Global Voices tao amin'ny Tambajotra Omidyar

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Napetraka ny fangatahana ho an'ny vondrona ao amin'ny tambajotra Omidyar. Nasaina hitsidika izany ny mpikambana raha mbola tsy tao anatin'izany. Vondrom-piarahamonina tena mahaliana mifototra amin'ny rafitra wiki/bilaogy manana rafitra malaza tena mahaliana izy io. Fifangaroana mpikambana mahaliana tsy toy ny mahazatra ihany koa. Koa satria fikambanana mampifandray ny GV, dia nisy ny fanapahan-kevitra ny hanandrana hijery sy handraisana mpikambana. Etsy ankilany, mora ho an'ny mpikambana GV ny niditra tamin'ny Tambajotra Omidyar sy nisoratra anarana tao. Ny fomba tsotra atao rehefa miditra ao dia ny manendry ny anaran'ireo olona izay mahaliana sy mahita ny toerana izay nanoratan'izy ireo mba hahitana ireo fifanakalozan-kevitra mahaliana. Azo natao ny nanampy ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny lisitra mba hanarahana izany. Nisy ny fitadiavana “mpanohana” maro kokoa ho an'ny vondrona GV ka raha nasaina nandray anjara tamin'ny ekipa mpanohana ireo izay nisoratra anarana na efa nanana kaonty. Ity ny rohy http://www.omidyar.net/group/globalvoices/

Ny rohin'ny pejy voalohany ho an'ny tambajotra Omidyar dia: http://www.omidyar.net/home/

Fanavaozam-baovao: Mbola tsy ampy ny mpanohana taty aoriana kely ka tsy tafapetraka ny vondrona. Natao ny fanentanana ny fandraisana anjara mba hananganana ny tetezana fampifandraisana.

Fanavaozam-baovao 2: Nisy avy eo ny vondrona tao amin'ny Tambajotra Omidyar antsoina hoe Better World Media (Fampitam-baovao ho an'Izao Tontolo Izao Tsara Kokoa) izay toa mifanindry amin'ny mahaliana antsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.