Pakistana: Valinteny Am-blaogy

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Nanaitra antsika rehetra ireo vaovao voalohany mikasika ity horohorontany lehibe izay namely ny soba-kaontinanta ity (tamin'ny fomba azo takarina) fa mbola nahagaga antsika kokoa ny faharavana naterak'izany sy ireo olona 18.000 maty (hatreto). Mazava ho azy, blaogera Pakistaney maro no namaly ilay vaovao mikasika ity horohorontany  (HT) nanana tanjaka 7.6 ity ary tsy afaka ny hampiditra azy rehetra ireo anaty lisitra ho anao aho fa ity misy fifangaroan'ireo valinteny voalohany avy amin'ireo blaogera tena mahaliana indrindra ao Pakistana.

Tsindrio ny totozy ary manampia amin'ny fanohanana ny ezaky ny Teeth Maestro amin'ny fanangonana fanampiana ho an'ireo trà-boina tamin'ilay HT; Manana lahatsoratra tena manokana mikasika ilay horohorontany tao Islamabad ny “Life, etc”, manomboka fanehoankevitra vaovao mikasika ilay HT sy ny haino aman-jery ny “Iss-tarting anew”; Somary marina ny fanehoankevitr'i Kay tamin'ilay sary telo; Mamoaka ny fanehoankeviny mikasika ilay faharavana naterak'izany ny Green Head; Mamoaka ny fanehoankeviny voalohany tamin'ny fihainoana ireo vaovao mikasika ilay HT ny Extiinct; Mpamaritra toy ny mahazatra foana i Mina ary mamoaka fampidirana tena mahaliana mikasika ilay lohahevitra; Manana valinteny mahitsy sy tohina (rohy tapaka) manoloana ireo vaovao mikasika ilay HT i Essjee; Manoratra mikasika ilay andro nihetsehan'ny tany i Cloudkhizzy; ary miboredidredika mikasika ilay hadisoana nataon'ny mpanolotra vaovao tao amin'ny fahitalavitra eny an-toerana nandritra ny fandefasana momba ilay HT ny Crow’s Nest.

Manokana fotoana kely hanaovana vavaka ho an'ireo olona rehetra (any Afghanistana, Pakistana, ary India) izay maty, maty havana na very trano noho ity horohorontany ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.