- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia Mibilaogy: Novambra mahafinaritra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Libanona, Palestina, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2006)

Ben Ali, Wikipedia, Democracy

Mankalaza ny faha 19 taonan'ny “Fanovan'ny 7 novambra” (1987) izay nitondra ny filoha Ben Ali teo amin'ny fahefana tao anatin'ny fanonganam-panjakana mihoso-drà nihatra tamin'i Habib Bourquiba [1], izay nanjaka nandritra ny 30 taona, niantso ny filoha Ben Ali mba hirotsaka hofidiana fanin-diminy amin'ny fifidianana hatao amin'ny taona 2009 ny minisitra talen'ny biraon'ny filoham-pirenena, Abdelaziz Ben Dhia, ny senatera Toniziana [2][Fr] sy ny mpikambana ao amin'ny sendikan'ny indostria, ny varotra sy ny Asa tanana (UTICA)  [3]. Maneho hevitra mikasika ny famaritan'ny mpanohitra toy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana, nahatsikaritra ilay bilaogera Mokhtar Yahyaou [4] fa aretina fiverenan'ny fomba fanao fitondram-panjaka tokana sy ireo beys [5] [tompomenakely] izany:

Ce procédé, signe de survivance des pratiques monarchiques du régime beylical déchu depuis 50 ans vient heurter frontalement le principe même du régime républicain, ou ce qui en restait.

Ity dingana, mariky ny fahaveloman'ny fomba fanaon'ny fitondram-panjaka tokana sy ireo beys, na dia efa nofoanana efa ho 50 taona aza, dia mbola miverina indray ary manohitra ny fitsipika rafitra repoblikana, na izay sisany

Manakiana ny fitondran'i Ben Ali efa 19 taona, Stranger [6] namoaka sary maromaro [7] momba ny lohahevitra “19 taona”, ampy tena ampy. Ary ho an'i Mkarriz, [8] efa nikasa ny hijanona eo amin'ny fitondrana i Ben Ali raha mbola mitempo ny fony.

Mouwaten Tounsi, izay voasivana ny bilaoginy  [9]taorian'ny namoahany taratasy ho an'ny filoha Ben Ali  [10]mandrisika azy hamarana ny tsy fahampian'ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena, nanameloka ny fanapahan-kevitry ny mpanangona bilaogy vaovao Toniziana [11] handràra azy tsy ho anaty tondro.

Ary ho setrin'ny sivana amin'ireo tranonkala tiany indrindra ao Tonizia, anisan'ireo ny deviantart.com [12], blogmarks.net [13], sy wikipedia.org [14], nanoratra ny lahatsorany farany i escalier7 [15] ary nanazava ny antony nanapahany hevitra tsy hibilaogy intsony  [16][Fr]:

moi je suis ingénieur en informatique et si on me censure internet pour tout ce qui nouvelles technologies je suis mort. (…) ceci est mon dernier post sur ce blog et la fin de mon activité sur internet.

injenieran'ny informatika aho ary maty aho raha sivanina amiko ny aterineto momba ny teknolojia vaovao  rehetra (….), ity no hafatro farany ao amin'ity bilaogy ity sy ny hetsika farany ataoko ato amin'ny aterineto

Mitondra antsika amin'ny lohahevitra resahana be tamin'ny herinandro lasa teo amin'ireo bilaogera Toniziana izany: ny fanakanana ny wikipedia [17] nandritra ny andro vitsivitsy. Amin'ity santionany milahatra manaraka ity, hitantsika ny fomba nanombohan'ny adihevitra sy ny niafarany:

- Ny tolakandron'ny 23 Novambra, nakatona ny fidirana tao amin'ny Wikipedia [17] any Tonizia noho ny antony tsy fantatra.

- Ny 23 Novambra, manontany hoe  ‘inona ity? [18]‘(Qu'est-ce que c'est que ça?!) [FR], MetallicNaddou [19] namoaka tao amin'ny blaoginy ny pikantsary misy ny pejy fahadisoana mipoitra rehefa niezaka niditra tao amin'ny wikipedia.

