- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Masoarabo: Taombaovao miavaka!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Emirà Arabo Mitambatra, Iràka, Jordania, Libanona, Libia, Syria, Ady & Fifandirana, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Janoary 2008)

Ny Taom-baovao no fotoana handinihana ny lasa sy hamolavolana drafitra vaovao ho an'ny ho avy. Inona no lazain'ireo bialogera avy amin'ny tontolo Arabo satria manao veloma farany ny taona 2007 izao tontolo izao ary handray ny taona 2008?

Ejypta:

The Big Pharaoh mandinika [1] ny taona lasa, manolotra antsika fomba fijery momba ny olana tany Libanona, ny herisetra tao Iraka sy ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana. Tamin'ity farany ity, nanoratra izy hoe:

The prospect of a women president in the White House excites me but I personally don’t think Clinton is fit for the job. On November 4th, I would like to see John McCain elected. He is the only one with the experience to fill this position. I know McCain doesn’t excite the hardcore Republicans that much, but currently the polls show that he’s the only one capable of defeating Hillary.

Manentana ahy ny vinavinan'ny vehivavy filoham-pirenena ao amin'ny Trano Fotsy saingy tsy mino izaho manokana fa mety amin'i Clinton ny asa. Ny 4 Novambra, John McCain no tiako ho voafidy. Izy irery no hany manana traikefa takian'io toerana io. Fantatro fa tsy manentana firy ny Repoblikana Hardcore i McCain, saingy amin'izao fotoana izao, mampiseho ny fitsapan-kevitra fa izy irery ihany no afaka mandresy an'i Hillary.

Ho an'i Ejipta, hoy i Big Pharaoh:

2007 didn’t have much for my country. However, I believe the most significant thing that happened are all these protests by the laborers and government employees. I think we’ll see more of these especially if the government decided to mess up with the subsidies.

Tsy dia nisy zavatra betsaka ho an'ny fireneko ny taona 2007. Na izany aza, mino aho fa ny zavatra manan-danja indrindra nitranga dia ireo hetsi-panoherana nataon'ireo mpiasa sy mpiasan'ny governemanta. Heveriko fa mbola hahita bebe kokoa an'izany isika indrindra raha nanapa-kevitra hampitsahatra ny fanampiana ny governemanta.

Iraka:
Iraq Pundit mijery ny fomba nitantaran'ny haino aman-jery ny fankalazana ny Taombaovao ao Iraka rotiky ny ady tao amin'ity lahatsoratra ity [2]. Nofaranany toy izao ny filazany:

Now that's what I call first-rate reporting. Good luck with winning the Pulitzer, guys.

Ankehitriny izany no antsoiko hoe tatitra voalohany. Mirary soa amin'ny fahazoana ny Pulitzer, ry zalahy.

Dubai:

AM, monina ao Dubai, Emirà Arabo Mitambatra, nihevitra fa sambany hankalaza ny alin'ny faran'ny taona tsy miasa tao anatin'ny 10 taona izy. Manazava [3] izy:

10 years after working on New Year’s eve, I found myself sitting on my couch enjoying a comfi and silent setting during this occasion. Surrounded by my cheese tray and a bottle of Pinot Griggio, remote control and cell phone, it seemed like a dream coming true for a circumstantially off-duty hotelier, especially after a loud family Christmas dinner back home.

10 taona taorian'ny niasana ny alin'ny faran'ny taona, tafapetraka ihany amin'ny seza lavako ny tenako, mankafy sehatra mahafinaritra sy mangina mandritra ity fotoana ity. Voahodidin'ny loviako feno fromazy sy tavoahangy Pinot Griggio, telecommande sy finday, toy ny nofinofy lasa tanteraka izany ho an'ny mpiasa hotely tsy miasa, indrindra taorian'ny sakafo hariva Krismasy miaraka amin'ny fianakaviana.

Vakio ny ambin'ny lahatsoratra raha hijery ny fivadihan'ny alina momba ity mpiasan'ny hotely ity.

Mbola ao UAE, e3ashig, dokotera, mizara ny fanapahan-keviny ho an'ny taona vaovao ato [4]. Izao avy:

-Be a better person who is more approachable and helpful to those around me.
-Pray more on time.
-Socialise, socialise, socialise.
-Finish military training that has been hanging over my head for years.
-Start a new business.

