- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fonjain'i Maoritania i Biram Dah Abeid, mpikatroka anti-fanandevozana — ary ampanalaviriny ny parlemanta nahavoafidy azy koa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Maoritania, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Vonjy Voina, Zon'olombelona
[1]

Biram Dah Abeid tao amin'ny filankevitra departementalin'i Gironde ao Bordeaux, nanaiky ny lokan'ny Mémoires Partagées tamin'ny 7 febroary 2017, avy amin'ny avy amin'ny fikambanana iraisampirenena “Mémoires et Partages”. Sary nalain'i Akunt'Arts.prod & Gaéty.D. CC-license-by-SA-4.0.

Araka ny Global Slavery Index na tondro (fampilaharana) manerantanin'ny fanandevozana dia olona eo ho eo amin'ny 90 000 eo [2] no voahazona ho ao amin'ny fanandevozana ao Maoritania amin'izao novambra 2018 izao. Na dia eo aza ny fisian'ny lalàna mandrava ity fomba ity, dia manaiky ireo sosiology, mpahay tantara ary fikambanana mpandala ny zon'olombelona fa mbola mifikitra ny fanandevozana manaranaka ao amin'ny fiarahamonina maoritaniana : tsy manan-jo dieny eo am-pahaterahana, iharan'ny fihoaram-pahefana, fanondranan'olombelona ary ny fanoloanana. .

Nosamborina i Biram Dah Abeid [3], filohan'ny fisantaran'andraikitra ho fisandratan'ny hetsi-panafoanana ny fanandevozana (IRA-Maoritania),  nialoha [4] ny hanombohany ny fanentanam-pifidianana, fa nahomby izy tamin'ny nahavoafidy azy [5] dieny teo amin'ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana parlemantera notontosaina tamin'ny voalohany septambra 2018. Saingy mbola nihazona azy tany am-ponja ihany ny manampahefana. Nolazaina fa noho ny fandrahonana mpanao gazety iray manana fifandraisana akaiky tamin'ny fitondrana maoritaniana no antony nandefasana azy ho any am-ponja.

Manoloana ny fihetsiky ny eo amin'ny fahefana, maro ireo fanentanana nandeha. Nanao izay nahenoana ny teniny ireo mpitarika ny mpanohitra, ary araka ny alakhbar.info, nahomby tamin'ny fampiatoana ny fotoam-pivoriana voalohany tao amin'ny parlemanta [6] ny mpanohitra:

Le vice-président de l’Assemblée nationale, Boidiel Ould Houmeid a arrêté la session après qu’une polémique a éclaté entre les députés de la majorité et ceux de l’opposition après l’omission du nom de Biram Dah Abeid de la liste des membres des commissions parlementaires.

Natsahatry ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Boidiel Ould Houmeid ny fotoana rehefa nisy ny fifandirana teo amin'ny depioten'ny maro an'isa sy ny depioten'ny fanoherana taorian'ny fanesorana ny anaran'i Biram Dah Abeid tao amin'ny lisitry ny vaomiera parlemantera.

Teo anoloan'ny parlemanta, noravan'ny mpitandro ny filaminana an-terisetra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpikatroka mitaky ny famotsorana an'i Abeid, araka ny notaterin'ny [7] futureafrique.net:

Des militants de l’IRA Mauritanie sont venus protester contre la poursuite de la détention de leur Président, Biram Dah Abeid, alors qu’il a recueilli les suffrages nécessaires pour être élu député.

Les unités de la police sont intervenues pour disperser violemment et réprimer dans le sang le rassemblement et on dénombre de nombreux blessés parmi lesquels Leila Ahmed, l’épouse de Biram Dah Abeid.

Tonga hanao fihetsiketseham-panoherana ny fanenjehana sy ny fihazonana ny filohany, Biram Dah Abeid, ny mpikatroky ny IRA na dia nahazo ny vato ilaina ho voafidy ho depiote aza.