- Ny 24 Novambra, Kassus [20], bilaogera Toniziana nandray anjara tamin'ny wikipedia, nitatitra ny lisitry ny fandefasana Wikipedia frankôfôna [21] [Fr], ary avy eo tao amin'ny bilaoginy, fa nakatona tao Tonizia ny wikipedia.

- Ho setrin'ny lahatsoratr'i Kassus [22][Fr], bilaogera sasany niantso fandraisana andraikitra amin'ny alàlan'ny fandefasana mailaka any amin'ny Sampandraharahan'ny Aterineto Toniziana [23] (ATI) sy ny mpamatsy tolotra aterineto rehetra ao amin'ny firenena, miantso azy ireo hoe ‘Avereno aminay ny Wikipedia!’ ‘Rendez nous Wikipedia! ‘.

- Ny 24 Novambra,  Karim2k  [24]no Toniziana voalohany nanoratra momba ity olana ity tamin'ny teny Anglisy ary nanondro ny heviny momba ny antony ao ambadiky ny fanakatonana ny wikipedia:

The point is that Wikipedia contains “controversial” articles about Tunisia published in “Le Monde” French newspaper, a set of some lines of texts, based a whole universe of knowledge freshly updated and maintained by thousands of volunteers over the world (…) So, by the way grap your rage once for all , ban Google, Blogger, Flickr, Youtube , … in one word ban the web so we can feel freed from the pain.

Ny resaka dia hoe ahitana lahatsoratra “mampiadihevitra” momba an'i Tonizia ny Wikipedia izay navoaka tao amin'ny gazety Frantsay “Le Monde”, lahatsoratra maromaro vitsivitsy, mifototra amin'ny tontolon'ny fahalalana manontolo sy nohavaozin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo  manerantany. Ka amin'izany, dia manala ny fahatezeranao indray mandeha tsy miverina, mandràra ny Google, Blogger, Flickr, Youtube, … amin'ny teny iray dia mandràra ny tranonkala mba hahafahantsika mahatsapa ho afaka amin'ny fanaintainana.

- 25 Novambra, nihevitra i Xander [25] [Fr] fa tsy resaka sivana izany satria tsy miseho ny pejy fahadisoana 404 error malaza ao Tonizia izay miseho amin'ny tranokala voasivana rehefa miezaka miditra amin'ny wikipedia. Ho azy dia olana ara-teknika fotsiny izany, ary nanolotra fomba iray handrosoana sy hialàna amin'ilay sakana amin'ny alàlan'ny fanovana ny adiresy milina DNS izy.

- 25 Novambra, araka ny filazan'ny Mario tout de go, [26] [Fr] mpandray anjara amin'ny lisitra Wikipedia frankôfônia, mety tranga iray amin'ny sivana amin'ny Wikipedia ao Tonizia  [26][Fr] izany. Ao amin'ny lahatsorany, nanao fampitahana teo amin'ny sivana amin'ny wikipedia any Shina sy any Tonizia izy:

Wikipédia semble déranger énormément les pays qui ne croient pas à l’importance de la libre circulation de l’information.

Toa manakorontana be ireo firenena tsy matoky ny maha zava-dehibe ny fivezivezen'ny vaovao malalaka ny Wikipedia

- 26 Novambra, maneho hevitra momba ny lahatsoratr'i Kassus [27] [Fr], Cyberdissident nanome fijery vaovao momba ny adihevitra raha nanararaotra hiresaka ny maha zava-dehibe ny ady ho an'ny fahalalaham-pitenenana ao Tonizia izy. Ary na dia nahatsapa alahelo noho ny fanakatonana ny wikipedia ao amin'ny firenena aza izy, dia faly izy mahita ireo bilaogera mandray fepetra hanohitra izany.

je suis triste pour vous, mais content de vous voir enfin évoquer, enfin, le sujet de la censure au Bled. Depuis des années le net tunisien dissident lutte pour faire de ce sujet une priorité. Comme l'ATI, vous les avez censuré, sur vos aggrégateurs de blogs, sur la page de la Tunisie de WIKI.

