Pakistàna: Maneho Hevitra ny Bilaogy manoloana ireo Tsikeran'i Musharraf

Kely foana sisa no tsy nahavitan'ny Filoha Pervez Musharraf niteraka loza teo amin'ny Fifandraisana amin'ny vahoaka tato ho ato. Velon'ny feon'ny hagagàna, hatezerana sy rikoriko tanteraka ireo bilaogy. Manontany tena (pejy voafafa) ny amin'ny antony tena nanaovana ilay fanambarana i In the Bullpen. Manana ny heviny ny vondrompiarahamonina Feminist ao amin'ny Live Journal. Manana lahatsoratra ahitàna fanehoankevitra mahaliana (pejy voafafa) ny Dhimmi Watch.

Ilay Musharraf izay nanome toky fa hanome fijery ‘mivantana’ kokoa ve izany ity? Manana lahatsoratra ahitàna ny heviny amin'ny zavamisy toy ny Take back the nightsy ny raharaha Musharraf ny Bilaogy Blast Furnace Canada. Manoratra momba ny fandavan'i Musharraf sy ny toeran'ny Washington Post (rohy maty) ny Reality Cafe. Ny Feministing.com kosa manoratra momba ny valintenin'ny PPP manoloana ireo fanamarihana. Esoeso marobe kosa no ato. Manoratra momba ny antony tsy hahitàn'i Musharraf ny tenany ao Oprah atsy ho atsy (rohy maty), sy ny hevitri Mukhtaran Mai manoloana ireo fanamarihana ireo ny GOP Vixen. Manao hanihany ahafantarana azy manokana ny olive ream anatin'ny “Vava misokatra: Atsofoy ny Baotinà Miaramila” (pejy voafafa).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.