Akon'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana – Aog 2005

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2005)

Manoratra momba ny fanakona-masoandro (eclipse solaire) hitranga ao Tonizia amin'ny 3 Oktobra 2005 i Adib, izay saiky ho fanakona-masoandro tanteraka 98%. Tsara jerena indrindra avy eny an-tanàna atsimon'i Douz, vavahady ho an'ny Sahara Toniziana izany. Misy ny fetibe fanakona-masoandro ho atao any an-tanàna oasis atsimo any Tamerza.

Houssein manoratra ny tsy fahombiazan'ny Firenena Mikambana amin'ny mahaolombelona, ​​ary tsy tokony hanantena zavatra be avy amin'ny tantaran'ny fanavaozana manontolo avy amin'ny Firenena Mikambana isika.

Notontosaina tao amin'ny café Montmartre tao Menzah 6 andro lasa izay ny fivorian'ny bilaogera vitsy toniziana mba hanao veloma sy hirary soa an'i Zizou izay handeha any Libanona hianatra any amin'ny AUB. Nibilaogy momba ny fiainana ao Beirota, ny oniversite, ny fitadiavana trano sy ny sisa izy.

Karim kosa mandinika ny fanokafana indray ny fivarotana Monoprix ao amin'ny faritra Lafayettte any afovoan-tanànan'i Tunis. Toa tsara kokoa izy ankehitriny; maoderina kokoa, voalamina tsara kokoa, feno entana maro hisafidianana sy ny sisa.

Nawarat manoratra momba ny andian-tsarimihetsika mampihomehy vaovao,  “Choufli Hal” (Itadiavo vahaolana aho), izay momba ny fiainana andavanandron'ny mpitsabo saina iray sy mpisikidy iray miara-mipetraka, izay ho alefan'ny fahitalavitra Toniziana amin'ity Ramadany ity. Be mpijery be ny fahitalavitra Toniziana amin'ny Ramadan noho ireo andian-tantara Toniziana tena tsara izay vononon'izy ireo mandritra ny volana.

Faly i Chouchitou mahita fa nanangana ny tranokalany vaovao miaraka amin'ny mety hisian'ny fanomezana tapakila an-tserasera ny Tunisair, zotram-piaramanidina ofisialy Toniziana. Ny famandrihana an-tserasera voalohany 300 dia mahazo fihenam-bidy 25% hatramin'ny 50%.

Kartago indray nahita sary karatra paositra an'i Tonizia. Tena manintona izy ireo.

K-pax manoratra ny tsy fahavitany tsy mihinana Ftira toniziana fahiny matsiro (Mofo, karazana toy ny menakely tsy misy lavaka), rakotra siramamy na miaraka amin'ny aviavy vitsivitsy.

Hatem manoratra ny lisitr'ireo toerana masina Miozolomana ao amin'ny Wikipedia izay feno vaovao diso sy tanàna sy fasana maro, ary nanindry fa ny toerana masina tokana amin'ny finoana Silamo dia Lameka, Medina ary Jerosalema.

Zied manontany tena raha fanavakavaham-bolokoditra ireo fanehoan-kevitra sasantsasany ampiasain'ny tanora Toniziana any amin'ny fivarotana kafe, na dia tsy lazaina amin'ny fomba sy feo manavakavaka aza izy ireo.

Moufattich Kaaboura niezaka nandoko sary Arabo sasany amin'ny fampiasana lokorano saingy tsy afa-po tamin'ny vokatra, nefa koa mihevitra fa mahaliana izany ary hiezaka hanatsara izany izy.

La Blogeuse mitondra antsika ny valin'ny fifaninanana Top Model Tunisie 2005.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.