tapitrisany, hitan'ny olon-drehetra ve ny zavatra rehetra lazaintsika ao amin'ny Twitter? Ireo no fanontaniana taorian'ny adihevitra tamin'ny BuzzFeed namoaka indray ny adihevitra tao amin'ny Twitter [2] tamin'ny 12 Martsa 2014, izay nanontany ireo vehivavy mba hilaza izay akanjo nanaovan'izy ireo raha niharam-boina tamin'ny fanafihana ara-nofo [3] sady mpisera Twitter @SteenFox [4]. Na dia nanome alalana an'ny @SteenFox hamerina handefa ireo sioka aza ny vehivavy (ary taty aoriana, notaterin'ny Buzzfeed ihany koa [5]), dia mbola tezitra tamin'ny namoahan'ny BuzzFeed azy ireo ny sasany, ka niteraka adihevitra momba ny fitsipika mifehy ny gazety lehibe mamoaka bebe kokoa ireo sioka.

Na dia marina aza fa natao ho hitan'ny rehetra ny Twitter, dia sioka maherin'ny 400 tapitrisa [6] no alefa isan'andro, ary ny ankamaroan'ny mpiserasera dia tsy mihevitra fa hahatonga azy ireo hiafara amin'ny pejy voalohan'ny gazety izany. Na dia izany aza, lasa mampiasa hatrany ireo mpisera Twitter ho loharanom-baovao, sy sioka ho toy ny votoaty ireo gazety.

Zavatra iray indray raha fitroarana ny lohahevitra; ohatra, mpanao hetsi-panoherana Tiorka na Ejypsiana tsy mihevitra fa hiseho ao amin'ny New York Times ny siokan'izy ireo, matetika natao hovakian'ny rehetra, na ny vahiny mihitsy aza ireo sioka nalefa avy ao Gezi Park na Kianjan'i Tahrir. Ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanafihana ara-nofo kosa, na izany aza, dia mety manokana kokoa.

Ho setrin'ny adihevitra, Gawker (izay mampiasa sioka tsy tapaka amin'ny tatitra ataony) namoaka lahatsoratra iray navoakan'i Hamilton Nolan milaza fa hitan'ny rehetra ny (ao amin'ny) Twitter [7]. Hoy i Nolan nanoratra:

Because Twitter is public, and published on the internet, it is possible that someone will quote something that you said on Twitter in a news story. This is something that you implicitly accept by publishing something on Twitter, which is public. That is well within the rights of a “journalist,” as well as anyone who clicks the “Retweet” button on something that you published on Twitter. Just because you wish that someone would not quote something that you said in public does not mean that that person does not have the right to quote something that you said in public. When we choose to say something in public, we choose to broadcast it to the world…

Satria ampahibemaso ny Twitter, ary avoaka ao amin'ny aterineto, dia mety hisy olona hilaza zavatra izay nolazainao tao amin'ny Twitter amin'ny tantaram-baovao. Zavatra iray izay ekenao mivantana amin'ny fandefasana zavatra ao amin'ny Twitter, izay ampahibemaso (hitan'ny rehetra). Tafiditra ao anatin'ny zon'ny “mpanao gazety” izany, ary koa izay rehetra manindry ny bokotra “Retweet” amin'ny zavatra navoakanao tao amin'ny Twitter. Ny tsy fanirianao hisy olona hamoaka ny zavatra lazainao ampahibemaso dia tsy midika fa tsy manan-jo hilaza zavatra iray izay nolazainao ampahibemaso ny olona. Rehefa misafidy ny hiteny zavatra am-pahibemaso isika, dia misafidy ny hamoaka izany ho an'izao tontolo izao…

Ny sasany kosa nanohitra ny hevitra tsoa-droan'i Nolan. Anil Dash, bilaogera sady mpitarika hevitra nanoratra hoe:

Vahoaka amina miliara no mahalala fa ny “hita ao amin'ny aterineto” dia tsy midika foana hoe “Tiako havoaka amin'ny haino aman-jery miaraka amin'ny dokambarotra manodidina azy izany”. Hajao izany.

Matetika ny soa ho an'ny daholobe dia ampiasaina amin'ny famoahana zavatra tsy tian'ny hafa ifampizarana. Indraindray ny soa ho an'ny daholobe dia ampiasaina amin'ny fihazonana azy.