Malahelo anareo aho, saingy faly mahita anareo maneho ny olan'ny sivana. Hatramin'ny taona maro, nitolona hametraka ity lohahevitra ity ho laharam-pahamehana ny mpiserasera Toniziana mpanohitra. Tahaka ny ATI, nosivaninareo izy, ao amin'ireo mpanangom-baovao bilaogy sy ao amin'ny pejin'ny Tonizia an'ny WIKI.  I am sad for you, but glad to see you finally evoking the issue of the censorship. Since years the dissenting Tunisian Net fights to make of this subject a priority. Like ATI, you censured them, on your blog aggregators and on the page of Tunisia of WIKI.

Nampiteraka indray ny fihenjanana taloha sy mikorontana eo amin'ireo mpanohitra ny cyber sy ny bilaogera ny fanamarihany momba ny olana mampiady hevitra [28] ao amin'ireo pejy Toniziana momba ny wikipedia.

- Ny 27 Novambra, nanambara ny olana mampiady hevitra [28] momba ny wikipedia ihany koa i Houssein, [29] mampifandray ny adihevitra mafana ao amin'ny pejin-dresaka ao amin'ny Wikipedia [30] [Fr] mikasika an'i Tonizia eo amin'ilay mpandrindra Toniziana Kassus, sy ireo hafa akaiky ny mpanohitra an-tserasera.

- 27 Novambra, Erasoft [31] niantso ireo mpitsidika ny bilaoginy mba handefa ilay taratasy maodely nosoratany ho an'ny masoivoho Toniziana any Frantsa ary nisarika ny saina mikasika ny fanakatonana ny wikipedia.

- 27 Novambra, “Oehh ! Tafaverina ny Wikipedia, raki-pahalalana misokatra. Tsy azonao an-tsaina ny hafaliako. Nahatsiaro reraka aho tato ho ato, tsy nisy ny tranonkala ankafiziko indrindra”. Hoy i Kaiser [32] nanoratra tamin'ny teny manome fifaliana. Antenaina fa tsy ho tapaka tampoka ity vaovao mahafaly ity, na dia mbola tsy mazava aza ny antony nahatonga ilay sakana.

- Ny 28 Novambra, miverina amin'ny fifandonana mitranga eo amin'ny bilaogera sasany sy ny ampahany amin'ny mpanohitra an-tserasera, MetallicNaddou [33] [Fr] nanolo-kevitra fa ny fifandraisana miorina amin'ny fanajana dia hanampy amin'ny fananganana tetezam-pitokisana:

Il faudrait qu'il y ait un véritable contact, un échange basé avant tout sur le respect et la recherche d'objectifs communs à tous pour pouvoir envisager quelque chose

Ilaina ny manana tena fifandraisana, karazana fifanakalozan-kevitra izay tokony hiorina amin'ny fanajana sy fikarohana tanjona iombonana ho an'ny rehetra mba hahafahana mandini-javatra.

Ao amin'ny Fikra [34] [Fr], SBG nanoratra momba ny tondron'ny fikarohana momba ny demokrasia [35] [PDF] navoakan'ny The Economist Intelligence Unit (EIU) [36] tamin'ny herinandro lasa.

Laharana faha-135 amin'ireo firenena 167 nohadihadiana,  sokajiana ho “fitondrana mpanao didy jadona” miaraka amin'ireo firenena 55 hafa i Tonizia . Amin'ireo firenena Arabo (jereo ny sary momba ny ny isan'ireo firenena Arabo manontolo [37]), Palestina irery ihany (faha-79) no ao anatin'ny “demokrasia tsy lavorary”. Libanona (faha 85) sy Irak (faha-112) dia samy ao anatin'ny sokajy “fitondrana misy fifangaroana”. Ny sisa amin'ireo firenena Arabo dia sokajiana ho “fitondrana jadona”. Ary amin'ny isa 3,53 amin'ny ankapobeny, ny Afovoany Atsinanana sy Avaratra Afrika no faritra laharana ambany indrindra manerana izao tontolo izao (jereo ny sary momba ny demokrasia isa-paritra [38].