Nakatona ilay bilaogy Shinoa andro vitsy monja taorian'ny nanendrena azy hifaninana ho an'ny fanehoan-kevitra malalaka

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanameloka ny fanivanana ny bilaogin'ny mpanoratra mpomba ny demaokrasia Wang Yi ny Reporters Without Borders, izay nakatona andro vitsy taorian'ny nanendrena azy ho ao anatin'ny sokajy “fahalalàhana miteny” tamin'ny fifaninanana bilaogy nokarakarain'ny onjam-peo Alemana Deutsche Welle.

Nanakatona ny bilaogy noho ny baikon'ny birao fanaraha-maso ny aterineto ao amin'ny faritanin'i Hai Nan (atsimo-andrefan'i Guangzhou) ny orinasa izay nampiantrano ny tranonkala Tianya. Nahita hafatra milaza fa “tsy azo idirana intsony” ny bilaogy rehefa niezaka niditra tamin'izany ny mpisera aterineto.

Wang, mpampianatra iray tao amin'ny Oniversiten'i Chengdu ao amin'ny faritany atsimo andrefan'i Sichuan sady mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny mpanoratra iraisam-pirenena PEN no namorona voalohany ilay tranonkala mba hametrahana ny asa soratra rehetra amin'ny toerana iray. Novainy ho bilaogy tsikelikely mifandraika amin'ny lohahevitra saro-pady izany.  Momba ny fanentanana nataon'ireo tantsaha tany amin'ny faritanin'i Guangdong hanalana ny lehiben'ny tanànakely iray izay voampanga ho nanao kolikoly ny iray tamin'ireo lahatsorany farany.

Niezaka nanakana ny fidirana tamin'ilay bilaogy nandritra ny enim-bolana ny manampahefana. “Raha vantany vao nahita fomba iray nahafahana niala ilay rafitra fanivanana aho dia nampiasa teknika vaovao ny polisy tao an-toerana hanivanana ny bilaogiko,” hoy i Wang. Nanampy izy fa “tezitra mafy” tamin'ny orinasa Tianya sy ny manampahefana Hai Nan izy noho ny fanakatonana ny bilaoginy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.