- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanasongadian'ny Blaogy Ny Horohorontany Tao Azia Atsimo

Sokajy: Azia Atsimo, India, Pakistana, Mediam-bahoaka

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Oktobra 2005

Tahaka izay nosoratan'i Neha Viswanathan, ilay mpamoaka ny lahatsoratray mikasika an'i Azia Atsimo omaly [1], ireo blaogera an'ny Sea Eat [2] izay nampiseho taminao an'ireo vaovao farany mikasika an'ireo niharan-doza, ireo vonjy aina sy ireo fahafahana manao fanampiana mikasika ny Tsunami tamin'ny taona 2004 [3], dia zavatra mitovy tamin'ny blaogy South Asia Quake Help [4] no nataony mikasika ny horohorontany tao Azia Atsimo.

Nanao asa mahatalanjona izy ireo tamin'ny alalan'ny fanavaozana isanandro ny vaovao. Manana ihany koa izy ireo rohy ilainao mankany amin'ireo zavatra azonao atao mba hanampiana.

Manisy tsindrimpeo i Anand [5] amin'ny lisitra fandaminana nekena handray ireo fanampiana ho an'ireo niharam-boina tamin'ilay horohorontany [6], natolotry ny Network for Good  [7]sy Yahoo!

Manana rohy maro i Dina [8] mankany amin'ireo fikambanana manaiky handray ireo fanampiana. Manondro vohikala iray ihany koa izy ao amin'ny vohikala peoplefinder [9] tantanin'ny Vokovoko Mena, ho an'ny vahoaka mikaro-baovao momba ny havan'izy ireo tsy hita.

Milaza amintsika i Angelo [10] fa fikambanana iray antsoina hoe Citizens Foundation (tapaka ny rohy) [11]no handrakitra eo amin'ny vohikalany ireo ezaka vonjy aina nataony. Misarika ny saina ihany koa izy mikasika ny antso atao amin'ireo dokotera miasa antsitrapo.

Misy marobe, betsaka lavitra eo amin'ny blaogy, ary betsaka no mipoitra isanandro.