- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manoratra i Tiorkia…(Janoary 2006)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2006)

Mitondra fahafatesana iray vokatry ny gripam-borona [1] tao Tiorkia ny herinandro voalohany amin'ny taona vaovao. Nitatitra ny Erkan's Field Diary fa hita tany amin'ny toerana an-drenivohitra sy ambanivohitra [2] ny trangana gripa azo avy amin'ny vorona [2], vaovao izay mandà ny mety hisian'ny fifandraisana amin'ny Kiorda izay resahin'ny Amerikan Turk [3].

Ho avy ny 10 Janoary ny Eid al-Aida, Fetin'ny Sorona [4], izay efa fotoana mahaliana foana isantaona satria misy ”olana” mitranga foana amin'ny fiezahana ny hanazatra ny olona amin'ny fanaovana sorona amin'ny toerana an-drenivohitra (biby vonona ny ho atao sorona voavotsotra ary mirenireny manerana ny lalana), miresaka mikasika ireo amboaram-pitsipi-pifehezana nampidirina mba hiadiana amin'ny toe-javatra toy ireny [5] i Phanja avy amin'ny The Need to Know.

Ary ankehitriny, avy amin'ny fanavaozana maika sasantsasany:

Mba hanombohana tsara ny taona vaovao, manana hainahandro maromaro ny Turkish Torque mba hanamboarana ny Turkish Delight [6] (sakafo mamy iray tena tiako saingy tsy vitako mihitsy ny nanao izay azo hanina). Manana torohay koa izy momba ireo Uygurs [7] any Shina, izay taranaka avy aminà Tiorka

Metroblogging: manoratra mikasika ny Toy Museum in Kadikoy, Istanbul  [8]i Istanbul.

Mamoaka lahatsoratra mikasika ny isa faran'ny mponina ao Tiorkia (73 tapitrisa – kay!) ny Erkan's Field Diary ary koa mikasika ny fanemorana ny fanompoany firenena anaty tafika [9].

Miresaka mikasika ilay loza mahatsiravina tamin'ny toerana fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tao Virzinia Andrefana, Etazonia [10]Talk Turkey ary miresaka mikasika ny loza toy izany izay nitranga tao Tiorkia [11].