- Ho olona tsara kokoa azo atonona sy hanampy ireo manodidina ahy.
– Mivavaka bebe kokoa.
-Mifandray, mifandray, mifandray amin'ny olona.
-Mamarana ny fampiofanana ara-miaramila izay nandreraka ny lohako nandritra ny taona maro.
– Manomboka fihariana vaovao.

Libanona:

Ahmad, izay mibilaogy ao amin'ny Cold Desert, manontany tena [5] ny antony hankalazan'ny olona ny taom-baovao. Hoy izy nanoratra:

You practice your arithmetic skills because you have to do a countdown before midnight.
Never spare any opportunity to push your limits. You can use the occasion to test your alcohol-tolerance. What's your getting-drunk-threshold?!
What's a better way to end the Gregorian year than to help the restaurants, pubs, etc. earn some money to start rich the next year? Don't forget that you will also be helping new singers and dancers get some cash in this stagnant economical state.

Mampihatra ny fahaiza-manao arithmetika ianao satria tsy maintsy manao fanisana mihemotra mialoha ny sasakalina.
Aza manary fotoana ahafahana manosika ny fetranao. Azonao ampiasaina io fotoana io mba hitsapana ny fahazakanao alikaola. Ahoana ny fisotroanao toaka?!
Inona no fomba tsara kokoa hampitsaharana ny taona Gregoriana raha tsy ny manampy ireo trano fisakafoanana, dokambarotra, sns … mahazo vola hanombohana harena amin'ny taona manaraka? Aza adinoina fa hanampy ireo mpihira sy mpandihy vaovao mba hahazo vola amin'ity fihenahenana ara-toekarena ity koa ianao.

Vakio ny ambin'ny lahatsorany mikasika ny antony hiheverany ny hankalazana ny taombaovao.

Syria:

Bilaogera Syriana Yazan, mipetraka any Japana, miandrandra taona 2008 miavaka. Nanoratra [6] izy hoe:

2008, a year that I am strangely convinced will be a spectacular one. And it started out as nothing less than that.
I've had a more than wonderful start for this year, I hope everybody else did too.
I'm glad I can just commit 2007 to the bag of bad memories now, and look forward to this new year.

2008, taona izay toa resy lahatra aho fa hahatalanjona. Ary nanomboka tsy tahaka izany.
Nanana fanombohana tsara lavitra aho tamin'ity taona ity, manantena aho fa toy izany koa ny hafa.
Faly aho fa afaka mampirina ny taona 2007 any amin'ny fahatsiarovana ratsy, ary miandrandra ity taona vaovao ity.

Mbola any Syria, bilaogera an-tsary Hovic manolotra antsika ny sehatry ny fankalazana ny Taombaovao avy ao amin'ny firenena, jereo ato [7].

Jordania:

Avy any Jordania, Hareega koa mirary [8] taona mahafa-po ho an'ireo mpamaky azy. Hoy izy nanoratra:

People say “hope you'll have a great wonderful new year”
I'd like to wish everyone a satisfactory new year, an acceptable new year, without any mega-disasters

Milaza ny olona hoe “manantena fa hanana taona vaovao mahatalanjona ianao”
Tiako ny maniry taona vaovao mahafa-po ho an'ny rehetra, taona vaovao azo ekena, tsy misy loza lehibe

Libya:

Ary ny farany fa tsy ny kely indrindra, Khadija Teri avy any Libia mamarana ny taonany amin'ny fanontaniana sy valiny [9]. Amin'ireo fanontaniana 18, manontany izy ary mamaly:

16. What was something you lost this year?
Car keys! I went to visit someone at khadara Hospital and had them in my pocket. When I came out the keys were gone and it was a pain in the neck because they had the car alarm on the key so I had to replace the keys and the alarm too. And I took my time replacing the alarm, only doing it after my car was broken into and the car stereo was stolen.

16. Inona no zavatra very taminao tamin'ity taona ity?
Lakilen'ny fiara! Nitsidika olona iray tao amin'ny Hopitaly khadara aho ary nampiditra azy tao am-paosiko. Rehefa nivoaka aho dia tsy hita ny lakile ary fijaliana izany satria tany amin'izy ireo ny fanairana ny fiara tamin'ny fanalahidy ka tsy maintsy nanolo ny fanalahidy sy ny fanairana ihany koa aho. Ary nandany fotoana nanolo ny fanairana aho, nanao izany taorian'ny fandrobàna ny fiarako sy nangalarana ny auto-radio.

Mirary taombaovao ho anao!