- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanentanana Takio ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ao Kambodza

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Janoary 2006)

Ribbonfull184x89 [1]

Tamin'ny Fiandohan'ny Taona, nanakoako ireo asan'ny Governemanta Kambodziana mba hampanginana an'ireo tsikera atao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, narahin'ireo fisamborana mpikatroka  [2] Mpiaro ny Zon'Olombelona Kem Sokha, Yeng Virak ary Pa Nguon Teang. Ireo fisamborana ireo dia nateraky ny sora-baventy narantiranty noho ny Andro Natokana ho an'ny zon'olombelona [3] natao ny 10 Desambra 2005.

Nalefa tao am-ponjan'i Prey Sar ireo vao avy nosamborina,  niaraka tamin'ilay mpanao gazety Mam Sonando sy ny mpitarika sendikalin'ireo mpanabe Rong Chhun,samy voasambotra telo volana talohan'izao. Nosamborina izy ireo noho ny fomba fijeriny nanakiana ireo asan'ny governemanta mifandraika amin'ireo olana saropady momba ny sisintany eo anelanelan'i  Kambodza sy Vietnam.

Licado, Fikambanana iray Kambodziana tsy Miankina, mpiaro Zon'olombelona, no nandefa fanentanana mba hisarihana saina mikasika an'ireny fanararaotana ireny sy hakàna ny fanohanan'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena ho an'ireo voafonja, amin'ny alalan'ny fametrahana sora-baventy mavomavo an'ny Fikambanana Ho amin'ny Fahalalahana Maneho Hevitra ao Kambodza (ery ambony) eo amin'ny blaoginareo na ny vohikalanareo,.