- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manoratra i Tiorkia… Desambra 2005

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2005)

…tsy dia misy zavatra be tamin'ity herinandro ity…izay somary mahagaga, fa ny zavatra iray mikasika ny Tontolon'ny Blaogy dia ny hoe mandroso mihemotra ny adihevitra…
angamba toa ahy daholo ny rehetra, miasa mafy amin'ny fanadinana sy tetikasa… na angamba mihaino/mamaky mikasika ilay Fihaonana An-tampon'ny Global Voices 2005 ao Laondra [1] avokoa ny rehetra…
Ito ny zavatra hitako tao amin'ny Tontolon'ny Blaogy Tiorka tamin'ity herinandro ity:

Metroblogging: Manoratra mikasika ny fiovan'ny fizarantaona ao Istanbul [2]l i Istanbul ary mikasika ny fiarahamonina an-tambajotra iray izay mifantoka amin'ny tontolon'ny zavakanto ao an-toerana amin'ny tanàna maro isan-karazany ao Tiorkia [3].

Manoratra mikasika ny Tiorka mivavaka ho an'ireo Alemana natao takalon'aina any Iraka [4] ny The White Path. Raha toa ka mahaliana ity lahatsoratra ity, jereo avokoa ireo rohy/resaka rehetra ao amin'ny fanehoankevitr'ity lahatsoratra ity satria miresaka ny toetry ny herisetra ao anatin'ny finoana Silamo izany.

Idil from Ignore me if you can posts about how the Turks get a bad rap about their prisons, but that we need to remember that the US has CIA prisons [5]. And she also addresses the New Years/Christmas mania in Istanbul. [6]

Mamoaka lahatsoratra mikasika ny mahazo ireo Tiorka any amin'ny fonjany i Idil avy ao amin'ny Ignore me if you can, fa ny zavatra tokony tsiahivintsika dia manana ny fonjan'ny CIA i Etazonia [5]. Ary miresaka mikasika ny fahazarana raiki-tampisaka isaky ny Voalohan'ny Taona/Krismasy ao Istanbul [6] ihany koa izy.

Manoratra momban'i Recep Ceser [7], ilay mpanjaitra monina ao Istanbul nanao ny akanjo nitafian'i Saddam Hussein nandritra ny fitsarana azy i Talk Turkey.

Manana fandikan-tenin'ny tononkalo iray avy amin'i Atilla IIhan [8] i Mavi Boncuk.

Ary manana lahatsoratra tsy misy dikany ny Amerikan Turk mikasika ny fanehoankevitra vao haingana nataon'ny Filohan'i Iràna tamin'ny filazana fa tokony hafindra ao Eoropa i Israely [9].

Indrisy, tsy misy zavatra mahaliana tamin'ity herinandro ity (voafetra ny fotoanako) fa hiezaka ny hanarina izany aho amin'ny herinandro manaraka eo! Mandra-pihaona, kendini iyi bak! (Karakarao tsara ny tenanao!)