Ny bilaogera Iraniana sy ny resaka nokleary: tsy mila krizy intsony azafady!

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nikasa ny hanohy ny fandaharan'asa nokleary ny fanjakana Iraniana, amin'ny fomba rehetra, ao anatin'izany ny fampitomboana ny oranioma. Afa-manampy an'i Iran amin'ny fahazoana baomba nokleary ity fampitomboana ity. Nandresy lahatra an'i Iran tamin'ny fomba rehetra mba hampitsahatra ny fandaharan'asany momba ity fampitomboana ity i Etazonia sy Eoraopa. Niatrika sazy noho izany i Iran sy ireo Iraniana ary maro no natahotra ny ady Etazonia-Irak. Bilaogera Iraniana maro no naneho ny heviny momba ity raharaha mafana ity.

Ao amin'ny Webnevesht, nanoratra tao amin'ny bilaoginy amin'ny teny Anglisy ny filoha lefitra reformista teo aloha fa tsy naharesy lahatra ny firenena hafa momba ny programa nokleary Iraniana nandritra ny diany tany amin'ny Firenena Mikambana i Atoa Ahmadinejad. Araka ny nolazain'ity mpanao politika reformista sady bilaogera ity hoe:

“It is possible not to enter the playfield of the diplomacy and the global relations or to set new rules to a new field and to play with only those present in that field but it is impossible to enter the global playfield and set new rules for it. He says The only successful and proud diplomacy, is the one to the benefit of the nation and not the boastful and proud words that could work against the nation and the country”.

“Azo atao ny tsy miditra amin'ny sehatra misy ny diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena na hametraka fitsipika vaovao amin'ny sehatra vaovao ary tsy hiara-hiasa afa-tsy amin'ny olona ao amin'ity sehatra ity ihany kanefa tsy afaka miditra amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary hametraka fitsipika vaovao ho amin'izany. Nilaza izy fa ilay ho an'ny tombontsoan'ny firenena no hany diplaomasia tokana mahomby sy hireharehana, fa tsy ny teny mieboebo sy mirehareha izay mety hanohitra ny firenena sy ny tanindrazana” .

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy amin'ny teny Farsi i Behnoud, mpanao gazety Iraniana avy any Londres, nandritra ny taona maromaro fa manohy ny adin'i Iran-Iraka tamin'ny taompolo 1980 ny mpitarika Islamika sasantsasany tamin'ny alàlan'ny famoronana ny fihetseham-po nasionaly na ara-pinoana teo amin'ny vahoaka. Ireo mpitondra ireo ihany no eo amin'ny fahefana ary mikasa ny hampiasa ny fomba toy izany mba hanentanana ny vahoaka ho amin'ity krizy nokleary ity. Nilaza izy avy eo fa miaina tontolo vaovao hafa isika ary tsy mety intsony ny fomba fiasa taloha .

Namerina ny Repoblika Islamika fa hanohy ny fandaharany amin'ny anaran'ny fitiavan-tanindrazana sy ny firenena Iraniana izy ireo. Abdi , mpanao politika reformista sady mpanao takalon'aina teo aloha tao amin'ny Masoivoho Amerikana tamin'ny taona 1979, nilaza fa nahoana no tsy misy olona manan-jo haneho ny heviny afa-tsy ny Fanjakana Iraniana raha firenena no resahana.

Angamba maro niara-niteny tamin’Atoa Behi, izay nonina tao amin'ny firenena nandritra ny adin'i Iran-Irak hoe,

I don’t want to see Iran under sanctions again. This government first cares about its ideology then its people…It is enough”

Tsy te-hahita an'i Iran ho voasazy indray aho. Ny fiheran-keviny aloha no voalohany ho an'ity governemanta ity ary avy eo ny vahoakany … Ampy izay “

Afa-mahita bilaogera toa an'i hajhamid, bilaogera pro-Hezbollah, manohana ny politikan'ny Repoblika Islamika amin'ny resaka nokleary isika. Naverin'izy ireo tao amin'ny bilaoginy dikanteny ofisialin'ny tantara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.