MENA: Brrrrrrrrrrrrrr…Mangatsiaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2008)

Brrrr … Mangatsiaka be eto Afovoany Atsinanana no hafatra nirongatra tamin'ny bilaogy vao haingana. Ity ny famintinana izay nolazain'ireo bilaogera sasany momba ny hatsiaka ao amin'ny faritra, ao amin'ny toerana mafana sy indraindray mibaliaka masoandro manerantany.

Katara:

Tao Qatar no nijanonanay voalohany, izay namaritan'i Marjorie in Qatar ny hatsiaka ao amin'ny firenena izay tsy mahazatra ny fampiasana fitaovana manome hafanana. Manoratra izy:

(S)even degrees is pretty dang cold in a country with no heaters. Right now I'm huddled under a blanket with my cat. At least I'm not in Riyadh, which is getting below freezing at night, or in mountainous parts of the UAE, where it's *snowing*.

Mangatsiaka loatra ny sivy degré ao amin'ny firenena tsy misy fitaovana fanafanàna. Amin'izao fotoana izao dia mihiboka anaty bodofotsy miaraka amin'ny sakako aho. Farafaharatsiny aho tsy any Riyadh, izay mbola mangatsiaka be amin”ny alina, na any amin'ny faritra be tendrombohitra any Emirà Arabo Mitambatra, izay misy oram-panala.

Niaina orana taorian'ny sivy volana “main-tany” ihany koa i Dan.

“Doha, this crazy, desert town was besieged by rain. It is oddly refreshing and comforting to feel raindrops on your face after 9 dry months in Qatar. The last rain that I remember here was way back in April.. Its a good thing that it was so long ago too – I had forgotten the mania of Doha in the wet. Yesterday alone I saw 5 car accidents (normally its 1)..
Doha is not built for rain. Streets get flooded, drivers get enraged (or petrified depending on their disposition), buildings leak water (and wind) and even the mice try to venture in for shelter..” he explains.

“Doha, tratra ny orana ity tanàna adala sy tany efitra ity. Mangatsiaka hafahafa sy manome aina ny fahatsapana ireo orana mitete eo amin'ny tavanao taorian'ny sivy volana main-tany tany Qatar. Ny orana farany tsaroako tany dia tamin'ny volana Aprily. Zavatra tsara fa efa ela ihany koa no nanadinoako ny hamandoana tao Doha. Omaly monja aho dia nahita lozam-piarakodia 5 (amin'ny ankapobeny nefa 1).
Tsy namboarina ho an'ny orana i Doha. Lasa tondra-drano ny arabe, tezitra ny mpamily (na matahotra arakaraka ny misy azy ireo), misy rano very amin'ny tranobe (ary rivotra) ary na ny totozy aza miezaka manandrana hialokaloka “, hoy ny fanazavany.

Tsindrio eto raha hijery ny sarin'i Dan sasany.

Manoratra ao amin'ny Qatar LivingAjnas manipika ny maha-mampidi-doza ireo latsak'orana sy ny voka-dratsiny eo amin'ireo mpamily sy ny mpampiasa lalana. Hoy izy:

A total of 153 traffic accidents have been reported in and around Doha during the first day of rains, local Arabic daily Arrayah reported.
There were 35 accidents in Khalifa Town. An Asian young man suffered injuries when he was knocked down by a car while crossing Al Sadd Street.
Al Rayan saw 30 accidents, including 10 severe ones. Al Mamoura had 88 accidents, without injuries.

Nahatratra 153 ny lozam-pifamoivoizana notaterina tany Doha sy manodidina azy nandritra ny andro voalohany nisian'ny orana, araka ny tatitra avy amin'ny gazety Arabo ao an-toerana, Arrayah.
35 ny lozam-pifamoivoizana tao an-tanànan'i Khalifa. Tovolahy Aziatika iray no naratra mafy raha nodomin'ny fiara teo am-piampitana ny Araben'i Al Sadd.
Al Rayan kosa nahitana lozam-pifamoivoizana 30, ka mahery vaika ny 10 tamin'izany. Al-Mamoura nahitana loza 88, tsy nisy naratra.

Mohamed nanoratra hoe:

The worst thing about rain in the desert….
…is that the streets turn to mud….

Ny zavatra ratsy indrindra momba ny orana any an-tany efitra.
… dia lasa fotaka ny lalana.

Koety:

Miala amin'ireo làlana feno fotaka ao Doha, hifindra tany Koety isika, izay mitaraina momba ny hatsiaka ihany koa ireo bilaogera.

