Mitady Mpiandraikitra Sora-miafina Tsy Miasa Mandritra Ny Andro Iray Manontolo ny Global Voices

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2013)

Mitady mpanamboatra sy mpiandraikitry sora-miafina amin'ny tranonkala izay tsy miasa mandritra ny andro iray manontolo ny Global Voices mba hanampiana amin'ny fitazonana sy fanavaozana ireo WordPress sy tranonkalanay mifototra amin'ny LAMP, miara-miasa akaiky amin'ny mpiandraikitra voalohany ny sora-miafina ato aminay.

Tokony hanana traikefa amin'ny bikabika sy fanoratra miafina ho an'ny WordPress ireo kandidà idealy amin'izany, anizan'izany ny ventinkevitra sy ny plugin API.

Tsy misy fepetra ara-jeografila miaraka amin'ity toerana ity. Fikambanana virtoaly tsy manana birao ny Global Voices. Tokony hahay hifehy tena ary afaky ny hanefa ny andraikiny amin'ny alalan'ny torohevitra vitsy ireo kandidà, fa ihany koa, afaka ny hiara-hiasa avy lavitra miaraka amin'ny ekipan'ny Global Voices.

FAHAIZANA TSY MAINTSY ANANANA

  • HTML (XHTML/HTML 5)
  • CSS
  • PHP
  • Bikabika sy fitantanana WordPress

FAHAIZANA MANAN-DANJA

  • Endrika (Photoshop/Illustrator)
  • Famokarana plugin WordPress
  • Famokarana ventninkevitra WordPress
  • Fitantanana Linux/Apache/MySQL
  • CSS misosa/mailaka famaly
  • Fanaraha-maso ny dika (Git/SVN)
  • Fampidirana ny famokarana ho amin'ny finday sy tablety

Tena raisinay an-tànan-droa tsara ireo kandidà avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana, ary mandrisika ireo olona miasa ao amin'ny tetikasa Global Voices amin'izao fotoana izao mba hisoratra anarana.

Raha liana ianao, mandefasa CV sy taratasy milaza fahalianana manazava ny mahatonga anao ho kandidà tsara ho an'ilay asa amin'ny: adminjob AT globalvoicesonline DOT org tsy taran'ny amin'ny 4 Martsa 2013.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.