- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Britney Spears Miozolomana?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Israely, Maraoka, Fivavahana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2008)

Satria tsy ampy ny tabataban'ny media manodidina azy, ny vaovao farany dia hoe mihevitra hivadika ho Silamo [1]Britney Spears [2] mba hanambady ilay sakaizany paparazzo teratany Pakistaney, Adnan Ghalib [3]. Tsy tana fa niresaka momba izany ireo bilaogera Afovoany Atsinanana sy Afrikana Avaratra.

Alarabiya.net nitatitra ny tantara [4] tamin'ny Alahady ary nahazo fanehoan-kevitra efa ho 100. Mpamaky iray niahiahy:

I hope she finds true Islam out of a sincere calling. It would correct her life that's for sure. But to convert just to marry a man that is only Muslim by name isn't what Islam needs. Either way I wish her the best and welcome her to Islam.

Manantena aho fa hahita ny tena Silamo avy amin'ny antso marina izy. Azo antoka fa hanitsy ny fiainany izany. Saingy tsy ilain'ny Silamo ny hoe hiova fotsiny mba hanambady lehilahy iray izay silamo amin'ny anarany. Na izany na tsy izany, mirary azy ny tsara indrindra aho ary miarahaba azy tongasoa amin'ny finoana silamo.

Iray hafa mametraka mazava tsara izany:

She is the LAST thing Islam needs right now.

Izy no zavatra FARANY ilain'ny Islamo ankehitriny.

Mpamaky iray faly taminy:

i think its a very good desicion for britney and she will be very happy person by converting to islam. she will be living a true life with the true religion, there will be no more drugs for her only a clean happy life for her and her kids! GOD BLESS YOU BRITNEY and WE PRAY FOR YOU!

Heveriko fa fanapahan-kevitra tsara ho an'i britney izany ary ho olona sambatra izy amin'ny fivadihany ho Silamo. Hiaina ny fiainana marina miaraka amin'ny fivavahana marina izy, tsy hisy intsony ny zava-mahadomelina ho azy fa fiainan-tsambatra ho azy sy ny zanany! ANDRIAMANITRA HITAHY ANAO BRITNEY ary MIVAVAKA HO ANAO IZAHAY:

Hoy ny iray hafa:

the doors to God's mercy and forgiveness are always opened regardless of what sins have been done. if she wants to be a Muslim then its a great option for her and i wish she truely finds the love of God in her heart.

Misokatra foana ny varavarana ho an'ny famindram-pon'Andriamanitra sy ny famelan-keloka na inona na inona fahotana natao. Raha te-ho Silamo izy dia safidy tsara ho azy izany ary maniry azy aho mba tena hahita ny fitiavan'Andriamanitra ao am-pony.

Ary mbola nahatsapa ny hafa fa mety hitondra soa ho an'i Britney ny finoana silamo, raha tsy hiresaka afa-tsy fitafy.

I think the whole world would benefit if [Britney Spears] put on the hijab! A little modesty is just what that deluded starlet needs~!

Heveriko fa handray soa izao tontolo izao raha toa ka manao hijab [Britney Spears]! Ny fanetre-tena kely no tena ilain'ity kalaza ity  ~!

Bilaogera Maraokana Laila Lalami kosa tsy dia faly  [5]loatra tamin'ny fanapaha-kevitr'i Britney:

And all I can say is: Our nut house is full, Britney. Please take up another religion, we have enough crazies of our own.

Ny hany azoko lazaina dia: Feno ny trano voanio anay, Britney. Misafidiana finoana hafa, efa leo ireo adala ato aminay izahay

Bilaogera Egyptian Chronicles maniry ireo media mba tsy hanelingelina an'i Britney: [6]

Look I feel very sad for Britney but can we please just stop talking about Religion and race because from what I see that this guy is using her to get more attention for him and for his photo agency ,already I feel very sad for Britney Spears and sadder for her kids , all what she needs is to stay in Rehab or see a shrink that really does not care about media and fortune and wants really to help her.

Toa mahatsapa malahelo an'i Britney aho saingy afaka mangina fotsiny ve isika momba ny Finoana sy ny foko satria araka ny zavatra hitako, dia mampiasa azy ilay lehilahy mba hisarihana ny saina bebe kokoa ho azy sy ny orinasany momba ny sary, efa malahelo be an'i Britney Spears aho sy malahelo ireo zanany, ny zavatra tena ilainy dia ny mijanona ao amin'ny fahasitranana na mitady olon-kafa tsy tena miraharaha ny media sy ny harena ary maniry ny tena hanampy azy.

Avy amin'i Isiraely, namehy ity fanehoan-kevitra ity ny The Elder of Zion mamintina izay lazainy amin'ny lohateny hoe “Britney anaty Burqa? [7]“:

Good luck with the jiyza & submission thingy Brit!

Mirary soa miaraka amin'ny jiyza &  fanekena ny zavatra Brit!

sy

Cover(ed) Girl.

Tovovavy Rakotra

Mpamaky iray namazivazy hoe:

Scientologists – its celebrity members include Tom Cruise and John Travolta – believe humans are descended from space aliens.

Brittny is living proof of this.

Siantôlôgy – ireo mpikambana malaza ahitana an'i Tom Cruise sy John Travolta – dia mihevitra fa taranaka avy amin'ny “extra-terrestre” ny olombelona.

Porofo velona amin'izany i Britney.

Bilaogera monina any New York Hahmed.com namaly ny tantara, ary nilaza hoe:

Wow… you can’t make this up

Wow, tsy mahavita izany ianao

Mpaneho hevitra Umm Layth [8] avy any Frantsa mivavaka ho an'i Britney:

I’ve been making du’aa’ for Britney since I heard her say she didn’t know her purpose in life. Allahu ‘Alim what Allah (SWT) has in store, but we know that it would save her life and turn things completely around, insha’Allah (SWT). Let us also remember that she’s just human.

Nivavaka ho an'i Britney aho hatramin'ny nahenoako azy nilaza fa tsy fantany ny tanjony eo amin'ny fiainana. Allahu ‘Alim, inona no atolotr'i Allah (SWT) ho azy, nefa fantatsika fa hamonjy ny fiainanjy izy ary hamadika tanteraka ny zava-drehetra, insha'Allah (SWT). Tsarovy koa fa olombelona ihany izy.

Saingy Sabdi2 [9] avy any Etazonia kosa manontany raha Silamo i Adnan Ghalib:

Is Adnan even muslim? If you google his name you find multiple images of him clearly wearing a cross.

Silamo tokoa ve Adnan? Raha mi-google ny anarany ianao dia mahita ny sariny maromaro manao lakroà mazava.

Ny fotoana ihany no hilaza raha marina ity tantara ity, tsy maintsy miombon-kevitra amin'ny Egyptian Chronicles [6] aho.
– Mitady ho adinontsika fa olona tahaka antsika rehetra i Britney. Tsy fantatro raha izany no safidiny marina ho azy, raha izany no izy, mirary fahefana bebe kokoa ho azy amin'ny famaritana izay tiany. Antenaina fa tsy hoentina handehandeha izy.