Mpanao gazety Jenna Wortham nanamarika fa matetika ampiasaina amin'ny tsy tokony ampiasana azy ny Twitter:

Hevitra fanampiny momba izany: Toy ny olona sasany no niara-nisafidy ny Twitter mba hifanaraka amin'ny filan'izy ireo, na inona na inona fikasana voalohany/haibika (1)

ary ny zavatra andrasana / ny faniriana ho an'ny fahitan'ny daholobe dia nivoatra mialoha ny fahafahana / sy fanirian'ny Twitter hanompo azy ireo. (2)

Mpanao gazety Alex Howard nanambara fa resaka etika amin'ny asa fanaovan-gazety  izany:

Mila mandinika ny fitsipi-pitondrantena sy ny fiantraikany amin'ny fanaovana sioka manjavozavo ampahibemaso tahaka ny fampiasana angona mugshot ataon'izy ireo ny mpanao gazety

“Satria noho ny fahafahantsika mandrava ny aizina, tokony hanao izany isika? Satria isika afaka mamoaka votoaty, tokony hanao izany ve isika?”

Bilaogera Jamie Nesbitt Golden, manoratra ao amin'ny hoodfeminism, nilaza mitovy amin'izany [17] fa tsy dia momba ny Twitter loatra izany fa momba ny etika mifehy ny mpanao gazety kokoa:

But the real issue isn’t so much about Twitter being a public space; it’s about the absolute lack of empathy, sensitivity, and thoroughness when it comes to covering stories like these and the flippant, snarky responses that come from media outlets after the inevitable fallout. Testa’s quest to be the first to break the story alienated a number of people and did irrevocable damage not only to Buzzfeed’s brand, but the public’s trust. Some expressed relief that they didn’t share their survivor stories out of fear they’d become troll fodder. Testa didn’t take into account Steen’s safety or comfort, potentially exposing her to trolls and other unsavory characters.

Saingy ny tena olana dia tsy momba ny Twitter ho  sehatra ho an'ny daholobe; fa momba ny tsy fahampian'ny fangoraham-po mihitsy, ny fahatsapana, ary ny fahamendrehana amin'ny resaka famoahana tantara tahaka izao sy ireo valinteny enti-manilikilika sy mikomy avy amin'ny fampahalalam-baovao taorian'ny fiantraikany tsy azo ihodivirana. Nahatezitra olona maro ny fangatahan'i Testa ho voalohany hamoaka ilay tantara ary nametraka fahavoazana tsy hay sitranina tsy tamin'ny marika Buzzfeed ihany, fa tamin'ny fitokisan'ny vahoaka. Nisento ny sasany fa tsy nizara ny tantaran'ny fahaveloman'izy ireo indray noho ny tahotry ny ho lasa resabe. Tsy nieritreritra ny fiarovana na ny fiadanan'i Steen i Testa, izay mety hahatonga an'i Steen iharan'ny fandotoan-drindrina (fanelingelenana) na ireo olona hafa tsy dia tsara.

Ho valin'ny fanehoan-kevitro manokana, nanambara mitovy amin'izany i Sarah Kendzior:

Ny ankamaroan'ny fanoherana ny lahatsoratry Buzzfeed dia tsy manokana/ampahibemaso fa fitandremana fatratra/hakamoana. “Fitantarana” ratsy amin'ny lohahevitra mandratra saina

Adihevitra lehibe izany, ary tena matotra. Satria lasa miha-malaza manerantany hatrany ny Twitter, sy ny media sosialy amin'ny ankapobeny, mila mieritreritra bebe kokoa amin'ny fomban'izy ireo mampiasa ny Twitter ho an'ny lahatsoratr'izy ireo ny mpanao gazety. Na dia mety ho marina aza izany indraindray na eo amin'ny tombontsoam-bahoaka mba hanamafisana ny sioka (eritrereto ny raharaga Justine Sacco [20]), amin'ny raharaha maro hafa, farafaharatsiny ilaina ny manontany hoe: “Manao ratsy ve aho amin'ny fanamafisam-peo bebe kokoa ity votoaty ity?”