Fanasongadian'ny Blaogy Ny Horohorontany Tao Azia Atsimo

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Oktobra 2005

Tahaka izay nosoratan'i Neha Viswanathan, ilay mpamoaka ny lahatsoratray mikasika an'i Azia Atsimo omaly, ireo blaogera an'ny Sea Eat izay nampiseho taminao an'ireo vaovao farany mikasika an'ireo niharan-doza, ireo vonjy aina sy ireo fahafahana manao fanampiana mikasika ny Tsunami tamin'ny taona 2004, dia zavatra mitovy tamin'ny blaogy South Asia Quake Help no nataony mikasika ny horohorontany tao Azia Atsimo.

Nanao asa mahatalanjona izy ireo tamin'ny alalan'ny fanavaozana isanandro ny vaovao. Manana ihany koa izy ireo rohy ilainao mankany amin'ireo zavatra azonao atao mba hanampiana.

Manisy tsindrimpeo i Anand amin'ny lisitra fandaminana nekena handray ireo fanampiana ho an'ireo niharam-boina tamin'ilay horohorontany, natolotry ny Network for Good sy Yahoo!

Manana rohy maro i Dina mankany amin'ireo fikambanana manaiky handray ireo fanampiana. Manondro vohikala iray ihany koa izy ao amin'ny vohikala peoplefinder tantanin'ny Vokovoko Mena, ho an'ny vahoaka mikaro-baovao momba ny havan'izy ireo tsy hita.

Milaza amintsika i Angelo fa fikambanana iray antsoina hoe Citizens Foundation (tapaka ny rohy) no handrakitra eo amin'ny vohikalany ireo ezaka vonjy aina nataony. Misarika ny saina ihany koa izy mikasika ny antso atao amin'ireo dokotera miasa antsitrapo.

Misy marobe, betsaka lavitra eo amin'ny blaogy, ary betsaka no mipoitra isanandro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.