Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Lasa Any Amerika Latina i Ahmadinejad

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Janoary 2007.

Niady hevitra mikasika ny Filoham-pirenena Iraniana, Mahmoud Ahmadinejad, lasa any Amerika Latina sy ireo olana tsy mitsahatra mitombo ao an-tokatranony, ireo blaogera.

nik3.jpgNikahang, mpanao sariitatra malaza sady blaogera, mandray ny politika noklearin'i Ahmadjnejad

Gaga i Rozmaregi [teny Fa] fa lasa any Amerika Latina ny filoham-pirenena Silamo Iraniana mba hivory sy ho lasa naman'ireo mpitondra kaominista. Nolazain'ireo blaogera fa tsy hanonofy velively an'izany i Khomeini sy Che Guevara.

Ampian'ilay blaogera fa:

احمدی‌نژادورفقای چپش به‌شدت پوپولیست وعوام‌زده‌اندوبرای تحبیب قلوب عوام حاضرند دست به هرکاری بزنند.دیگر آن‌که هردو طرف آمریکا ونظام سرمایه‌داری رااصلی‌ترین دشمن خود می‌دانندوجنان‌که این دشمن مشترک سبب شده که آنان اختلافات تئولوژیک‌شان رابه دست فراموشی بسپارندوبرای صف‌ارایی درمقابل دشمن‌مشترک باهم متحد وهم‌پیمان شوند.
Tena mpanao kobaka am-bava i Ahmadinejad sy ireo namany avy ao amin'ny elatra ankavia ary vonona hanao izay tratry ny heriny handresena lahatra ny vahoaka. Heverin'izy ireo ihany koa fa i Etazonia sy ny rafitra kapitalista no fahavalo iombonan'izy ireo. Hanadinoan'izy ireo ny fahasamihafany ara-poto-kevitra izany ary mampiray azy ireo mba hiara-hiatrika ny fahavalo iombonana.

Milaza i Blue Future [Fa] fa ny foto-kevitr'i Ahmadnejad dia tsy azo oharina amin'ireo mpitarika ny elatra ankavia sahala amin'i Ortega na Chávez ao Amerika Latina. Inoan'ilay blaogera fa mampitombo ny fahantrana ny politikan'i Ahmadnejad fa tsy mampihena azy. Ampian'ilay blaogera hoe:

مگر همين احمدي‌نژاد نبود كه معتقد بود به جاي اشغال سفارت امريكا بايد سفارت شوروي اشغال شود. مشكل اساسي او و بسياري از كسان ديگر سوسياليسم است. آقايان و علماي ما راحت‌تر با سرمايه‌داري كنار مي‌آيند تا با سوسياليسم.
Ahmadinejad io ihany no nino fa ny masoivohon'ny Firaisana Sovietika no tokony ho nobodoina fa tsy ny masoivohon'i Etazonia. Ny olana izay atrehany, sahala amin'ireo maro hafa, dia ny Sosialisma. Mora kokoa ho an'ireny olom-pinoana ireny ny hanan-draharaha amin'ny kapitalisma noho ny miaraka amin'ny sosialisma.

Manambara miaraka amin'ny esoeso i Molla Hasani fa hamita fifanakalozana ara-barotra i Iràna, sahala amin'ireo fanondranana vatomamy mankany Kioba [Fa].

.Manoratra mikasika ny fiafaràn'ny Ahmadinejadism ao Iràna i Jomhour. Manazava ilay blaogera fa na ireo mpitarika ara-pinoana aza dia mitsikera ny governemanta nohon'ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny tsy fahaiza-mitantana. Manampy izy fa niantso an'i Ahmadnejad ny gazety mpandala ny nentin-drazana Repoblika Silamo mba hangina mikasika an'ireo olana nokleary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.