Tonga ny vondron'ny polisy hanaparitaka an-kerisetra sy hamoritra ao anatin'ny ra mandriaka ny fivorivoriana, ka maro no naratra ary ao anatin'izany i Leila Ahmed, vadin'i Biram Dah Abeid.

Firaisankina manerana izao tontolo izao

Namoaka fanambarana an-gazety manasa ireo mpikatroka mpandala ny zon'olombelona sy ireo mpanohana hanao fihetsiketsehana eo anoloan'ny Ambasady Maoritaniana ao Bruxelles ny sampan'i IRA-Maoritania ao Belzika. Tatitra iray nivoaka tao amin'ny pejy Facebook an'ny sampana belza an'i IRA-Maoritania [8] nanitrikitrika ny fangatahana “famotsorana tsy misy fepetra an'i Biram Dah Abeid, voafidim-bahoaka.”

Tany Chicago, Illinois (USA), nisy vondrona fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana miisa 12 nanao fanangonan-tsonia tamin'ny 15 oktobra izayefa nahangona sonia 233.000. Nanambara ny taratasy iray [9] miaraka amin'ny fanangonan-tsonia [10], nosoratana tamin'ny teny arabo, frantsay ary anglisy, navantana tamin'Atoa Dia Moctar Malal, minisitry ny fitsarana maoritaniana hoe:

L’arrestation de Biram Dah Abeid, président de l’Initiative pour la résurgence du mouvement abolitionniste (IRA), et d’Abdellahi el Housein Mesoud (membre de l'IRA) le 7 août, ainsi que leur détention provisoire ultérieure, sont pour nous un sujet de grande préoccupation. Nous vous adressons cette lettre avant leur comparution afin que vous puissiez vous assurer qu'ils bénéficieront non seulement de toutes les garanties d'un procès équitable mais aussi d'une assistance juridique et d'une remise en liberté en attendant le procès.

Plus de 230 000 personnes dans le monde partagent notre inquiétude et ont signé une pétition* qui vous est adressée ainsi qu’au président Mohamed Ould Abel Aziz. Celle-ci demande la fin du harcèlement des militant-e-s antiesclavagistes et la libération de M. Abeid dans l'attente d’un procès équitable…

Leur détention dans une prison isolée dans le désert du Sahara, sans possibilité de recevoir la visite de leurs avocats ou de leurs familles, et durant laquelle ils auraient été victimes d’actes de torture et de mauvais traitements, a suscité l’inquiétude de la communauté internationale.

Ny fisamborana an'i Biram Dah Abeid, filohan'ny Fisantaran'andraikitra hisandratan'ny hetsi-pandravana ny fanandevozana (IRA), sy i Abdellahi el Housein Mesoud (mpikambana ao amin'ny IRA) tamin'ny 7 aogositra, sy ny famonjana azy vonjimaika, ho anay dia mampanahy dia mampanahy tokoa. Mandefa izao taratasy izao izahay mialoha ny hisehoany eo amin'ny fitsarana mba ahafahanareo miantoka tsy ny antoky ny fisian'ny fitsarana ara-drariny ihany fa ny isian'ny fanampiana ara-pitsarana sy ny fanafahana vonjimaika mandra-pahatonga ny fotoam-pitsarana.

Olona mihoatra ny 230.000 manerana izao tontolo izao no miara-mizara aminay ny ahiahiny ary nifanango-tsonia izay atolotra anao sy ho an'ny filoha Mohamed Ould Abel Aziz. Angatahana ato anatiny ato ny fampitsaharana ny fanohintohinana ireo mpanohitra ny fanandevozana sy ny famotsorana an'Atoa Abeid mandra-pahatonga ny fotoam-pitsarana ara-drariny.

Nahatonga ahiahy tao amin'ny firaisamonim-pirenena ny fihazonana azy ireo any amin'ny fonja mitokana any an'efitr'i Sahara, tsy misy fahafahana handraisana ny fitsidihan'ireo mpisolovavany na ny fianakaviany, ary ahiana ho tratran'ny fampijaliana sy ny fanirikiriana ihany koa ry zareo mandritra ny famonjana azy ireo.