Ankoatra ny manao izay maha-kamo azy, ZDistrict nilaza fa henjana ny hatsiaka ao amin'ny maoteran'ny fiarany. Manazava izy:

What the hell is this cold! Where the hell did it come from, I like the cold more then I do the heat but not when I have work, going to work early the morning in this cold makes it difficult to get up, getting the car moving is another issue. 4C is damn cold early in the morning and I want to warm the car right up by putting it in gear and launching so that I warm up the car forcefully but sometimes its so cold the car has a hard time getting in gear since it hasn’t really warmed up.

Fa inona loatra ity hatsiaka ity! Avy aiza izany, tiako kokoa ny hatsiaka noho ny hafanana saingy tsy rehefa miasa aho, sarotra be ny mifoha maraina rehefa handeha hiasa vao maraina amin'ity mangatsiaka ity, mbola olana hafa koa ny famelomana fiara. Tena mangatsiaka be ny 4C vao maraina ary te-hanafana ny fiara aho amin'ny fampidirana vitesy mba hanery azy hafàna, saingy indraindray tena mangatsiaka be ka tsy mety miditra amin'ny vitesy ambony ny fiara raha tsy tena efa mafana tsara.

Mbola ao Koety ihany, Fonzy mizara amintsika sary izay azony tamin'ny alàlan'ny mailaka, sarina rano mandry eny amin'ny moron-dranomasina any Wafra.

“The sea water froze!! I won’t be surpirised if it were actually true,” he exclaims.

“Mivaingana ny ranomasina!! Tsy ho gaga aho raha marina izany”, hoy izy.

Libya:

Nampihena ny fihetseham-pon'i Khadija Teri nandritra ny faran'ny herinandro ny toetr'andro ratsy. Manoratra izy hoe:

My weekend plans collapsed under the buckets of rain that fell from the skies. Thursday we hung around the house mostly but decided to go out to Cinnabon in the evening to get a change in scenery.

Friday's plan was to go to the mountains – more rain.

Nirodana teo ambanin'ny rotsak'orana avy eny an-danitra ny programako faran'ny herinandro. Nijanona tao an-trano izahay ny Alakamisy saingy nanapa-kevitra ny hivoaka hankany Cinnabon ny hariva mba hiova sehatra.

Ny programa zoma dia ny handeha any an-tendrombohitra – be orana kokoa.

Iraka:

Sambany teo amin'ny fahatsiarovana velona, nisy ranomandry tao Baghdad. Marshmallow26 manoratra bebe kokoa momba ny sakaosy izay nanafàna ny fon'ny mponina ao Baghdad. Manazava izy:

So Snow finally has arrived in Iraq, and its not only in the North but it kicked in Baghdad's atmosphere… What a lovely thing to know that the snow, which is one of the miracles of God to the nature had drawn a smile on many Iraqis faces that day when the weather center subjected snow in Baghdad and some other cities!! Is it weird to know that London is still waiting for the snow while Baghdad; the Bride of the middle east had it? HUH!!

Tonga tao Iraka ihany ny ranomandry, ary tsy tao avaratra ihany fa tao amin'ny rivotra ao Baghdad koa… Tena mahafinaritra ny mahafantatra fa ny oram-panala, izay iray amin'ireo fahagagan'Andriamanitra amin'ny natiora dia nitondra tsiky teo amin'ny endrik'ireo Irakiana maro tamin'io andro io raha nanisy oram-panala tao Baghdad sy nny tanàna hafa ny toetr'andro!! Mahagaga ny mahafantatra fa mbola miandry oram-panala i Londra raha efa manana izany kosa i Baghdad; vadin'ny afovoany atsinanana? Huh !!

Marshmallow26 nahavita nandresy lahatra ny rainy mba hitondra fiara adiny roa ho any Sullymania ary hizara amintsika sarina oram-panala maromaro tany.

SnowVarks:

Ary farany fa tsy ny kely indrindra, Marc Lynch na Abu Aardvark, mpaneho hevitra avy ao Afovoany Atsinanana, mizara amintsika ity sarina snowark ity (sokitra ranomandry?) – fehin-kevitra mifanaraka amin'ity lahatsoratra ity!

Marc Lynch

Lahatsoratra GV mifandraika amin'izany:
Iraka: Oram-panala ao Baghdad
Lahatsarina oram-panala ao Baghdad

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.