Meksika : Mihira ho amin ‘ny fandriampahalemana sy ny rariny ny antoko mpihiran’ny Acteal

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mpihira Amerikana Indiana, avy ao Atsimon’i Meksika ao amin’ny faritra ‘’tsoitsil’’ ao Chiapas, no mandrafitra ny antoko mpihiran’ny tananakelin’ny Acteal izay tsy manam-paharoa. Fomba hifandraisana mahavariana ity antoko mpihira ity. Tsy re firy any Meksika ny feon’ireo Amerikana Indiana, satria miaina amin’ny fahantrana isan’andro, ny mosary sy ny fanavakavahana ny ankamaroan’izy ireo, izay lohahevitra natao tao anatin’ireo hira izay hirain’izy ireo.

‘’Ny fitadiavana /fikatsahana ho amin’ny fandriampahalemana, ny fahamarinana ary ny filaminana ao amin’ny tanànakelinay sy manerana izao tontolo izao no hafatra ‘’. Nolazain’i Elena Gomez Santis ireo teny ireo, iray amin’ireo vehivavy mpihira ao amin’ity antoko mpihira ity, nandritra ny antsafa manokana niarahana taminy. Any amin’ny tanàna kely iray antsoina hoe : Naranjatic Bajo izy : ao amin’ny faritra ‘’Los Altos’’ izay nofaritan’ny bilaogy One Lucky Life ho : tanàndehibe iray voahodidin’ny tendrombohitra manana loko maitso isankarazany, ary ahitana ny rahona tena akaiky ka ahafahana mikasika azy ireo’

The Church of the tzotzil town Naranjatic Bajo taken by Andrea ArzabaNy fiangonana ao an-tanandehiben'i tsotsil ao Naranjatic Bajo. Sary nalain'i Andrea Arzaba

Nanazava  i Jorge Sifuentes, izay miasa ao amin’ny gazety nasionaly La Jornada, fa ny antom-pisian’io antoko mpihira io voalohany tamin’ny taona 1996 dia ny hahatsiarovana amin’ny fomba fijery ara-pinoana ny fandikan-teny ny Baiboly ho ‘’tsotsil’ izay fiteniny.

Na izany na tsy izany anefa dia nahita iraka vaovao indray ny antokom-pihira taorian’ny Vonoan’olona tao Acteal. Novonoin’ny tafika Meksikana tao amin’ny fiangonana iray ny Amerikana Indiana miisa 45, tao amin’ny renivohitra iray hafa tao amin’ny faritry ‘’Los Altos’’ io ihany, tany Acteal, tamin’ny taona 1997. Nanomboka nitaky tamin’ny alalan’ny hirany, ny rariny avy amin’ny governemanta ny antoko mpihira taorian’ity vonoan’olona ity ; io ihany koa no fomba iray entina hisarihana ny saina tamin’ny zava-nitranga tao amin’ity faritra ity. Mbola tsy nahitana ny rariny anefa izany hatramin'izao.

Nanatrika ny fahatsiarovana tao San Cristobal de Las Casas, ny bilaogera Leobardo Alvardo, izay nanatrehan’ireo sisa velona sy ireo havana akaikin’ireo olona nivavaka tao nandritra ny famonoana. Nandray anjara tamin’ity fotoam-pivavahana ity ihany koa ny antoko mpihiran’ny Acteal :

Al terminar la primera oración, el coro de Acteal conformado en su mayoría por mujeres y sólo cinco hombres, suben a la escalinata de la iglesia. Antonio anuncia su participación. Es un canto singular, atractivo. En el claman por los hombres y las mujeres masacrados. La estrofa es rica en ideales, sin metáforas.

Niakatra ny tohatry ny fiangonana ny antoko mpihira rehefa nifarana ny fivavahana voalohany izay nahitana vehivavy ny ankamaroany ary lehilahy miisa 5 fotsiny. Nanambara ny fandraisany anjara i Antonio. Tamin’ny hira hafahafa sy mahafinaritra izay nitomaniany ny fahafatesan’ireo lehilahy sy vehivavy izay novonoina. Tonga lafatra ny andininy izay tsy nahitana oha-pitenenana.

Indro ny santionany tamin’ilay hira :

Yo no puedo callar,
No puedo pasar indiferente,
Ante el dolor de tanta gente,
Yo no puedo callar,
No, no puedo callar,
Me van a perdonar amigos míos,
Pero ahora tengo un compromiso,
Y tengo que cantar la realidad

Tsy afaka ny hangina aho,
Tsy afaka ny tsy hiraharaha aho
Miaraka amin’ny fahorian’ny olona maro,
Tsy afaka ny hangina aho,
Tsia, tsy afaka ny hangina aho,
Aza omena tsiny aho ry namako isany,
Manomboka izao dia vonona aho
Ary tsy maintsy hihira ny zava-misy aho

Mbola mitaky ny rariny sy ny hitsiny hatrany ny antoko mpihira mba hanajana ny zon’ireo Amerikana-Indiana any Meksika. Feo maro no vonona hiampita sisintany miaraka amin’ny faniriana ho re sy hotohanan’ny vondrom-piarahamonim-pirenena sy iraisam-pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.