- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Akon'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana – Aog 2005

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2005)

Manoratra momba ny fanakona-masoandro (eclipse solaire) hitranga ao Tonizia amin'ny 3 Oktobra [1] 2005 i Adib, izay saiky ho fanakona-masoandro tanteraka 98%. Tsara jerena indrindra avy eny an-tanàna atsimon'i Douz, vavahady ho an'ny Sahara Toniziana izany. Misy ny fetibe fanakona-masoandro [2] ho atao any an-tanàna oasis atsimo any Tamerza.

Houssein manoratra ny tsy fahombiazan'ny Firenena Mikambana amin'ny mahaolombelona [3], ​​ary tsy tokony hanantena zavatra be avy amin'ny tantaran'ny fanavaozana manontolo avy amin'ny Firenena Mikambana isika.

Notontosaina tao amin'ny café Montmartre tao Menzah 6 andro lasa izay ny fivorian'ny bilaogera vitsy toniziana mba hanao veloma sy hirary soa an'i Zizou  [4]izay handeha any Libanona hianatra any amin'ny AUB. Nibilaogy momba ny fiainana ao Beirota, ny oniversite, ny fitadiavana trano sy ny sisa [5] izy.

Karim kosa mandinika ny fanokafana indray ny fivarotana Monoprix ao amin'ny faritra Lafayettte  [6]any afovoan-tanànan'i Tunis. Toa tsara kokoa izy ankehitriny; maoderina kokoa, voalamina tsara kokoa, feno entana maro hisafidianana sy ny sisa.

Nawarat manoratra momba ny andian-tsarimihetsika mampihomehy vaovao,  [7] “Choufli Hal” (Itadiavo vahaolana aho) [7], izay momba ny fiainana andavanandron'ny mpitsabo saina iray sy mpisikidy iray miara-mipetraka, izay ho alefan'ny fahitalavitra Toniziana amin'ity Ramadany ity. Be mpijery be ny fahitalavitra Toniziana amin'ny Ramadan noho ireo andian-tantara Toniziana tena tsara izay vononon'izy ireo mandritra ny volana.

Faly i Chouchitou mahita fa nanangana ny tranokalany vaovao miaraka amin'ny mety hisian'ny fanomezana tapakila an-tserasera  [8]ny Tunisair, zotram-piaramanidina ofisialy Toniziana. Ny famandrihana an-tserasera voalohany 300 dia mahazo fihenam-bidy 25% hatramin'ny 50%.

Kartago  [9]indray nahita sary karatra paositra an'i Tonizia [10]. Tena manintona izy ireo.

K-pax manoratra ny tsy fahavitany tsy mihinana Ftira toniziana fahiny matsiro [11] (Mofo [12], karazana toy ny menakely tsy misy lavaka), rakotra siramamy na miaraka amin'ny aviavy vitsivitsy.

Hatem manoratra ny lisitr'ireo toerana masina Miozolomana ao amin'ny Wikipedia izay feno vaovao diso [13] sy tanàna sy fasana maro, ary nanindry fa ny toerana masina tokana amin'ny finoana Silamo dia Lameka, Medina ary Jerosalema.

Zied manontany tena raha fanavakavaham-bolokoditra ireo fanehoan-kevitra sasantsasany ampiasain'ny tanora Toniziana any amin'ny fivarotana kafe [14], na dia tsy lazaina amin'ny fomba sy feo manavakavaka aza izy ireo.

Moufattich Kaaboura niezaka nandoko sary Arabo sasany amin'ny fampiasana lokorano [15] saingy tsy afa-po tamin'ny vokatra, nefa koa mihevitra fa mahaliana izany ary hiezaka hanatsara izany izy.

La Blogeuse mitondra antsika ny valin'ny fifaninanana Top Model Tunisie 2005 [16].