Tamin'ny 15 Oktobra tao Abidjan, Cote d'Ivoire, nisy ny valandresaka nokarakaraina hiampangana ny fisamborana noho ny tondromolotra an'i Abeid amin'izao teny manaraka izao [11] :

Pourtant député, Biram Dah Abeid endure la réclusion, sans procès, au prétexte d’avoir diffamé, voire menacé un journaliste, auteur d’un reportage tendancieux sur lra. Le détenu accuse l’homme de média d’avoir commis un travail de propagande, de diffamation et de dénigrement au bénéfice de la police politique. Le juge d’instruction maintient l’incarcération préventive, le temps d’épuiser ses jours de vacances.

Face au lourd passif de racisme et de correction impunie contre les noirs de Mauritanie, notamment les descendants d’esclaves, un réseau international de solidarité s’organise et ramifie, pour obtenir la libération d’un élu du peuple et la réhabilitation dans ses droits.

Na dia depiote aza, dia mbola niaritra famonjana, tsy misy fitsarana, ihany i Biram Dah Abeid, fa nolazaina ho nanala baraka, ary indrindra nandrahona mpanao gazety iray izay nanao tatitra mitongilana momba ny IRA. Nampangain'ilay voafonja ho nanao asam-propagandy, fanendrikendrehana ary fanaratsiana ho tombontsoan'ny polisy politika ilay mpanao gazety. Mbola nohazonin'ny mpitsara mpanao famotorana ihany ny famonjana vonjimaika, mba hanaperana ny andro fialany sasatra.

Manoloana ny vesatry ny lasa feno fanavakavaham-bolonkoditra sy fihoaram-pahefana manoloana ny mainty hoditra ao Maoritania, indrindra ireo taranak'andevo, dia nifandamina sy nieli-patrana ny tambajotram-piraisankina iraisampirenena iray, hahazoana ny famotsorana voafidim-bahoaka iray sy hamerenana aminy ny zony.

Manoratra ny heviny i Thiam Mamadou, mpamakafaka [12]:

Les attaques ciblées des appareils judiciaire et policier contre la famille Biram Dah Abeid se veulent messages de fermeté, pour faire renoncer le public militant d’IRA à sa témérité et à son engagement. Lors d’une conférence de presse tenue à son domicile, au lendemain de la violente charge dont elle a été victime, madame Leïla mint Ahmed explique ainsi que les policiers l’ont personnellement visée. « C’est comme s’ils n’attendaient que moi, avec des ordres précis. Dès qu’ils m’ont reconnue, ils se sont jetés sur moi, à coups de matraques et de godasses. Je souffre de tout mon corps et n’eût été la pudeur, je vous aurais montré les ecchymoses qui le tapissent »

Karazana hafatra fahenterana ny fanafihana kendritohina ataon'ny mpiasa ara-pitsarana sy ny polisy amin'ny fianakavian'i Biram Dah Abeid, mba hampihemotra ny mpikatroky ny IRA amin'ny fahasahisahiany sy ny fanoloran-tenany. Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety notontosaina tao an-tranony ny ampitson'ny fanafihana mahery vaika nahasalibatra azy, nilaza Rtoa Leïla Mint Ahmed fa nikendry azy manokana ny polisy. ‘Tahaka ny hoe efa miandry ahy ry zareo, nahazo baiko manokana voalaza tsara. Vantany vao nahafantatra ahy ry zareo dia nitsoraka taty amiko, nandaka sy namely kibay ahy. Marary ny vatako manontolo fa raha tsy noho nyu henatra dia nasehoko anareo ny fery nanerana ny vatako’.

Misy ny lalàna manohitra ny fanandevozana ao Maoritania. Fampiharana fotsiny sisa — fa tsy hita ny fahasahiana politika.