- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Blog-o-rama

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2005)

Tsy nanao aroloha, mitaingana scooter Vespa amin'ny hafainganam-pandeha 45km isan'ora, namakivaky ny làlamben'ny aterineto aho halina, nandeha tamin'ny làlana tena mitohana be (tsy vy very ny aina) mba hitondrana aminao ity angona lahatsoratra kely avy amin'ny blaogy Pakistaney vitsivitsy mahaliana ity.

Manana valinteny somary angolangolaina sy feno hatezerana manoloana ireo fanehoan-kevitry ny Filoha Musharaf (izay malaza ratsy ankehitriny) tamin'ny Washington Post ny Meanderings , izay nalefany tsy nahy tany amin'ny tranonkalan'ilay Filoha mihitsy aza; i  Teeth Maestro dia namoakaa lahatsoratra mikasika ny filan [1]‘ny Filoha Bush mafy ny FIATOANA MBA HANDROANA [1] nandritra ny fihaonana an-tampon'ny Firenena Mikambana (satria mbola tsy ‘tany’ izy taloha); Manadhady ireo vaovao mikasika ilay zava-nitranga tany Basra sy ireo miaramila tantsambo Britanika [2]roa ny Suspect Paki; Manolotra ny fanehoankeviny tohina tamin'ireo daroka baomba vao haingana tao Lahore [3] i Mina; ary manasongadina ny tantaran'ny Israeliana iray mpanohitra manana ny feon'ny fieritreretany [4] izay tena mendrika ny ho vakiana i Windmills.

Ankoatra ireo voalaza etsy ambony ireo, tiako hasongadina ireo lahatsoratra maro ‘tsy miresaka vaovao‘ avy amin'ny blaogera Pakistaney izay mendrika ny ho jerena satria manampy handrava ny dridran'ingilo tsy misy fiovàna amin'ny fitorahana blaogy ara-politika nolazaina tetsy ambony. Somary mamelombelona kokoa ny blaogin'i Kay satria manolotra fanehoankevitra mikasika ny fiainana anatina sary telo [5] izy; manezaka amin'ny resaka fitorahana blaogy an-tsary [6] ny I AM MAKING IT HAPPEN (Atako izay hitrangan'izany) satria tena tsara tarehy ny fitambaran-tsariny; ary farany, manoratra mikasika ny fiakarana tendrombohitra ao avaratr'i Pakistana i Light Within, izay vakiteny mampifantoka .

Eny ary, izay aloha ny hatreto, tokony hiala aho raha tsy izany hosazian'ny ISP Proxy-ko noho ny tsy fitondrana aroloha aho.