- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistàna: Maneho Hevitra ny Bilaogy manoloana ireo Tsikeran'i Musharraf

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Mediam-bahoaka

Kely foana sisa no tsy nahavitan'ny Filoha Pervez Musharraf [1] niteraka loza teo amin'ny Fifandraisana amin'ny vahoaka tato ho ato [2]. Velon'ny feon'ny hagagàna, hatezerana sy rikoriko tanteraka [3] ireo bilaogy. Manontany tena [4] (pejy voafafa) ny amin'ny antony tena nanaovana ilay fanambarana i In the Bullpen. Manana ny heviny ny vondrompiarahamonina Feminist ao amin'ny Live Journal [5]. Manana lahatsoratra ahitàna fanehoankevitra mahaliana  [6](pejy voafafa) ny Dhimmi Watch.

Ilay Musharraf izay nanome toky [7] fa hanome fijery ‘mivantana’ kokoa ve izany ity? Manana lahatsoratra ahitàna ny heviny amin'ny zavamisy toy ny Take back the night [8]sy ny raharaha Musharraf ny Bilaogy Blast Furnace Canada. Manoratra momba ny fandavan'i Musharraf sy ny toeran'ny Washington Post [9] (rohy maty) ny Reality Cafe. Ny Feministing.com [10] kosa manoratra momba ny valintenin'ny PPP [11] manoloana ireo fanamarihana. Esoeso marobe kosa no ato [12]. Manoratra momba ny antony tsy hahitàn'i Musharraf ny tenany ao Oprah atsy ho atsy [13] (rohy maty), sy ny hevitri Mukhtaran Mai manoloana ireo fanamarihana ireo ny GOP Vixen. Manao hanihany ahafantarana azy manokana ny olive ream anatin'ny “Vava misokatra: Atsofoy ny Baotinà Miaramila” [14] (pejy voafafa).